1 Samoela
Toko faha-22
1 Niala avy teo i Davida, dia nandositra niery tao an-johin'i Hadolama. Raha nahafantatra izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nirohotra nankany aminy avokoa.2 Nitangorona teo aminy ny olona tokony ho efajato lahy, dia ireo olona sahirana sy ireo bokan-trosa ary ireo tsy faly; izy no tonga filohany.
3 Avy teo Hadolama i Davida, dia nankany Mitsepa any Moaba, ka hoy izy tamin'ny mpanjakan'i Moaba: Avelao re, tompoko, ny ray aman-dreniko mba ho avy hipetraka eto aminao mandra-pahafantarako izay tian'Andriamanitra hatao amiko.
4 Dia nentin'i Davida teo anatrehan'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo ka nipetraka tao aminy nandritra ny fotoana rehetra nialokalofan'i Davida tao amin'ny fiereny.
5 Indray andro dia hoy i Gada mpaminany tamin'i Davida: Aza mijanona ao amin'ny fierenao fa mandehana miverina any amin'ny tanin'i Joda. Dia lasa i Davida ka nankany amin'ny alan'i Hereta.
6 Fantatr'i Saoly fa nisy nahita i Davida sy ireo niaraka taminy. Tany Gibeha i Saoly tamin'izay nipetraka teo ambanin'ny hazo tamariska tambony havoana, sady nitana lefona. Nijoro teo anilany ny mpanompony rehetra; ka hoy i Saoly tamin'izy ireo:
7 Henoy tsara, ry taranak'i Benjamina! Moa ny zanakalahin'i Jisay ve hanome anareo rehetra saha sy tanim-boaloboka, ary hanendry anareo rehetra ho mpifehy ny antokon-tafiny? Tsia!
8 Koa nahoana no mioko hikomy amiko ianareo rehetra? Ka tsy mba nisy nilaza tamiko fa ny zanako dia nanao dinam-pisakaizana tamin'ny zanakalahin'i Jisay. Tsy mba nisy taminareo nanahy kely akory ny amiko, raha nitaona ny mpanompoko hamela-pandrika ahy ny zanako, dia tahaka izay mitranga anio izao.
9 Dia hoy i Doega, ilay Edomita izay nijoro teo akaikin'ireo mpanompon'i Saoly, hoe: Izaho nahita ny zanakalahin'i Jisay tonga tany Noba tao amin'i Ahimeleka zanakalahin'i Ahitoba.
10 Ary i Ahimeleka nanontany ny TOMPO ho azy, sady namatsy azy no nanome azy ilay sabatr'i Goliata Filistinina.
11 Koa nampiantsoan'ny mpanjaka i Ahimeleka mpisorona sady zanakalahin'i Ahitoba, mbamin'ny mpisorona rehetra tao amin'ny fianakaviany izay nipetraka tao Noba; ary tonga niseho teo anatrehan'ny mpanjaka avokoa izy rehetra.
12 Dia hoy i Saoly tamin'i Ahimeleka: Henoy ary, ry zanakalahin'i Ahitoba. Ka novaliany hoe: Inty aho, tompoko.
13 Dia hoy i Saoly taminy: Nahoana no nioko hanohitra ahy ianao sy ny zanakalahin'i Jisay. Nomenao mofo sy sabatra izy; ary nanontany ny Tompo ho azy koa ianao, mba hijoroany hanohitra sy hamandrika ahy tahaka izao anio izao.
14 Hoy kosa no navalin'i Ahimeleka azy: Iza amin'ny mpanomponao rehetra ireo no mba mahatoky indrindra tahaka an'i Davida vinanton'ny mpanjaka, mpiambina ny tenanao ary nohajaina fatratra tao an-dapa?
15 Ary moa sambany androany no nanontaniako ho azy tamin'Andriamanitra? Koa sanatriaviko ny hikomy aminao, ry mpanjaka! Aza ahiahinao aho mpanomponao na ny fianakaviako rehetra izany aho.
16 Fa hoy ny mpanjaka hoe: Ry Ahimeleka, tsy maintsy matiko ianao sy ny fianakavian-drainao manontolo.
17 Avy eo dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpisoron'ny TOMPO, fa niray tsikombakomba tamin'i Davida izy ireo, satria nahafantatra ny fandosiran'i Davida izy, kanefa tsy nampandre ahy. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka kosa tsy sahy nikasi-tanana ny mpisoron'ny TOMPO.
18 Koa hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mandehana vonoy ho faty ireo mpisorona ireo. Dia lasa tokoa i Doega ilay Edomita ka izy mihitsy no namono nahafaty ny mpisorona. Lehilahy 85 mpisalotra ny akanjo masina no matiny androtrio ihany.
19 Ary i Noba tananan'ny mpisorona koa nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ka ringana avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy, na ny ankizy na ny zaza minono, na ny omby na ny boriky na ny ondry.
20 Izany Abiatara zanakalahin'i Ahimeleka sy zafikelin'i Ahitoba izany ihany no hany afa-nandositra, ka namonjy nankany amin'i Davida.
21 Nambaran'i Abiatara an'i Davida ny nandringanan'i Saoly ireo mpisoron'ny TOMPO.
22 Ka hoy i Davida tamin'i Abiatara: Tamin'iny andro iny, dia hitako tsara fa tao Noba koa i Doega ilay Edomita, ka fantatro fa hitantara ny zava-drehetra tamin'i Saoly izy. Koa ny tenako no tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'ny fianakavian-drainao manontolo.
23 Mitoera eto amiko ary aza matahotra; fa izay mitady ny ainao dia mitady ny aiko koa. Ho tsara antoka ianao eto.