2 Mpanjaka

Toko faha-18

1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea zanakalahin'i Ela tamin'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Hezekia zanakalahin'i Ahaza.

2 Feno 25 taona izy fony vao nanjaka; ary naharitra 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Aby zanakavavin'i Zakaria.

3 Ary nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Hezekia tahaka izay rehetra nataon'i Davida razambeny.

4 Izy no nanafoana ny toeram-panasinana sy nanamontsana tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an'i Asera ary nanorotoro ny bibilava halimo izay nataon'i Mosesy; satria hatramin'io fotoana io no efa nandoroan'ny Israelita ditin-kazo manitra ho an'ilay bibilava nantsoina hoe Nehostana.

5 Fa ny TOMPO Andriamanitr'i Israely no nitokian'i Hezekia, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'ny mpanjakan'i Joda rehetra izay talohany sy izay nandimby azy.

6 Nifikitra tamin'ny TOMPO izy ka tsy mba niala taminy, fa nitandrina ny didy izay nomen'ny TOMPO an'i Mosesy.

7 Dia niaraka tamin'i Hezekia ny TOMPO, ka nampahomby izay rehetra nataony. Nikomy tamin'ny mpanjakan'i Asiria izy ka tsy nety hofeheziny intsony.

8 Nandresy ny Filistinina izy ka nanenjika azy hatrany amin'ny faritr'i Gaza; ary azony avokoa na ireo tilikambom-pitiliana na ireo tananamimanda.

9 Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Hezekia, izany hoe tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Hosea zanakalahin'i Ela tamin'i Israely, no nahatongavan'i Salmanesera mpanjakan'i Asiria hanao fahirano an' Samaria.

10 Azon'ny Asirianina ny tanana nony afaka telo taona, izany hoe tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Hezekia na tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Hosea.

11 Ary nentin'ny mpanjakan'i Asiria ho babo tany Asiria ny Israelita ka napetrany tao amin'i faritr'i Hala sy tao Gozana teo amoron'ny ony Habora ary tao amin'ireo tananan'i Media.

12 Tonga izany rehetra izany noho ny tsy nihainoan'ny Israelita ny feon'ny TOMPO Andriamaniny ary noho ny nivadihany tamin'ny fanekempihavanana; tsy nohenoiny sady tsy nampihariny manko ny didy rehetra izay nampitain'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO.

13 Tamin'ny taona faha-14 nanjakan'i Hezekia no nahatongavan'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria hanafika ny tananamimanda rehetra tao amin'ny fanjakan'i Joda ka nahazoany ireny.

14 Ary naniraka olona nankany amin'ny mpanjakan'i Asiria tany Lakisy i Hezekia mpanjakan'i Joda nanao hoe: Efa diso aho, miala amin'ny taniko, fa hozakaiko izay hampandoavinao ahy. Koa nampandoa volafotsy sivy taonina sy volamena sivinjato kilao an'i Hezekia ny mpanjakan'i Asiria.

15 Dia nomen'i Hezekia azy ny volafotsy rehetra tao an-tranon'ny TOMPO sy tao amin'ny rakitry ny lapan'ny mpanjaka.

16 Tamin'izany fotoana izany no nanendahan'i Hezekia ny takela-bolamena napetany tamin'ireo varavaran'ny tempolin'ny TOMPO sy tamin'ireo tolana; ary dia nomeny ny mpanjakan'i Asiria izany.

17 Ary ny mpanjakan'i Asiria izay tany Lakisy dia naniraka ny filohan-tafika sy ny lehiben'ireo manamboninahitra ary ny dekany notronin'ny miaramila marobe hankany amin'i Hezekia mpanjaka, any Jerosalema. Raha vao tonga tany Jerosalema ireto iraka, dia nijanona takaikin'ny lakan-drano mankany amin'ny dobo ambony, teo amin'ny lalana mankamin'ny sahan'ny Mpanasa lamba,

18 ka nangataka hiresaka amin'ny mpanjaka. Kanjo dia i Eliakima zanakalahin'i Hilkia sady mpiandraikitra ny lapa no niainga hitsena azy niaraka tamin'i Sebna mpitantsoratra sy i Joa zanakalahin'i Asafa sady mpitondratenin'ny mpanjaka.

19 Dia hoy ilay deka tamin'izy telo lahy: Ndeha lazaonareo amin'i Hezekia ny hafatry ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asiria, manao hoe: Mba inona izao itokianao izao?

20 Heverinao fa ho vitan'ny kobaka am-bava ny tetika sy herimpo hoenti-miady! Koa iza no itokianao no mba sahy mikomy amiko izato ianao?

