2 Mpanjaka
Toko faha-3
1 Tonga mpanjakan'i Israely i Jorama zanakalahin'i Ahaba tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda; ary naharitra 12 taona no nanjakany tao Samaria.2 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy; ka nifikirany fa tsy nialany akory ny fahotana izay nampanaovin'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata ny Israelita. Kanefa tsy dia ratsy tahaka an-drainy sy reniny izy, satria nanaisotra ny tsangambato izay nataon-drainy hanajana an'i Bahala.
4 Ary niompy ondry maro i Mesa mpanjakan'i Moaba ka nandoa hetra zanak'ondry 100 000 sy ondrilahy 100 000 mbamin'ny volony ho an'ny mpanjakan'i Israely.
5 Rehefa maty anefa i Ahaba mpanjaka, dia nikomy tamin'ny mpanjakan'i Israely ny mpanjakan'i Moaba.
6 Ary niala tao Samaria i Jorama tamin'izay mba hampanao matso ny tafik'i Israely manontolo.
7 Dia nandefa iraka hilaza amin'i Josafata mpanjakan'i Joda izy nanao hoe: Nikomy tamiko ny mpanjakan'i Moaba; koa hiaraka amiko hanafika ny taniny ve ianao? Ary hoy ny navaliny: Eny, ho avy aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao ary ny soavaliko dia soavalinao.
8 Fa hoy ihany izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary namaly i Jorama hoe: Ilay mamaky ny taniefitr'i Edoma.
9 Dia niainga ny mpanjakan'i Israely sy ny mpanjakan'i Joda ary ny mpanjakan'i Edoma. Rehefa nandeha lalana fito andro ireo, dia tsy nahita rano intsony ho an'ny miaramila sy ny biby niaraka taminy.
10 Dia hoy ny mpanjakan'i Israely: Indrisy fa ny TOMPO mihitsy no nitaona antsika mpanjaka telo lahy ireto mba hatolotra eo an-tanan'ny Moabita!
11 Fa hoy kosa i Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'ny TOMPO va eto mba hanontaniantsika ny TOMPO? Ary nisy manamboninahitry ny mpanjakan'i Israely namaly hoe: Miaraka amintsika ao i Elisa zanakalahin'i Safata sady mpiara-niasa akaiky tamin'i Elia mpaminany.
12 Hoy i Josafata: Miloatra avy aminy tokoa ny tenin'ny TOMPO. Dia nankany amin'i Elisa ny mpanjakan'i Israely sy i Josafata ary ny mpanjakan'i Edoma.
13 Ka hoy i Elisa tamin'ny mpanjakan'i Israely: Nahoana no mankaty amiko ianao? Mandehana any amin'ireo mpaminanin-drainao na ireo mpaminanin-dreninao! Fa novalian'ny mpanjakan'i Israely hoe: Tsia, fa ny TOMPO mihitsy no nitaona anay mpanjaka telo lahy ireto mba hatolotra eo an-tanan'ny Moabita.
14 Dia hoy indray i Elisa: Velona ny TOMPOn'izao rehetra izao sady tompoiko, ka manizingizina aho fa ny fanajako an'i Josafata mpanjakan'i Joda ihany no anatrehako anao sy ijereko anao.
15 Ankehitriny, itondray mpitendry mozika aho. Raha mbola niangaly mozika ilay mpitendry, dia tonga tamin'i Elisa ny herin'ny TOMPO,
16 ka nampiteny azy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Andoahy lavaka maro ity hady ity,
17 satria Izaho TOMPO no efa nilaza fa tsy handre rivotra na hahita orana ianareo, nefa ho feno rano izany hady izany mba hisotroanareo, dia ny tenanareo sy ny miaramilanareo ary ny biby mpitondra ny entanareo.
18 Saingy mbola zavatra kely eo imason'ny TOMPO ihany izany; fa hanolotra ny tanin'i Moaba eo an-tananareo koa Izy.
19 Horavanareo ny tananamimanda sy ny tanana soa rehetra, hokapainareo ny hazo fihinam-boa rehetra, hotampenanareo ny loharano rehetra ary hanipazanareo vato ny saha voavoly rehetra ho fanimbana azy.
20 Ny ampitso maraina, tamin'ny fotoana fanoloran-tsorona, dia indro fa nikoriana avy any Edoma ny rano ka nandrakotra ny tany.
21 Rehefa ren'ny Moabita rehetra fa avy hanafika azy ireto mpanjaka telo lahy, dia nantsoiny avokoa izay lehilahy mahatam-piadiana rehetra ka naka toerana teo amin'ny sisin-tany.
22 Nony nifoha ny Moabita ny ampitso maraina, dia notarafin'ny masoandro izany rano izany ka mena toy ny ra no fahitany azy teo anoloany;
23 ary hoy izy hoe: Ra io! Niady sy nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo sy ny tafiny; koa mitsangana, ry Moaba, ka mandroba!
24 Kanjo, rehefa nanatona ny tobin'i Israely ny Moabita, dia notampohin'ny miaramila israelita izay namely azy ka nitsoaka nandositra teo anoloany. Nanenjika azy hatrany amin'ny taniny kosa ny Israelita ka naharesy azy.
25 Noravany ny tanana ary samy nanipazany vato avokoa ny saha voavoly rehetra mandra-pahatototra azy, notampenany ny loharano rehetra ary nokapainy ny hazo fihinam-boa rehetra. Ny tananan'i Kira-Haroseta no sisa tsy rava, nefa na io aza dia nohodidinin'ny mpandefa antsamotady ka notafihiny ihany koa.
26 Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Moaba fa tsy hahatohitra ny fanafihana izy, dia namory miaramila fitonjato lahy mpitan-tsabatra hiaraka aminy mba hanavatsava hankany amin'ny mpanjakan'i Siria, nefa tsy nahomby.
27 Ary nalainy ny zanany lahimatoa izay tokony hanjaka handimby azy ka nataony sorona dorana manontolo teo ambonin'ny mandan'ny tanana; natahotra mafy ny Israelita ka nandao ny fahirano ary nody any amin'ny taniny.