2 Mpanjaka

Toko faha-24

1 Tamin'ny andro nanjakan'i Joiakima no nidiran'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona ny tanin'i Joda, ka dia voatery nanoa azy telo taona i Joiakima. Taorian'izany kosa izy dia nikomy taminy.

2 Tamin'izay i Joiakima dia nandefasan'ny TOMPO andian-dahalo babilonianina sy andian-dahalo sirianina ary andian-dahalo moabita sy hamonita hamely ny tanin'i Joda ka nandrava azy araka izay nolazain'ny TOMPO tamin'ny alalan'ireo mpaminany.

3 Baikon'ny TOMPO mihitsy no nahatonga ireny loza ireny tamin'ny fanjakan'i Joda mba hanesorany azy tsy ho hitan'ny masony noho ny fahotana rehetra nataon'i Manase mpanjaka,

4 ary koa noho ireo olona maro tsy manan-tsiny izay novonoiny ho faty; nanenika faty an'i Jerosalema izy ka izany no tsy netezan'ny TOMPO hamela heloka.

5 Ny sisa amin'ny tantaran'i Joiakima ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.

6 Ary rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Joiakima, dia i Joiakina zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

7 Tsy sahy nivoaka ny taniny intsony ny mpanjakan'i Ejipta, satria lasan'ny mpanjakan'i Babilona ny tany rehetra teo ambany fahefan'i Ejipta hatreo amin'ny lohasahan-driakan'i Ejipta ka hatrany amin'ny ony Eofrata.

8 Feno 18 taona i Joiakina fony tonga mpanjaka; ary telo volana ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Nehosta zanakavavin'i Elnatana avy ao Jerosalema.

9 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO tahaka izay rehetra nataon'ireo razany izy.

10 Tamin'izany fotoana izany dia tonga nanao fahirano an'i Jerosalema ny tafika babilonianina izay notarihin'ireo manamboninahitr'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona.

11 Raha mbola natao fahirano ny tanana, dia mba tonga teo koa i Nebokadnetsara;

12 ary nitolo-batana tamin'ny mpanjakan'i Babilona i Joiakina mpanjakan'i Joda sy ny reniny mbamin'ny manamboninahiny sy ny filohan-bahoakany ary ny tandapany. Dia nogadrain'ny mpanjakan'i Babilona ireo tamin'ny taona fahavalo nanjakany.

13 Fa araka ny efa nambaran'ny TOMPO dia nentin'i Nebokadnetsara ny zava-tsarobidy rehetra tao an-tranon'ny TOMPO sy tao an-dapan'ny mpanjaka, ary novakiny avokoa ny fanaka rehetra volamena izay nataon'i Salomona mpanjaka ho an'ny tempolin'ny TOMPO.

14 Nataony sesitany i Jerosalema iray manontolo, dia ny filoham-bahoaka rehetra sy ny mpanankarena rehetra, izany hoe voasesitany miisa 10000 ankoatra ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy; ireo vahoaka madinika sy mahantra no sisa navelany.

15 Nataony sesitany avy ao Jerosalema ho any Babilona koa i Joiakina mpanjaka mbamin'ny reniny sy ireo vadiny ary ny tandapa mbamin'ireo filohan'i Joda.

16 Nentiny nankany Babilona avokoa ny mpanankarena rehetra miisa fito arivo lahy, mbamin'ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy miisa arivo lahy, ary ny miaramila rehetra afaka miantafika.

17 Ary notendren'ny mpanjakan'i Babilona ho mpanjaka handimby an'i Joiakina i Matania rahalahin-drainy, ka novany ho Tsedekia ny anarany.

18 Feno 21 taona i Tsedekia fony tonga mpanjaka; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin'i Jeremia avy any Libna.

19 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy tahaka izay rehetra nataon'i Joiakina.

20 Fa ny fahatezeran'ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin'i Jerosalema sy tamin'i Joda, ka niafara tamin'ny fandroahany an'ireo Jodeanina hiala teo anatrehany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0647