2 Mpanjaka

Toko faha-21

1 Feno 12 taona i Manase fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 55 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hefitsiba. 2 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy fa naka tahaka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon'ireo firenena izay noroahin'ny TOMPO teo anoloan'ny Israelita.

3 Naorin'i Manase indray manko ny toeram-panasinana izay efa noravan'i Hezekia rainy; ka nanangana alitara ho an'i Bahala izy sady nanao tsatokazo fanajana an'i Asera tahaka izay nataon'i Ahaba mpanjakan'i Israely; dia niankohofany sy nanaovany fanompoam-pivavahana koa ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.

4 Ary nanorenany alitara hafa aza tao an-tranon'ny TOMPO, dia tao amin'ilay nolazain'ny TOMPO hoe: I Jerosalema no hampitoerako ny voninahitro.

5 Tao anatin'ny kianja roa amin'ny tranon'ny TOMPO tokoa no nanorenany alitara hafa ho fanajana ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.

6 Ary na ny zanany lahy aza dia natolony ho sorony dorana; ankoatra izany dia mbola nanandro sady nisikidy ary naka hevitra tamin'ny olona tsindrian-javatra sy mpanao fitokavana koa izy. Nahery nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy, ka nampahatezitra Azy.

7 Ny sarivongan'ny andriamani-bavy Asera, izay nampanamboariny, dia napetrany tao amin'ny tempoly izay efa nolazain'ny TOMPO tamin'i Davida sy i Salomona zanany hoe: Ato amin'ity tempoly ity sy eto Jerosalema izay tanana nofidiko tamin'ny foko israelita rehetra ity no hampitoerako mandrakizay ny voninahitro.

8 Koa tsy hampirenireny ny Israelita hiala amin'ny tany izay nomeko ny razany intsony Aho, raha imasoany hotanterahina ny didiko rehetra sy ny lalana manontolo izay nandidian'i Mosesy mpanompoko azy.

9 Kanefa tsy nihaino izany ny Jodeanina, fa vao mainka aza notaomin'i Manase hanao ratsy mihoatra noho ny hafa firenena izay naringan'ny TOMPO tsy ho eo anoloan'ny Israelita.

10 Koa ny TOMPO dia nampiteny an'ireo mpaminany mpanompony hoe:

11 Satria nahavita izao fanompoan-tsampy maharikoriko izao i Manase mpanjakan'i Joda ka nanao ratsy mihoatra noho ny nataon'ny Amorita teo alohany sady nampanota ny Jodeanina tamin'ny sampiny,

12 dia izao kosa no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Hitondra loza amin'i Jerosalema sy amin'ny Jodeanina Aho ka hampangintsina ny sofin'izay rehetra mandre izany.

13 Horavako tahaka ny nandravako an'i Samaria sy ny fianakavian'i Ahaba i Jerosalema. Hodioviko toy ny fanadio lovia izay faohina sy ahohoka i Jerosalema ka tsy hisy mponina intsony ao.

14 Ary hafoiko ny sisa tavela amin'ny vahoakako ka hatolotro amin'ny fahavalony rehetra mba hosamboriny sy hobaboiny,

15 satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin'ny andro nialan'ny razany tany Ejipta ka mandraka androany.

16 Marobe ny olona tsy manantsiny nampamonoin'i Manase ho faty ka nanerana an'i Jerosalema manontolo ny rany; izany moa dia ankoatra ny fahotana nitarihany an'ireo Jodeanina tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'ny TOMPO.

17 Ny sisa amin'ny tantaran'i Manase ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony ary ny fahotana vitany dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.

18 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Manase, dia nalevina tao an-jaridainan'ny lapa na koa Zaridainan'i Hoza; ary i Amona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

19 Feno 22 taona i Amona fony tonga mpanjaka; ary naharitra roa taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mesolemeta zanakavavin'i Harotsa avy any Jotva.

20 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO tahaka an'i Manase rainy i Amona.

21 Narahiny avokoa ny toetran-drainy fa nanompo ireo sampy izay notompoin-drainy izy sady niankohoka teo anatrehany.

22 Nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy fa tsy nanaraka ny sori-dalan'ny TOMPO.

23 Nikomy tamin'i Amona ireo manamboninahiny ka namono azy ho faty tao an-dapany.

24 Fa mba nataon'ny mponin'i Joda maty kosa izay rehetra nikomy tamin'ny mpanjaka; ka dia i Josia zanany lahy no voatendriny ho mpanjaka handimby azy.

25 Ny sisa amin'ny tantaran'i Amona ary koa ny zavatra hafa nataony dia voasoratra ao amin'ny Boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.

26 Dia nalevina tao amin'ny fasany tao an-jaridainan'i Hoza izy; ary i Josia zanany lahy no nanjaka handimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558