1 Samoela
Toko faha-16
1 Hoy ny TOMPO tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana ihany no halahelovanao an'i Saoly, nefa na Izaho aza efa nanda azy tsy ho mpanjakan'i Israely intsony? Raiso ny diloilonao, dia mandehana; fa irahiko ho any amin'i Jisay any Betlehema ianao, satria efa nifidy anankiray tamin'ny zanany aho mba ho mpanjaka.2 Fa hoy i Samoela hoe: Ahoana no hankanesako any? Fa raha fantatr'i Saoly izany, dia ho fatiny tokoa aho. Hoy kosa ny TOMPO taminy: Mitondra zanak'omby iray ianao, dia lazao fa hanatitra sorona ho AHY no nahatongavanao,
3 ary asao amin'izany sorona izany koa i Jisay. Hatoroko anao ihany izay tokony hataonao; ka amin'ny anarako, dia hohosoranao ho mpanjaka ilay hotondroiko aminao.
4 Narahin'i Samoela izay voalazan'ny TOMPO, ka dia tonga tany Betlehema izy. Ary ny loholona tao an-tanana nirohotra nitsena azy ka nanao hoe: Fiadanana ve no nahatongavanao?
5 Ary hoy izy hoe: Eny, tonga hanatitra sorona ho an'ny TOMPO aho, koa diovy ny tenanareo ho amin'izany ary andeha hiaraka amiko. Nanainga an'i Jisay sy ireo zanany hidio koa i Samoela, ary dia niangavy azy ho amin'ny sorona.
6 Rehefa tonga izy ireo, dia tazan'i Eliaba i Samoela, ka hoy izy hoe: Ity mijoro eto anatrehany ity tokoa ilay nofinidin'ny TOMPO.
7 Nefa hoy ny TOMPO taminy: Aza sodokan'ny tarehiny sy ny tsanganany ianao, fa tsy nifidy azy Aho akory. Tsy mba mitsara toy izay ataon'olombelona Aho. Ny olona mijery ivelany fotsiny ihany, fa Izaho TOMPO kosa mahita hatramin'ny atin'ny fo.
8 Koa dia nantsoin'i Jisay i Abinadaba ary nasainy nandalo teo anoloan'i Samoela, nefa hoy i Samoela taminy: Tsy mba nifidy an'io koa ny TOMPO.
9 Dia nampandalovin'i Jisay i Sama, nefa mbola hoy ihany izy hoe: Tsy mba nifidy an'io koa ny TOMPO.
10 Tapitra nampandalovin'i Jisay teo anoloan'i Samoela avokoa ireo zanany fito mirahalahy, kanefa dia hoy i Samoela taminy: Tsy nisy nofidin'ny TOMPO ireo na dia iray aza.
11 Hoy indray i Samoela tamin'i Jisay: Ireo avokoa ve izy mirahalahy avy? Ka novalian'i Jisay hoe: Ny zandriny indrindra sisa no tsy eo, fa mbola miandry ondry izy. Fa hoy kosa i Samoela tamin'i Jisay: Ampanalao izy, fa tsy hanomboka ny sorona isika raha tsy efa tonga eto izy. 12 Dia nampanalain'i Jisay i Davida, izay tovolahy mazava endrika sady baribary maso no tsara tarehy. Ary hoy ny TOMPO tamin'i Samoela: Io no izy, koa mandehana hosory mpanjaka izy.
13 Noraisin'i Samoela ny diloilo ka nararany teo an-dohan'i Davida ho fanokanana azy teo anatrehan'ny rahalahiny. Hatramin'io andro io no nilatsahan'ny Fanahin'ny TOMPO tamin'i Davida ka tsy niala taminy intsony. Dia niverina nankany Rama i Samoela.
14 Nandao an'i Saoly ny Fanahin'ny TOMPO, ka dia fanahy ratsy avy amin'ny TOMPO no tonga nampahory azy.
15 Ary hoy ny mpanompon'i Saoly taminy: Fantatray fa misy fanahy ratsy nalefan'Andriamanitra mampahory anao.
16 Omeo baiko fotsiny izahay, tompoko, fa hanao izay asainao hatao, ka hitady olona mahay mitendry harpa. Koa rehefa tonga ao aminao ny fanahy ratsy, dia hitendry izy handrotsirotsy anao.
17 Dia hoy i Saoly tamin'ny mpanompony: Itadiavo olona mahay mitendry zava-maneno aho, ka ento aty amiko.
18 Ary niteny ny iray tamin'ny mpanompony hoe: Mahalala olona iray izay aho, dia ny zanakalahin'i Jisay any Betlehema; tena mahay mitendry zava-maneno izy sady lehilahy manana ny maha izy azy no miaramila matanjaka, ary koa mahay mikabary sy tsara tarehy, ary ny TOMPO dia momba azy.
19 Nandefa iraka tany amin'i Jisay i Saoly hilaza hoe: Alefaso aty amiko i Davida zanakao, ilay mpiandry ondry.
20 Ary i Jisay naka boriky iray, mofo sy divay iray siny hoditra ary zanak'osy iray, ka nampitondrainy an'i Davida zanany ho an'i Saoly.
21 Raha vao tonga tany amin'i Saoly i Davida, dia avy hatrany nikatroka niasa ho azy. Lehibe loatra ny fitiavan'i Saoly azy, ka dia izy no nataony mpitondra ny fitaovam-piadiany.
22 Dia nampaniraka tany amin'i Jisay i Saoly hilaza hoe: Tiako raha mba mitoetra eto amiko i Davida, satria mahafinaritra ahy izy.
23 Koa rehefa tonga tamin'i Saoly ilay fanahy ratsy nalefan'Andriamanitra, dia noraisin'i Davida ny harpa ka notendreny. Mba tony sy nahatsiaro maivamaivana i Saoly tamin'izany, ary dia nandao azy ny fanahy ratsy.