2 Mpanjaka

Toko 1 Taorian'ny nahafatesan'i Ahaba dia nikomy tamin'i Israely i Moaba.
Toko 2 Rehefa hakarin'ny TOMPO any an-danitra ao anatin'ny tadio i Elia, dia niala tao Gilgala niaraka tamin'i Elisa.
Toko 3 Tonga mpanjakan'i Israely i Jorama zanakalahin'i Ahaba tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda; ary naharitra 12 taona no nanjakany tao Samaria.
Toko 4 Indray andro dia nisy vehivavy vadina lehilahy anisan'ny andia-mpaminany, tonga nitaraina tamin'i Elisa nanao hoe: Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa nanaja ny TOMPO izy. Tonga ao anefa ny tompon-trosa haka ny zanako roa lahy mba handevoziny.
Toko 5 Nahamana no anaran'ny filohan-tafiky ny mpanjakan'i Siria. Lehilahy mendri-kaja sy to teny teo anatrehan'ny tompony izy satria ny Sirianina efa nampandresen'ny TOMPO tamin'ny alalany. Marary hoditra anefa izany lehilahy maherifo izany.
Toko 6 Indray andro, dia hoy ny andia-mpaminany tamin'i Elisa tompony: Indro efa tena ety ho antsika ny toeram-pivoriana iarahanay aminao.
Toko 7 Dia hoy ny navalin'i Elisa: Izao no lazain'ny TOMPO, koa henoinareo: Rahampitso toy izao dia samy ho sekela iray ihany no vidin'ny lafarinina 12 kilao na ny vary orza 24 kilao eny an-tsena eo am-bavahadin'i Samaria.
Toko 8 Indray andro dia niteny tamin'ilay vehivavy nanan-janakalahy maty nefa novelominy indray i Elisa, ka nanao hoe: Miala eto ianao sy ny fianakavianao ka mifindra monina any amin'izay azonareo onenana; fa ny TOMPO handefa mosary eto amin'ny tanin'i Israely, ary efa ho tonga izany ka haharitra fito taona.
Toko 9 Indray andro i Elisa mpaminany dia niantso tovolahy iray anisan'ny andia-mpaminany ka nanao taminy hoe: Mivonona ianao handeha, ka ento ity tavoara feno menaka ity, ary mankanesa any Ramota-Gilehada.
Toko 10 Nanan-taranaka fitopolo lahy izay nipetraka tany Samaria i Ahaba. Fa nanoratra taratasy i Jeho mba halefa any Samaria ho an'ireo lehibe mpifehy ny tanana mbamin'ireo loholona sy ireo mpanabe ny taranak'i Ahaba. Ka hoy i Jeho tamin'ny taratasiny:
Toko 11 Rehefa hitan'i Hatalia renin'i Ahazia fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny taranak'andriana rehetra izy.
Toko 12 Tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Jeho tamin'i Israely no tonga ho mpanjakan'i Joda i Joasy; vao fito taona izy tamin'izay, ary naharitra efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Tsibia avy any Beera-Seba.
Toko 13 Tamin'ny faha-23 taona nanjakan'i Joasy zanakalahin'i Ahazia mpanjakan'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely tany Samaria i Joahaza zanakalahin'i Jeho; ary naharitra 17 taona no nanjakany.
Toko 14 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasy zanakalahin'i Joahaza sady mpanjakan'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Amatsia zanakalahin'i Joasy;
Toko 15 Tamin'ny taona faha-27 nanjakan'i Jerobohama tamin'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Hazaria zanakalahin'i Amatsia;
Toko 16 Tamin'ny taona faha-17 nanjakan'i Peka zanakalahin'i Remalia tamin'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Ahaza zanakalahin'i Jotama.
Toko 17 Tamin'ny taona faha-12 nanjakan'i Ahaza tamin'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely tao Samaria i Hosea zanakalahin'i Ela; ary naharitra sivy taona no nanjakany tao.
Toko 18 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea zanakalahin'i Ela tamin'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Hezekia zanakalahin'i Ahaza.
Toko 19 Raha vao nandre izany tatitra izany i Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany ka nitafy gony ary lasa niditra tao an-tranon'ny TOMPO.
Toko 20 Tamin'izany andro izany dia narary efa ho faty i Hezekia. Tonga nitsidika azy i Isaia mpaminany zanakalahin'i Amotsa ary nilaza taminy ny tenin'ny TOMPO hoe: Ataovy ny farahafatrao amin'ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.
Toko 21 Feno 12 taona i Manase fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 55 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hefitsiba. 2 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy fa naka tahaka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon'ireo firenena izay noroahin'ny TOMPO teo anoloan'ny Israelita.
Toko 22 Feno valo taona i Josia fony tonga mpanjaka ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jedida zanakavavin'i Hadaia avy any Botsekata.
Toko 23 Ary nandefa iraka ny mpanjaka hanainga tsy an-kanavaka ny loholon'i Joda sy i Jerosalema mba ho vory ao aminy.
Toko 24 Tamin'ny andro nanjakan'i Joiakima no nidiran'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona ny tanin'i Joda, ka dia voatery nanoa azy telo taona i Joiakima. Taorian'izany kosa izy dia nikomy taminy.
Toko 25 Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin'ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanana ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an'i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan'i Tsedekia tamin'izay, ary andro fahafolon'ny volana fahafolo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0404