1 Samoela
Toko faha-20
1 Nitsoaka avy tao Naiota akaikin'i Rama i Davida, ka nankany amin'i Jonatana zanakalahin'i Saoly izay nanontaniany hoe: Inona no nataoko an-drainao, inona no fahadisoako, ary inona no heloko teo anatrehany no dia mifofo ny aiko izy?2 Dia hoy i Jonatana taminy: Sanatria aminao izany, tsy ho faty akory ianao; fa ambaran-draiko amiko hatrany manko izay zavatra hataony na kely izany na lehibe; koa hataony ahoana no hanafina izany raharaha lehibe izany amiko?
3 Mbola nikiry nanao izao fianianana izao i Davida hoe: Fantatry ny rainao tsara ny halehiben'ny fitiavanao ahy, ka hoy izy anakampony: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany fandrao hampalahelo azy. Nefa velona ny TOMPO ary velona koa ny ainao, ka sahiko lazaina fa indray mandingana sisa no manelanelana ahy sy ny fahafatesana.
4 Hoy kosa i Jonatana tamin'i Davida: Inona ary no tianao hataoko aminao?
5 Ka novalian'i Davida hoe: Fetin'ny tsinam-bolana rahampitso; ka tokony hiara-misakafo amin'ny mpanjaka aho. Nefa avelao aho hiery any an-tsaha hatramin'ny rahafakampitso hariva.
6 Raha tsikaritry ny rainao ny tsy maha eo ahy, dia lazao aminy hoe: Niera tamiko i Davida mba hitselika kely any Betlehema tanana fiaviany, hankalaza ny sorona fanao isan-taona miaraka amin'ny fianakaviany rehetra.
7 Raha ambarany fa tsara izany, dia tsy haninona ny mpanomponao; fa raha tezitra kosa izy, dia fantaro fa vonona ny hifofo ny aiko mihitsy izy.
8 Koa asehoy amiko ary ny fitiavanao, satria dinam-pisakaizana amin'ny anaran'ny TOMPO no ifamatorantsika. Fa raha toa ka misy mahameloka ahy na amin'inona izany na amin'inona, dia aoka ho ianao mihitsy no hamono hahafaty ahy, toy izay aho hoentinao any amin-drainao.
9 Dia hoy i Jonatana hoe: Sanatria aminao izany! Raha fantatro tokoa fa vonona hanisy ratsy anao ny raiko, dia mianiana aho fa hilaza izany aminao.
10 Ka hoy i Davida tamin'i Jonatana: Iza anefa no hilaza amiko, raha toa ka mamaly anao an-katezerana ny rainao?
11 Fa hoy ny navalin'i Jonatana azy: Andeha isika hankany an-tsaha! Dia lasa nankany an-tsaha izy roa lahy.
12 Ary hoy i Jonatana tamin'i Davida: Ny TOMPO Andriamanitr'i Israely no vavolombelona fa hitsapa izay hevitry ny raiko aho, rahampitso na rahafakampitso amin'ny ora toy izao. Koa raha ny hahasoa anao no ao an-tsainy, dia tsy hampandre anao na inona na inona aho. Fa raha mihevitra hanisy ratsy anao kosa ny raiko,
13 dia enga anie hosazin'ny TOMPO mafy tokoa aho raha tsy mampandre anao! Koa halefako ianao handeha tsy amin'ahiahy, ary dia homba anao tahaka ny nombany ny raiko anie ny TOMPO!
14 Raha mbola velona aho any aoriana any, dia araka ny fitiavan'ny TOMPO no ataovy amiko. Raha maty kosa aho,
15 dia mbola hasehonao amin'ny taranako hatrany hatrany ny fitiavanao, na dia ho voaringan'ny TOMPO tsirairay tsy ho ety ambonin'ny tany aza ny fahavalonao.
16 Dia nanao dinam-pisakaizana tamin'i Davida sy ny taranany i Jonatana hoe:...ary ny TOMPO anie hamalifaty ny fahavalon'i Davida!
17 Ary nampianiana an'i Davida koa i Jonatana amin'ny anaran'ny fitiavany azy, satria tia azy tahaka ny itiavany ny tenany i Jonatana.
18 Ary hoy indray i Jonatana tamin'i Davida: Rahampitso ny fetin'ny tsinam-bolana, ka ho hitan'ny olona ny tsy fahatongavanao, satria ho banga ny toeranao.
19 Rahafakampitso dia hidina hatrany amin'ilay toerana nierenao tamin'ny indray andro iny ianao ka hitoetra eo akaikin'ny vato Ezela.
20 Izaho kosa, handefa zana-tsipika telo mankany, toy ny mikendry lasibatra;
21 dia haniraka ny zatovolahy aho hanangona ireny. Koa raha hoy aho amin'ilay zatovolahy hoe: Jereo fa tsy lasa nihoatra anao ny zana-tsipika, koa angony; midika izany fa milamina ny raharaha, ka afaka miverina ianao. Velona ny TOMPO ka sahiko lazaina fa tsy hisy loza hanjo anao akory.
