2 Mpanjaka

Toko faha-8

1 Indray andro dia niteny tamin'ilay vehivavy nanan-janakalahy maty nefa novelominy indray i Elisa, ka nanao hoe: Miala eto ianao sy ny fianakavianao ka mifindra monina any amin'izay azonareo onenana; fa ny TOMPO handefa mosary eto amin'ny tanin'i Israely, ary efa ho tonga izany ka haharitra fito taona.

2 Dia niala teo ilay vehivavy ka nanao araka ny tenin'ilay olon'Andriamanitra taminy; ary lasa izy sy ny fianakaviany nifindra monina nandritra ny fito taona tany amin'ny tanin'ny Filistinina.

3 Nony afaka fito taona dia nody avy tany amin'ny tanin'ny Filistinina ravehivavy ka nangataka hihaona amin'ny mpanjaka mba hitaky ny tranony sy ny taniny.

4 Tamin'izay kosa ny mpanjaka dia niresaka tamin'i Gehazy mpanompon'i Elisa. Nangatahiny izy mba hilaza aminy izay zava-dehibe rehetra nataon'ny mpaminany.

5 Raha mbola notantarain'i Gehazy tamin'ny mpanjaka ny amin'ilay zaza maty izay novelomin'i Elisa, dia indro tonga nitaky ny tranony sy ny taniny tamin'ny mpanjaka ilay vehivavy. Ary hoy i Gehazy: Io ilay vehivavy sy ny zanany izay novelomin'i Elisa indray, ry andriamanjaka!

6 Dia nanontanian'ny mpanjaka ilay vehivavy, ka nitantara ny zava-drehetra. Ary nasain'ny mpanjaka nokarakarain'ny manamboninahitra iray ny raharahan-dravehivavy, ka hoy izy: Avereno aminy avokoa ny fananany rehetra ary onero ny vokatry ny taniny manomboka amin'ny andro nandaozany azy ka mandraka ankehitriny.

7 Indray andro dia tonga tany Damasy i Elisa. Narary i Bena-Hadada mpanjakan'i Siria tamin'izay; ary rehefa nisy nilaza taminy fa ao an-tanana ilay olon'Andriamanitra,

8 dia hoy izy tamin'i Hazaela: Mitondra fanomezana ka mandehana mihaona amin'i Elisa; dia asaivo manontany ny TOMPO izy raha toa ka ho sitrana amin'izao aretiko izao ihany aho.

9 Dia lasa nihaona tamin'i Elisa i Hazaela nombam-panomezana nentin'ny rameva efapolo, dia izay zava-tsoa isan-karazany tao Damasy. Rehefa tonga izy, dia nitsangana teo anatrehan'ny mpaminany sady nanao hoe: I Bena-Hadada, mpanoa anao sady mpanjakan'i Siria, no naniraka ahy hankaty aminao mba hanontany anao raha ho sitrana amin'izao aretina izao ihany izy.

10 Ka hoy ny navalin'i Elisa: Mandehana lazao izy fa ho sitrana marina tokoa! Kanefa ny TOMPO efa nanambara tamiko fa ho faty izy.

11 Dia nifantoka fijery sy ankona endrika ilay olon'Andriamanitra; avy eo izy vao nitomany.

12 Fa nanontany azy i Hazaela hoe: Nahoana ianao no mitomany, tompoko? Ka hoy ny navalin'i Elisa: Satria fantatro ny ratsy izay hataonao amin'ny Israelita: hodoranao ny tananamimandany; hovonoinao ho faty amin'ny sabatra ny tanorany, homontsaninao ny ankizikeliny, ary hotatahinao kibo ny vehivavy bevohoka eo aminy.

13 Dia hoy i Hazaela: Fa zinona moa ity tenako tsy manam-pahefana sady bitika ity no dia hahavita zavatra toy izany? Ary i Elisa namaly hoe: Efa nambaran'ny TOMPO tamiko fa ho mpanjakan'i Siria ianao.

14 Dia nandao an'i Elisa i Hazaela ka niverina tany amin'ny tompony izay nanontany azy hoe: Ahoana hoy i Elisa taminao? Hoy kosa ny navalin'i Hazaela: Nilaza tamiko izy fa ho sitrana tokoa ianao.

15 Nony ampitso anefa, dia naka bodofotsy anankiray i Hazaela; natsobony tao anaty rano izany ka nasarony ny tavan'i Bena-Hadada hanempotra azy. Dia maty ny mpanjaka, ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy.

16 Tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama zanakalahin'i Ahaba sady mpanjakan'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Jorama zanakalahin'i Josafata, na dia mbola mpanjakan'i Joda aza i Josafata. Feno 32 taona izy fony vao nanjaka,

17 ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema.

18 Ny toetran'ireo mpanjakan'i Israely no narahiny, dia tahaka ny fanaon'ny taranak'i Ahaba, satria nanambady ny zanakavavin'i Ahaba izy ka nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO.

19 Tsy nandringana an'i Joda anefa ny TOMPO noho ny amin'i Davida mpanompony, izay efa nampanantenainy fa ny taranany dia hanjaka mandrakizay ao Jerosalema.

20 Tamin'ny andron'i Jorama no nikomian'ny Edomita tamin'ny fahefana jodeanina ka nananganany mpanjaka ho azy.

21 Nankany Tsahira niaraka tamin'ny kalesiny rehetra manko i Jorama. Nony voahodidin'ny Edomita ny tenany mbamin'ireo komandin-kalesiny, dia voatery nitsoaka nanao latsaka alina tamin'ny Edomita; ary nandositra nankany an-dainy ny tafika jodeanina.

22 Hatreo dia nanohitra ny fahefana jodeanina ny Edomita mandraka androany. Tamin'izay fotoana izay koa no nikomian'ny tananan'i Libna.

23 Ny sisa amin'ny tantaran'i Jorama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.

24 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Jorama, dia nalevina tao amin'ny fasam-pianakaviany tao an-tananan'i Davida; ary i Ahazia zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

25 Tamin'ny taona faha-12 nanjakan'i Jorama zanakalahin'i Ahaba sady mpanjakan'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Ahazia zanakalahin'i Jorama.

26 Feno 22 taona i Ahazia fony vao nanjaka, ary herintaona ihany no nanjakany tany Jerosalema. Hatalia no anaran-dreniny izay vavimatoan'i Homry mpanjakan'i Israely.

27 Ny toetran'ireo taranak'i Ahaba no narahin'i Ahazia; ka nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO tahaka ny nataon'ireo izy sady vinanton'ny taranak'i Ahaba ihany.

28 Niara-dia tamin'i Jorama zanakalahin'i Ahaba izy mba hiady amin'i Hazaela mpanjakan'i Siria tany Ramota Gilehada kanjo naratran'ny Sirianina i Jorama.

29 Ary niverina tao Jizrehela i Jorama mpanjaka mba hotsaboina tamin'ny ratra nahavoa azy tany Ramota, fony izy niady tamin'i Hazaela mpanjakan'i Siria. Dia nankany Jizrehela i Ahazia, zanakalahin'i Jorama sady mpanjakan'i Joda, mba hamangy an'i Jorama zanakalahin'i Ahaba noho izy narary.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0548