1 Samoela

Toko faha-23

1 Indray andro dia nisy nampandre an'i Davida fa notafihin'ny Filistinina ny tananan'i Kehila ka norobainy izay teo am-pamoloana sy tany an-tsompitra.

2 Ary i Davida nanontany tamin'ny TOMPO hoe: Handeha hiady amin'ireo Filistinina ireo ve aho? Ka hoy ny navalin'ny TOMPO azy; Mandehana miady aminy ka vonjeo Kehila.

3 Dia hoy ny olon'i Davida taminy: Indreto aty Joda aza isika matahotra, koa mainka rehefa mankany Kehila hiady amin'ny tafika filistinina? 4 Ary i Davida nanontany indray ny Tompo, ka novaliany hoe: Mandehana mankany Kehila, fa hatolotro ho eo an-tananao ny Filistinina.

5 Lasa nankany Kehila i Davida sy ny olony ary notafihiny ny Filistinina. Nentiny an-kery ny biby fiompiny, ka faharesena tsy nisy toy izany no nahazo azy ireo. Izany no nanafahan'i Davida ny mponin'i Kehila.

6 Raha nialokaloka eo amin'i Davida tany Kehila i Abiatara zanakalahin'i Ahimeleka, dia nitondra ny efoda niaraka taminy.

7 Vao fantatr'i Saoly fa tafiditra tao Kehila i Davida, dia hoy izy hoe: Efa natolotr'Andriamanitra eto an-tanako izy, fa namandri-tena niditra an-tanana mihidy vavahady.

8 Nohetsehin'i Saoly ny tafika manontolo hidina any Kehila mba hanao fahirano an'i Davida sy ny olony.

9 Fantatr'i Davida fa nisaina hanao ratsy azy i Saoly; koa nasainy nentin'i Abiatara mpisorona ny efoda hanontaniana ny Tompo.

10 Dia hoy i Davida taminy: Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely o, ren'ny mpanomponao fa miomana hankaty Kehila i Saoly handrava ny tanana noho ny amiko.

11 Moa hanolotra ahy eo an-tanany ve ny manampahefana eto Kehila? Ary ho avy amiko araka ny reko tokoa ve i Saoly? Mba valio re, ry TOMPO Andriamanitr'i Israely o! Ka hoy ny navalin'ny TOMPO azy: Eny, ho avy tokoa izy.

12 Dia nanontany indray i Davida hoe: Hanolotra ahy sy ny oloko eo an-tanan'i Saoly ve ireo manampahefana eto Kehila? Ary novalian'ny TOMPO hoe: Eny, hanolotra anareo izy.

13 Dia niainga nandao an'i Kehila i Davida sy ny olony miisa ho eninjato lahy, ary nandeha tamin'ny lalana anjoanjo. Rehefa ren'i Saoly fa nandositra niala tao Kehila i Davida, dia najanony ny dia.

14 Nijanona tany an-taniefitra tao amin'ny toerana be harambato i Davida, ary nonina tany amin'ny havoan'ny taniefitr'i Zifa. Nitady azy isan'andro i Saoly, kanefa tsy navelan'Andriamanitra hatolotra eo an-tanany i Davida.

15 Hitan'i Davida fa niainga hiantafika mba hifofo ny ainy i Saoly, ka dia nijanona tao Horesa tany an-taniefitr'i Zifa izy.

16 Ary i Jonatana zanakalahin'i Saoly nankany amin'i Davida any Horesa ka nankahery azy tamin'ny anaran'Andriamanitra.

17 Hoy izy tamin'i Davida: Aza matahotra fa tsy hahazo anao akory ny tanan'i Saoly raiko. Ianao no ho mpanjakan'i Israely fa izaho kosa ho lefitrao; ary na i Saoly raiko aza dia mahalala tsara izany!

18 Ary nanao dinam-pisakaizana teo anatrehan'ny TOMPO izy roa lahy. Dia nijanona tany Horesa ihany i Davida fa i Jonatana kosa niverina nody.

19 Nankany amin'i Saoly tany Gibeha ny mponin'i Zifa ka nanao taminy hoe: Moa tsy fantatrao fa i Davida anie ka miafina any aminay ao amin'ny toerana be harambato any Horesa, any amin'ny havoanan'i Hakila eo atsimon'ny faritra be lobolobo?

20 Koa raha te hanampoka azy ianao, ry mpanjaka, dia midina any, fa anjaranay ny manolotra azy eo an-tananao.

21 Dia hoy i Saoly hoe: Hitahy anareo anie ny TOMPO noho izao fiahianareo ahy izao!

22 Koa mandehana indray ianareo, dia alaivo antoka sy fantaro tsara izay toerana marina misy azy sy izay nahita azy tany, fa tena fetsy lahy hono izy izany.

23 Ataovy fantatra avokoa izay toerana rehetra mety iafenany, dia miverena aty amiko rehefa tena azonareo antoka, fa hiaraka aminareo aho. Raha mbola eto amin'ny faritany koa iny, dia hosavako avokoa ny isam-pianakaviamben'i Joda mba hahitako azy.

24 Dia lasa nankany Zifa nialoha an'i Saoly izy ireo, fa i Davida sy ny olony kosa dia tao amin'ny taniefitr'i Mahona, amin'ny lemaka eo atsimon'ny faritra be lobolobo.

25 Niainga i Saoly sy ny miaramilany hitady an'i Davida. Raha nandre izany i Davida, dia nitsontsorika nidina ny harambato ka nijanona tao amin'ny taniefitr'i Mahona. Rehefa fantatr'i Saoly izany dia nanenjika an'i Davida hatrany koa izy.

26 Tamin'ny lafiny ilan'ny tendrombohitra no nandehanan'i Saoly, fa i Davida sy ny olony kosa nandroso tamin'ny lafiny iray hafa. Nohafainganin'i Davida ny diany mba tsy hahazoan'i Saoly azy, satria ny mpanjaka sy ny olony efa manodidina vonon-kisambotra an'i Davida sy ny namany.

27 Fa nisy iraka iray tonga nilaza tamin'i Saoly hoe: Faingana ianao fa manafika ny tanin'i Israely ny Filistinina.

28 Dia natsahatr'i Saoly ny fanenjehana an'i Davida, fa lasa izy niady tamin'ny Filistinina. Izany no niantsoana io toerana io hoe: Vatolampin'ny Fisarahana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.055