2 Mpanjaka
Toko faha-22
1 Feno valo taona i Josia fony tonga mpanjaka ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jedida zanakavavin'i Hadaia avy any Botsekata.2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Josia; ka narahiny avokoa ny toetran'i Davida razambeny fa tsy mba nivily hiala tamin'izany izy.
3 Tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Josia mpanjaka no nanirahany an'i Safana mpitantsoratra zanakalahin'i Atsalia ary zafikelin'i Mesolama ho any an-tranon'ny TOMPO sady nilazany hoe:
4 Mankanesa any amin'i Hilkia mpisorombe, ka asaivo angoniny ny vola izay naterin'ny olona tao an-tranon'ny TOMPO na noraisin'ny mpiandry varavarana taminy.
5 Aoka hatolotra ny mpandraharaha voatendry hanamboatra ny tranon'ny TOMPO izany vola izany mba hanomezany ny karaman'ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ireo mpiasa hafa, ary koa hividianany hazo sy vato voapaika ilaina amin'izany fanamboarana ny simba izany.
7 Kanefa aza ampamoahina ny amin'ny vola natolotra azy izy, satria mahatoky amin'ny asany.
8 Rehefa voarain'i Hilkia mpisorombe izany hafatra izany, dia nanambara tamin'i Safana mpitantsoratra koa izy ny nahitany ny Bokin'ny Lalana tao an-tranon'ny TOMPO; ary natolony azy ny boky ka novakiny.
9 Avy eo dia niverina nanao tatitra tamin'ny mpanjaka i Safana nilaza hoe: Efa nangonin'ireo mpisorona ny vola azo tao an-tempoly ary natolony ny mpandraharaha voatendry hanao ny fanamboarana.
10 Dia nilazan'i Safana koa ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorombe ahy ity! Ary novakiny teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
11 Nony ren'i Josia mpanjaka ny teny tao amin'ilay Bokin'ny Lalana, dia nandriatra fitafiana izy.
12 Ary nomeny baiko i Hilkia mpisorombe sy i Ahikama zanakalahin'i Safana mbamin'i Hakbora zanakalahin'i Mikaia mbamin'i Safana mpitantsoratra sy i Hasaia mpandraharahany ka nilazany hoe:
13 Ndeha anontanio ny TOMPO ho ahy sy ho an'ny vahoaka manerana an'i Joda manontolo ny amin'ny teny raketin'ity boky vao hita ity. Ireo razantsika manko tsy nihaino ny tenin'ity boky ity sady tsy nanao araka izay rehetra voasoratra ao anatiny, hany ka hirehitra mafy amintsika ny fahatezeran'ny TOMPO.
14 Dia lasa nankany amin'i Holda mpaminanivavy i Hilkia mpisorona sy i Ahikama mbamin'i Hakbora sy i Safana ary i Hasaia. I Holda, izay nonina tao Antanambaon'i Jerosalema, dia vadin'i Saloma zanakalahin'i Tikva sy zafikelin'i Harahasa sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkia,.
15 dia nasainy miteny amin'ny mpaniraka hoe:
16 Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: ?Indro Aho hahatonga loza amin'ity tanana ity sy ny mponiny, dia araka izay rehetra voalaza ao anatin'ilay boky novakin'ny mpanjakan'i Joda.
17 Efa nandao Ahy manko ny mponin'i Jerosalema sady efa nampanetona srona ho an'ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin'ny sampy rehetra nataon'ny tanany. Izany no nirehetan'ny fahatezerako tamin'ity tanana ity, ka tsy mbola itoniany.
18 Fa ny mpanjakan'i Joda, izay naniraka anareo hanatona Ahy TOMPO, dia anambarao fa Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia milaza izao: Ny amin'ny teny izay efa renao,
19 dia nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehako, rehefa nihaino izay voalazako momba ny hanjo ity tanana ity sy ny mponiny, dia ny hanaovana azy ho lao sy ho oha-panozonana; eny, nandriatra fitafiana ianao sady nitomany teo anatrehako, ka dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
20 Indro hangoniko any amin'ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombam-piadanana, ka tsy hahita maso ny loza rehetra hamelezako an'i Jerosalema.' Dia nitondra izany valinteny izany ho an'ny mpanjaka i Hilkia sy ireo namany.