22 Fa raha hoy kosa aho amin'ilay zatovolahy hoe: Lasa nihoatra anao ny zana-tsipika, dia mandehana ianao, ry Davida fa sitraky ny TOMPO ny handehananao.
23 Ary momba ny dinam-pisakaizana nataontsika, dia ny TOMPO no hanelanelana antsika mandrakizay.
24 Dia lasa niery tany an-tsaha i Davida. Rehefa tonga ny fetin'ny tsinam-bolana, dia nandray ny toerana fisakafoany ny mpanjaka.
25 Nipetraka teo amin'ny toerana mahazatra azy akaikin'ny rindrina ny mpanjaka; ny jeneraly Abinera no teo anilany ary i Jonatana no teo anoloany, fa banga kosa ny toeran'i Davida.
26 Tamin'io andro io dia tsy niteny na inona na inona i Saoly; noheveriny manko fa nisy sampona tsy nampoizina nahazo an'i Davida, ka mampaloto azy ara-pivavahana.
27 Nefa ny ampitso, andro faharoan'ny fety, rehefa hitan'i Saoly fa mbola banga indray ny toeran'i Davida, dia nanontany an'i Jonatana zanany izy hoe: Nahoana ny zanakalahin'i Jisay no tsy nitranga tamin'ny sakafo na ny omaly na ny androany?
28 Ka hoy i Jonatana namaly an'i Saoly: Niera sy nitalaho mafy tamiko i Davida mba hankany Betlehema.
29 Avelao aho handeha, hoy izy, fa misy sorona ataon'ny fianakavianay any, ary ny rahalahiko anankiray mihitsy no mandidy ahy hanatrika izany. Koa raha tianao ihany aho, dia avelao aho hitsoriaka hamangy an'ireo rahalahiko. Izany no tsy nahatongavan'i Davida teto amin'ity sakafo ity.
30 Tezitra tamin'i Jonatana i Saoly ka nanao taminy hoe: Zana-behivavy mpikomy ialahy! Fantatro izao fa miandany amin'ny zanakalahin'i Jisay ialahy ho henatra ho an'ialahy sy ny renin'ialahy.
31 Fa raha mbola velona eto ambonin'ny tany koa iny zanakalahin'i Jisay iny, dia tsy ho tonga mpanjaka na oviana na oviana amin'ity tany ity ialahy! Koa sambory izy ary ento aty amiko, fa mendrika azy ny ho faty.
32 Fa namaly an'i Saoly i Jonatana hoe: Nahoana no mendrika ho faty izy? Inona no ratsy nataony?
33 Natorak'i Saoly tamin'i Jonatana ny lefony mba hamelezany azy, ka dia fantany fa tena vonona hifofo ny ain'i Davida tokoa ny rainy.
34 Nitsangana niala teo amin'ny sakafo tamim-pahatezerana mafy i Jonatana, ary tsy nihinana na inona na inona ny andro faharoan'ny fety. Nalahelo mafy an'i Davida izy, satria niteny ratsy azy ny rainy.
35 Ny ampitso maraina i Jonatana dia lasa nankany an-tsaha ho any amin'ilay toerana nifanarahany tamin'i Davida. Nisy tovolahy iray niaraka tamin'i Jonatana
36 sady nilazany hoe: Mihazakazaha ianao ery aloha, ka tadiavo izay zana-tsipika alefako. Rehefa lasa ilay zatovolahy, dia nalefan'i Jonatana hihoatra azy ny zana-tsipika.
37 Nony nanatona ny toerana nitsatohan'ny zana-tsipika ilehio, dia hoy i Jonatana taminy: Efa ireo nihoatra anao ireo ny zana-tsipika.
38 Faingana ianao fa aza mijanonjanona. Nangonin'ilay mpanompo ny zana-tsipika, dia niverina hankeny amin'ny tompony izy.
39 Tsy nahalala ny dikan'izany anefa ilay tovolahy, fa i Jonatana sy i Davida ihany no nahafantatra.
40 Nomen'i Jonatana ny mpanompony ny fitaovam-piadiany, dia nasainy nentina any an-tanana.
41 Rehefa lasa ilay mpanompo, dia nivoaka avy tao amin'ny fiereny teo atsimon'ny antontam-bato i Davida, ary niankohoka intelo tamin'ny tany teo anatrehan'i Jonatana. Dia nifanoroka izy roa lahy ka niara-nitomany mandra-pitsahatr'i Davida.
42 Ary hoy i Jonatana tamin'i Davida: Mandehana ombam-piadanana, fa efa samy nianiana tamin'ny anaran'ny TOMPO isika hoe: Ny TOMPO anie hanelanelana ahy sy ianao ary ny taranako sy ny taranakao mandrakizay!