2 Mpanjaka
Toko faha-11
1 Rehefa hitan'i Hatalia renin'i Ahazia fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny taranak'andriana rehetra izy.2 Kanefa i Joseba zanakavavin'i Jorama mpanjaka sady anabavin'i Ahazia dia naka an'i Joasy zanakalahin'i Ahazia, ka namonjy azy mbamin'ny mpitaiza azy teo anivon'ireo rahalahiny efa novonoina, ary nitondra azy hankao an'efitrano fandriana ao amin'ny tempoly; nafenin'i Joseba an'i Hatalia i Joasy, ka dia tsy mba voavono ho faty.
3 Niery enin-taona tao an-tranon'ny TOMPO i Joasy mbamin'ny mpitaiza azy; ary i Hatalia no nanjaka teo amin'ny tany.
4 Tamin'ny taona fahafito dia nampiantso ireo kapiteny mpifehy ny Karianina sy ny miaramila mpiambina hafa i Joiada ka nitarika azy nankao an-tranon'ny TOMPO; dia nanaovany fifanekena ireo sady nampianianiny tao an-tranon'ny TOMPO, ka nasehony azy ilay zanakalahin'ny mpanjaka.
5 Ary ireo kapiteny ireo dia nomen'i Joiada baiko hoe: Izao no hataonareo: ny antokony iray aminareo dia mandray asa amin'ny sabata; ka ny andiany voalohany amin'io dia miambina ny lapan'ny mpanjaka;
6 ny andiany faharoa dia miambina eo am-bavahadin'i Sora; ary ny andiany fahatelo dia miambina eo am-bavahady ivohon'ny mpiambina. Ianareo andiany telo ireo no hifandimby miambina ny lapa.
7 Ny antoko anankiroa izay tsy mandray asa amin'ny sabata kosa dia hiambina ny tranon'ny TOMPO izay misy ny mpanjaka.
8 Ny miaramila rehetra dia hitam-piadiana avokoa ka hanemitra ny mpanjaka ary hanaraka azy na aiza na aiza alehany. Izay mikasa hanatona ny laharanareo dia hatao maty.
9 Araka izay baiko rehetra nomen'i Joiada mpisorona no nataon'ireo kapiteny; ka ny tompon'andraikitra tsirairay dia samy namory ny miaramilany avy, na izay niala tamin'ny andro sabata, ary dia nankany amin'i Joiada mpisorona izy rehetra.
10 Nomen'i Joiada an'ireo kapiteny y lefona aman'ampingan'i Davida mpanjaka izay natoby tao an-tranon'ny TOMPO.
11 Dia nanao jery atrika sy nitam-piadiana ny miaramila hatreo amin'ny zoro atsimo atsinanan'ny tempoly ka hatrany amin'ny zoro avaratra atsinanana, dia teo anoloan'ny vatan-trano sy ny alitara, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka.
12 Tamin'izay dia navoakan'i Joiada i Joasy zanakalahin'i Ahazia, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny raki-tsoratra momba ny zo aman'andraikitry ny mpanjaka; ary nohosorany menaka izy hanokanana azy ho mpanjaka, koa dia nitehaka ny olona sy niantsoantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
13 Nony ren'i Hatalia ny kotaban'ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao an-tranon'ny TOMPO izy.
14 Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana araka ny fanao tambonin'ny lampihazo; ary ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany. Nifaly ny vahoaka rehetra ary nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika; fa i Hatalia kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: Fikomiana! Fikomiana!
15 I Joiada mpisorona moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an'i Hatalia ao an-tranon'ny TOMPO, ka dia nomeny baiko ny kapiteny mpifehy miaramila ary nilazany hoe: Avoahy any ivelany any i Hatalia ka ampandalovy eny anelanelan'ny laharanareo; ary izay manaraka azy dia vonoy ho faty amin'ny sabatra.
16 Dia nosamborin'ireo i Hatalia ka notaritaritiny ho any an-dapan'ny mpanjaka; ary rehefa tafapaka ny fidirana teo amin'ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy, dia novonoina ho faty teo.
17 Nampanaovin'i Joiada fanekempihavanana tamin'ny TOMPO ny mpanjaka sy ny olona teo mba ho vahoakan'ny TOMPO izy rehetra; ary dia nasainy nanao fifanekena koa ny mpanjaka sy ny olona.
18 Avy eo dia niditra tao an-tempolin'i Bahala ny besinimaro ka nandrava azy: nomontsaniny tanteraka ireo alitara sy ireo sarivongan-tsampy, ary novonoiny ho faty teo anoloan'ny alitara i Matana mpisoron'i Bahala. Tamin'izay koa no voatendrin'i Joiada mpisorona ireo olona hitandrina ny tranon'ny TOMPO.
19 Dia novorin'i Joiada ny kapiteny sy ny Karianina ary ny miaramila mpiambina hafa mbamin'ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon'ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahadin'ny mpiambina no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin'ny sezafiandrianana maha mpanjaka azy i Joasy,
20 dia nifaly ny vahoaka rehetra. Ary nandry feizay ny tanana, satria efa matin-tsabatra tao an-dapan'ny mpanjaka i Hatalia.