1 Samoela

Toko faha-7

1 Tonga naka ny Vatamasin'ny TOMPO ny mponin'i Kiriata-Jeharima ka nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo amin'ny havoana iray. Dia natokan'izy ireo ho mpiambina ny Vatamasin'ny TOMPO i Elihezera zanakalahin'i Abinadaba.

2 Hatramin'ny nitoeran'ny Vatamasin'ny TOMPO tany Kiriata-Jeharima, dia andro maro no nifandimby, efa roapolo taona izao. Nalahelo te hiverina amin'ny TOMPO ny Israelita rehetra

3 ka nilazan'i Samoela hoe: Raha amin'ny fonareo manontolo tokoa no hiverenanareo amin'ny TOMPO, dia atsaharo ny fanompoanareo andriamani-kafa sy fanompoanareo ny sampy Hastoreta; aoka hiraiki-po amin'ny TOMPO ianareo, ary aza manompo afa-tsy Izy irery ihany, fa hovonjeny tsy ho voagejan'ny Filistinina ianareo.

4 Dia narian'ny Israelita ireo sampin'ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastoreta, ka ny TOMPO no hany notompoiny.

5 Avy eo dia hoy i Samoela hoe: Aoka ho vory any Mitsepa ny vahoaka Israely tsivakivolo, fa izaho hivavaka amin'ny TOMPO ho azy.

6 Dia tafangona tao Mitsepa ny Israelita. Nanovo rano izy ireo, dia nararany tamin'ny tany teo anatrehan'ny TOMPO izany. Nifady hanina koa izy tamin'izany andro izany sady niaiky heloka hoe: Efa nanota tamin'ny TOMPO izahay. Tao Mitsepa no nahatonga an'i Samoela ho filohan'ny vahoaka Israely.

7 Rehefa fantatry ny Filistinina fa nivory tany Mitsepa ny Israelita, dia tapa-kevitra ireo andriana dimy filohan'ny Filistinina fa hanafika azy. Nony ren'ny Israelita izany, dia natahotra ny Filistinina izy,

8 ka nanao tamin'i Samoela hoe: Aza arianao izahay, fa mivavaha amin'ny TOMPO Andriamanitsika ho anay, mba hamonjeny anay tsy ho voagejan'ny Filistinina.

9 Naka zanak'ondry mbola minono i Samoela ka nanolotra izany ho sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO; dia nitalaho tamin'ny TOMPO ho an'ny vahoaka Israely izy, ary ny TOMPO namaly ny vavaka nataony.

10 Fa raha mbola nanatitra ilay sorona i Samoela, dia nandroso hanafika an'i Israely kosa ny Filistinina. Tamin'izay indrindra anefa ny TOMPO no nampirefotra kotro-baratra tamin'ny miaramila filistinina sy nampifanaritaka azy, ka resin'ny Israelita izy ireo.

11 Niala tao Mitsepa ny tafik'i Israely ka nanenjika ny Filistinina hatrany ambanin'ny Bety-Kara mandra-pandresiny azy tanteraka.

12 Naka vato i Samoela ka natsangany teo anelanelan'i Mitsepa sy i Sena izany ary nomeny anarana hoe Ebena-Hezera na Vatom-pamonjena, fa hoy izy hoe: Efa namonjy antsika hatrety ny TOMPO.

13 Menatra ny fahareseny loatra ny Filistinina, ka tsy sahy nitsofoka ny faritanin'i Israely intsony, satria ny TOMPO naneho ny heriny tamin'izy ireo nandritra ny andro rehetra niainan'i Samoela.

14 Ary ireo tanana izay nalain'ny Filistinina tamin'ny Israelita, teo anelanelan'i Hekrona sy Gata, dia tafaverina soa aman-tsara tamin'ny Israelita; koa afaka teo an-tanan'ny Filistinina izany faritra izany. Ary dia nisy koa ny fandriampahalemana teo amin'ny Israelita sy ny Amorita.

15 I Samoela no filohan'ny vahoaka Israely mandra-pahafatiny.

16 Isan-taona izy dia nandeha nitety an'i Betela sy i Gilgala ary i Mitsepa ka nitsara tamin'ireo tanana telo ireo.

17 Rehefa izany, dia niverina nody tany Rama izay nisy azy izy; nitsarany ny Israelita koa tao sady nanorenany alitara anankiray ho an'ny TOMPO.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0609