1 Samoela

Toko faha-29

1 Namory ny miaramilany rehetra tao Afeka ny Filistinina, raha nitoby akaikin'ny loharano iray tao Jizrehela kosa ny Israelita.

2 Nilahatra teo alohan'ny andian-tafiny ireo filohan'ny Filistinina; fa i Davida sy ireo olony kosa dia taty aoriana no nilahatra niaraka tamin'i Akisy.

3 Dia hoy ireo filohan'ny Filistinina: Inona no ataon'ireo Hebreo ireo eto? Ka hoy i Akisy namaly ireo filohan'ny Filistinina: I Davida mpanompon'i Saoly mpanjakan'i Israely io, saingy efa niaraka tamiko aman-taonany izy izao. Ary tsy mbola hitako izay tsininy hatramin'izay nialany tany ka nifindrany taty izay.

4 Tezitra tamin'i Akisy ireo filohan'ny Filistinina ka nanao taminy hoe: Roahy any io lehilahy io hiverina any amin'ny tanana izay efa nomenao hitoerany. Aza avela hidina hiara-kiady amintsika izy, fandrao dia isika indray no hifoterany rehefa miady. Fa inona moa no hahazoany sitraka amin'i Saoly tompony, raha tsy ny fanolorany azy ny lohan'ireo olontsika?

5 Moa tsy io Davida io ve ilay nihirana sy nandihizana hoe: I Saoly nahafaty an'arivoarivo, fa i Davida kosa nahafaty an'alinalina.

6 Dia niantso an'i Davida i Akisy ary nanao taminy hoe: Velona ny TOMPO ka milaza marina aho fa olona mahatoky ianao; tiako ny hiarahanao amiko amin'izao ady izao, satria tsy mbola hitako izay tsininao hatramin'izay nahatongavanao teto amiko izay. Kanefa tsy mahazoazo anao ireo filohan'ny Filistinina ireo.

7 Koa mandehana miverina mody am-piadanana mba tsy hanaovanao izay tsy mahafaly ireo filohan'ny Filistinina.

8 Hoy kosa i Davida tamin'i Akisy: Fa inona no nataoko, ry mpanjaka tompoko, ary inona no tsiny hitanao tamiko mpanomponao hatramin'izay nipetrahako taty aminao ka mandraka androany izay, no tsy mahazo mandeha miady amin'ny fahavalonao aho?

9 Dia hoy i Akisy namaly an'i Davida: Tsy misy. Fa mahafinaritra ahy tahaka ny anjelin'Andriamanitra ianao. Saingy ireo filohan'ny Filistinina no nanao hoe: Aoka izy tsy hiaraka hiady amintsika!

10 Koa mifohaza maraina be ianao sy ireo mpanompo izay niara-dia taminao; samia mifoha maraina ianareo, ary mandehana rehefa mazava ny andro.

11 Dia nifoha maraina be i Davida sy ny olony ny ampitso mba hiverina any amin'ny tanin'ny Filistinina. Ary ny Filistinina kosa niakatra any Jizrehela.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0549