2 Mpanjaka

Toko faha-13

1 Tamin'ny faha-23 taona nanjakan'i Joasy zanakalahin'i Ahazia mpanjakan'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely tany Samaria i Joahaza zanakalahin'i Jeho; ary naharitra 17 taona no nanjakany.

2 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy, satria nanahaka ny fahotana izay nitarihan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata ireo Israelita.

3 Koa dia tezitra tamin'ny Israelita ny TOMPO, ka natolony an'i Hazaela mpanjakan'i Siria sy an'i Beny-Hadada zanany izy nandritra ny fotoana ela.

4 Nifona tamin'ny TOMPO anefa i Joahaza, dia nihaino azy IZY satria hitany ny fampahorian'ny mpanjakan'i Siria an'i Israely;

5 ary ny TOMPO kosa nanome mpamonjy izay hanafaka ny Israelita amin'ny fifehezan'ny Sirianina. Dia nandry feizay toy ny teo aloha ny Israelita.

6 Saingy tsy nialany fa nizorany hatrany ny fahotana izay nitarihan'i Jerobohama mianakavy ireo Israelita; ary na dia ilay tsatokazo fanajana an'i Asera aza dia mbola nijoro tao Samaria ihany.

7 Tamin'ny farany ny tafik'i Joahaza dia tsy nisy afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimampolo sy kalesy folo ary miaramila mpandeha an-tongotra antokony folo; fa maro taminy no efa naringan'ny mpanjakan'i Siria sy nataony ho toy ny vovoka hohitsahin'ny olona.

8 Ny sisa amin'ny tantaran'i Joahaza ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.

9 Rehefa maty i Joahaza, dia nalevina tao Samaria; ary i Joasy zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

10 Tamin'ny faha-37 taona nanjakan'i Joahaza mpanjakan'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely tao Samaria i Joasy zanakalahin'i Joahaza; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao.

11 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy, satria tsy nialany fa nizorany hatrany ny fahotana rehetra izay nitarihan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata ireo Israelita.

12 Ny sisa amin'ny tantaran'i Joasy ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony, fony izy niady tamin'i Amatsia mpanjakan'i Joda, dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.

13 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia nalevina tao Samaria, tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'i Israely; ary i Jerobohama no nitoetra teo amin'ny sezafiandrianan'i Joasy.

14 Raha voan'ny aretina hahafaty azy i Elisa, dia lasa hamangy azy i Joasy mpanjakan'i Israely ary nihohoka teo ambony tavan'i Elisa izy ka sady nitomany no nanao hoe: Ry dada o! Ry dada o! Mahery mihoatra noho ny kalesin'i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra ianao! 15 Ary hoy i Elisa taminy: Maka tsipika iray sy zana-tsipika maro ianao. Dia nampaka ireo ny mpanjaka.

16 Fa hoy indray i Elisa hoe: Vohay ny varavarankely atsinanana. Dia novohan'ny mpanjaka izany. Ary hoy koa ny mpaminany hoe: Raiso dia henjano ny tsipikanao. Dia nohenjanin'ny mpanjaka ny tsipika; napetrak'i Elisa teo amin'ny tanan'ny mpanjaka ny tanany ary nobaikoiny izy mba hitifitra. Rehefa nitifitra ny mpanjaka, dia nilazan'ny mpaminany hoe: Zana-tsipika manambara ny fandresena omen'ny TOMPO iny, dia fandresena ny tafika sirianina. Eny, hamely ny Sirianina ao Afeka ianao mandra-paharingany.

18 Dia hoy i Elisa tamin'i Joasy: Raiso indray ny zana-tsipika hafa. Dia noraisin'ny mpanjaka ireo. Ary hoy ny mpaminany taminy: Kapohy ny tany Ary nokapohin'ny mpanjaka intelo ny tany, dia nijanona izy.

19 Tezitra taminy anefa ilay olon'Andriamanitra ka nanao hoe: Raha mba nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nahavoa ny Sirianina mandra-paharingany; ankehitriny anefa dia intelo ihany no hahafahanao mamely azy.

20 Ary maty i Elisa ka nalevina. Isan-taona dia tonga mamakivaky ny tanin'i Israely ny tontakely moabita.

21 Indray andro, dia nisy olona nandevina fatin-dehilahy ka sendra nahatazana tampoka andiany iray tamin'ireo tontakely. Ary nanipy faingana ny faty tao am-pasan'i Elisa ny mpandevina, dia lasa nandositra. Saingy vao nahakasika ny taolan'i Elisa io faty io, dia velona indray ary nitsangana.

22 Nandritra ny andro rehetra nanjakan'i Joahaza, dia nampahory ny Israelita i Hazaela mpanjakan'i Siria.

23 Nefa niantra azy ihany ny TOMPO sady namindrafo taminy noho ny fanekempihavanana nataony tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba; ka tsy ta handringana azy Izy ary tsy mbola nandroaka azy ho voasesitany lavitra ny fanatrehany.

24 Nony maty i Hazaela mpanjakan'i Siria, dia i Bena-Hadada zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

25 Tamin'izay dia norombahin'i Joasy zanakalahin'i Joahaza teo an-tanan'i Bena-Hadada zanakalahin'i Hazaela indray ny tanana izay efa nalain'i Hazaela teo an-tanan'i Joahaza rain'i Joasy. Intelo no nandresen'i Joasy an'i Bena-Hadada, ka dia azony indray ny tananan'i Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0566