21 I Ejipta ve? Io volotara vaky manindrona sy mandrobaka ny tanan'izay mitehina aminy io ve? Fa toy izany ny Farao mpanjakan'i Ejipta amin'izay rehetra matoky azy!

22 Angamba ianareo hamaly ahy fa ny TOMPO Andriamanitrareo no itokianareo. Kanefa dia ianao indrindra, ry Hezekia, no nanafoana ireo toeram-pisoronana aman'alitarany, ka nandidy ny mponin'i Joda sy i Jerosalema mba tsy hanao fanompoam-pivavahana afa-tsy eo anoloan'ny alitaran'i Jerosalema ihany.

23 Koa aoka hifanamby amin'ny andriamanjakan'i Asiria izay tompoiko ianao, fa homeko soavaly roa arivo raha manana olona afaka hitaingina ireo.

24 Fa hataonao ahoana no hampandositra ny komandy iray amin'ireo manamboninahitry ny tompoko ireo, na dia izay bitika indrindra aza, raha tahiny ka i Ejipta no itokianao hahazoana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?

25 Ary ankehitriny, moa hamely sy handrava ity tany ity ve ilay mpanjaka tompoiko, raha tsy sitraky ny TOMPO izany? Tsia, fa ny TOMPO mihitsy no nanome baiko azy hamely sy handrava ity tany ity.

26 Dia hoy i Eliakima sy i Sebna ary Joa tamin'ilay deka asirianina: Mba teny aramianina re atao aminay, satria azonay ihany izany; fa aza itenenana hebreo izahay noho ny amin'ireo olona eny ambony manda mihaino antsika.

27 Fa hoy ny navalin'ilay deka hoe: Moa ho an'ny tomponareo sy ho anareo ihany va no nanirahan'ny tompoko ahy hilaza izany teny izany, fa tsy ho an'ny olona mipetraka eny ambony manda koa? Fa ho voatery tahaka anareo izy atsy ho atsy hihinana ny dikiny sy hisotro ny fivalanan-dranony!

28 Dia nijaridina ilay deka ka nihiaka mafy tamin'ny teny hebreo hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asiria,

29 fa izao no lazainy: Aza mety hofitahin'i Hezekia ianareo, satria tsy afaka hamonjy anareo izy tsy akory.

30 Ary aza mety hotarihiny hitoky amin'ny TOMPO koa ianareo raha ilazany fa ny TOMPO no hamonjy anareo ka hisakana ahy tsy haka ity tanana ity.

31 Aza mihaino an'i Hezekia ianareo, fa izaho mpanjakan'i Asiria kosa miteny aminareo hoe: Manaova fanekempihavanana amiko ianareo ary samia mibaboka aty amiko; dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samy hisotro ny rano avy ao amin'ny lava-pantsakany avy.

32 Ho avy aho atsy ho atsy hitondra anareo ho any amin'ny tany tahaka ny anareo, dia tany be varimbazaha hanaova-mofo sy tany be voaloboka hanaovan-divay ary tanin'oliva tsara diloilo sy tantely. Dia ho velona ianareo amin'izany fa tsy ho faty. Koa aza mihaino an'i Hezekia fa atorony voho ianareo raha ilazany fa hamonjy anareo ny TOMPO!

33 Moa nisy nahavonjy ny taniny tsy hiharan'ny fahefako ve ireo andriamanitry ny firenen-kafay

34 Aiza ny andriamanitr'i Hamata sy i Arpaday Ary aiza koa ny andriamanitr'i Sefarvaima sy i Hena ary i Hivay Moa nahavonjy an'i Samaria tsy ho azoko ve ireo andriamaninyy

35 Tsy nisy tamin'ireny andriamanitra rehetra ireny, na dia iray aza, nahavonjy ny taniny tsy hiharan'ny fahefako; noho izany, ny TOMPO koa tsy hahavonjy an'i Jerosalema tsy hiharan'ny fahefako

36 Nangina ny vahoaka ary tsy nisy namaly na dia indraim-bava aza, satria efa nanome baiko ny mpanjaka hoe: Aza misy mamaly azy ianareo!

37 Ary rehefa nandriatra ny fitafiany i Eliakima mpiandraikitra ny lapa sy i Sebna mpitantsoratra ary i Joa zanakalahin'i Asafa sady mpitondratenin'ny mpanjaka, dia nankao amin'i Hezekia ka nitatitra taminy ny tenin'ilay deka asirianina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559