2 Mpanjaka

Toko faha-7

1 Dia hoy ny navalin'i Elisa: Izao no lazain'ny TOMPO, koa henoinareo: Rahampitso toy izao dia samy ho sekela iray ihany no vidin'ny lafarinina 12 kilao na ny vary orza 24 kilao eny an-tsena eo am-bavahadin'i Samaria.

2 Fa ny deka, izay nianteheran'ny mpanjakan'i Israely, dia niteny tamin'ilay olon'Andriamanitra ka nanao hoe: Na dia handavaka ny lanitra aza ny TOMPO, mba ho tanteraka ve izay voalazanao teo? Ary hoy i Elisa: Ho hitanao maso izany, saingy tsy mba hihinananao.

3 Nisy marary hoditra efa-dahy teo ivelan'ny tanana, akaikin'ny vavahady, ka nifampiresaka hoe: Inona no ijanonantsika hiandry fahafatesana eto?

4 Raha tapa-kevitra hankao an-tanana isika, dia ho faty satria misy mosary ao; kanefa raha hijanona eto isika, dia ho faty ihany koa! Koa andeha isika hankany amin'ny tobin'ny Sirianina hitolo-batana aminy. Raha avelany ho velona aina isika, dia ho velona; fa raha vonoiny ho faty isika, dia tsy maintsy ho faty!

5 Dia nankany amin'ny tobin'ny Sirianina izy efa-dahy, rehefa hariva ny andro; ary namakivaky azy hatrany amin'ny sisiny farany indrindra ireo, fa tsy nisy olona akory teo.

6 Ny tobin'ny Sirianina manko efa nampandrenesan'ny Tompo firohondrohon-kalesy sy firiotran-tsoavaly ary firodorodon-tafika goavana. Dia nifampiresaka ny Sirianina nanao hoe: Efa nokaramain'ny mpanjakan'i Israely ireo mpanjaka hetita sy ejiptianina mba hiady amintsika!

7 Vao nisomambisamby ny andro, dia lasa nandositra nanavo-tena izy ka nilaozany fotsiny teo ny tobiny ary navelany avokoa ny lay sy ny soavaly amam-boriky.

8 Tonga teo an-tsisiny farany indrindra amin'ny toby ary ireto marary hoditra efa-dahy. Dia niditra ny lay anankiray izy ka nihinana sy nisotro tamin'izay sakafo tao, avy eo naka volafotsy sy volamena ary fitafiana izy ka lasa nanafina izany; dia niditra ny lay anankiray hafa indray izy, ary naka zavatra isan-karazany ka lasa nanafina izany koa.

9 Fa nifampiresaka ireo marary hoditra efa-dahy nanao hoe: Tsy tsara izao zavatra ataontsika izao. Androm-baovao mahafaly anio. Koa raha tanantsika ho antsika samirery izany ka iandrasantsika ny fahazavan'ny andro, dia hofaizin'Andriamanitra tokoa isika. Fa andeha isika hankao an-tanana ary hampilaza izany vaovao izany ao an-dapan'ny mpanjaka.

10 Dia niverina tany an-tanana izy ka niantso ny mpiambina vavahady sady nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin'ny Sirianina izahay; fa tsy misy olona intsony ao sady tsy nandrenesana feon'olona akory. Tsy nisy afa-tsy soavaly sy boriky mifatotra ary lay nilaozana fotsiny.

11 Dia niantso olona ny mpiambina hampita izany hafatra izany any an-dapan'ny mpanjaka.

12 Nifoha mbola alina ny mpanjaka ka niteny tamin'ny minisitra hoe: Hampahafantariko anareo izay kotrehin'ny Sirianina amintsika. Fantany fa mosarena isika, ka izany no nandaozany ny tobiny sy niafenany any an-tsaha ary iandrasany izay hivoahantsika ny tanana mba hanaovany sambo-belona antsika, dia hidirany amin'izay ny tanana.

13 Fa namaly ny minisitra iray ka nanao hoe: Aoka hakana dimy amin'ireo soavaly sisa tavela ato an-tanana; fa efa tandindomim-paharinganana tahaka ny Israelita rehetra monina ato ireo; koa aoka hisy olona halefantsika hitaingina ireo ka hijery izay miseho any.

14 Dia nalain'ny mpanjaka ireo soavaly sahaza kalesy roa; ary nisy miaramila mpisafo nirahiny hanara-dia ny tafika sirianina mba hijery izay miseho any.

15 Koa nanaraka ny diany hatrany Jordana ny mpisafo, ary indreny hitany manerana ny arabe ny fitafiana sy fitaovana maro izay narian'ny Sirianina noho izy dodona handositra. Dia niverina nampandre ny mpanjaka ireto iraka.

16 Ary nivoaka ny tanana ireo mponin'i Samaria ka nandroba ny tobin'ny Sirianina. Koa araka ny efa nambaran'ny TOMPO, ny vidin'ny lafarinina 12 kilao na ny vary orza 24 kilao dia samy sekela iray ihany.

17 Nasain'ny mpanjaka hanara-maso ny tsena eo am-bavahady ny deka izay nianteherany; nefa dia voahitsakin'ny olona teo izy ka maty araka ny efa nambaran'i Elisa mpaminany, raha nidina tany aminy ny mpanjaka.

18 Tanteraka araka izany izay nolazain'ilay olon'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: Rahampitso toy izao eny an-tsena eo am-bavahadin'i Samaria, dia samy ho sekela iray ihany no vidin'ny vary orza 24 kilao na ny lafarinina 12 kilao.

19 Fa hoy ny navalin'ilay dekan'ny mpanjaka tamin'izay: Na dia handavaka ny lanitra aza ny TOMPO, mba ho tanteraka ve izay voalazanao teo? Ary hoy i Elisa: Ho hitanao maso izany, saingy tsy mba hihinananao.

20 Dia tanteraka tamin'ilay deka tokoa izany, fa voahosin'ny olona niantsena teo am-bavahadin'ny tanana izy ka maty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0733