2 Mpanjaka
Toko faha-20
1 Tamin'izany andro izany dia narary efa ho faty i Hezekia. Tonga nitsidika azy i Isaia mpaminany zanakalahin'i Amotsa ary nilaza taminy ny tenin'ny TOMPO hoe: Ataovy ny farahafatrao amin'ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.2 Dia nitodika tany amin'ny rindrina i Hezekia ka nivavaka tamin'ny TOMPO
3 ary nanao hoe TOMPO o, tsarovy fa nitondra tena tamim-pahamarinana sy tamim-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao. Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekia.
4 Fa raha mbola tsy tonga teo amin'ny kianja anatin'ny lapa i Isaia, dia nisy tenin'ny TOMPO taminy nandidy azy
5 hiverina ka hilaza amin'i Hezekia filohan'ny vahoakan'Andriamanitra hoe: Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao. Koa hositraniko ianao, ary raha afakampitso ihany dia hiakatra ao an-tranoko ianao.
6 Hampiako 15 taona ny andro hiainanao; ary ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako amin'ny vahohon'ny mpanjakan'i Asiria. Eny, ity tanana ity dia harovako noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko.
7 Ary nampaka ampempan'aviavy i Isaia mba hapetaka eo amin'ny vay ka hahasitrana ny mpanjaka.
8 Dia hoy i Hezekia taminy: Inona no famantarana fa hositranin'ny TOMPO aho ka afaka hiakatra any an-tranony raha afakampitsoy
9 Ka novaliany hoe: Izao no famantarana omen'ny TOMPO anao mba hahalalanao fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy: Hikisaka ambaratonga folo ny aloka eo amin'ny tohatr'i Ahaza; koa handroso sa hihemotra no tianao hikisahany?
10 Ary i Hezekia namaly hoe: Mora amin'ny aloka ny handrosoany ambaratonga folo, fa aoka izy hihemotra ambaratonga folo.
11 Dia nivavaka tamin'ny TOMPO i Isaia mpaminany ka nahemony ambaratonga folo ny aloka teo amin'ny tohatr'i Ahaza.
12 Tamin'izany fotoana izany i Merodaky-Baladana zanakalahin'i Baladana sady mpanjakan'i Babilona no nandre fa narary i Hezekia; koa dia nandefa masoivoho mba hitondra taratasy sy fanomezana ho azy izy.
13 Faly i Hezekia tamin'ny fahatongavan'ireto iraka; dia nasehony azy avokoa ny trano fitahirizany zava-tsarobidy, dia volafotsy sy volamena ary zava-manitra sy menaka mamerovero; nasehony azy koa ny trano fitobian'ny fitaovam-piadiana rehetra mbamin'ny zavatra hafa isan-karazany tao amin'ny fitoeran-drakiny. Tsy nisy zavatra nafeniny azy na ny tao an-dapany na ny tao amin'ny fanjakany manontolo. 14 Taorian'izany dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka i Isaia mpaminany ka nanontany azy hoe: Inona no nolazain'ireny olona nankaty aminao ireny? Ary mba avy taiza moa izy ireo? Dia novalian'i Hezekia hoe: Avy any Babilona lavitra any izy no nankaty amiko.
15 Ka hoy indray i Isaia: Inona avy anefa no hitany tato an-dapanao? Dia hoy ny navalin'i Hezekia: Izay rehetra ato an-dapako dia hitany avokoa. Tsy nisy zavatra nafeniko azy ny tao amin'ny fitoeran-drakitro.
16 Ary hoy i Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ary ny tenin'ny TOMPO:
17 Indro ho avy ny andro hitondrana any Babilona izay rehetra ao an-dapanao sy izay rehetra nangonin'ny razanao ka voatahiry mandraka androany. Tsy hisy tavela eto na inona na inona, hoy Izaho TOMPO.
18 Ary na dia ny sasany amin'ireo taranakao aza hoentina any koa ho mpanompo hanao raharaha ao an-dapan'ny mpanjakan'i Babilona.
19 Dia hoy i Hezekia tamin'i Isaia: Tsara ny tenin'ny TOMPO izay nambaranao ahy. Fa hoy izy manko anakampo hoe: Raha velona koa ny aiko, dia hanjaka ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.
20 Ny sisa amin'ny tantaran'i Hezekia ary koa ny herimpo isan-karazany nasehony mbamin'ny nanaovany ny dobo sy ny lakan-drano hitarika rano hankao an-tanana, dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.
21 Ary rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia i Manase zanany lahy no nanjaka nandimby azy.