2 Mpanjaka
Toko faha-17
1 Tamin'ny taona faha-12 nanjakan'i Ahaza tamin'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely tao Samaria i Hosea zanakalahin'i Ela; ary naharitra sivy taona no nanjakany tao.2 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy nefa tsy dia tahaka ny nataon'ireo mpanjakan'i Israely talohany.
3 Tonga nanafika azy i Salmanesera mpanjakan'i Asiria, koa dia nanaiky handoa hetra ho azy i Hosea.
4 Tato aoriana anefa dia nikomy taminy i Hosea, satria sady nandefa iraka tany amin'ny mpanjakan'i Ejipta tany Saisa izy no tsy nety nandoa ny hetrany isan-taona ho an'ny mpanjakan'i Asiria intsony. Koa rehefa hitan'i Salmanesera izany fikomiana izany, dia nasainy nosamborina sy nogadraina i Hosea.
5 Dia nidirany an-kery ny tany ary nataony fahirano i Samaria nandritra ny telo taona.
6 Tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Hosea no nahazoan'ny mpanjakan'i Asiria an'i Samaria; ka dia nataony sesitany tany Asiria ny Israelita tavaratra ary namponeniny tao Hala sy tao Gozana teo amoron'ny ony Habora ary teny amin'ny tananan'i Media.
7 Tonga izany rehetra izany noho ny nanotan'ny Israelita tavaratra tamin'ny TOMPO Andriamaniny Izay nanafaka azy teo ambany fifehezan'ny Farao mpanjakan'i Ejipta sy nitondra azy niala tao amin'io tany io. Fa nanompo andriamani-kafa ireo
8 ka nanaraka ny fanaon'ny hafa firenena izay efa noroahin'ny TOMPO tsy ho eo anoloan'ny Israelita ary koa nanaraka ny fomba noforonin'ireo mpanjakan'i Israely.
9 Niteny ratsy ny TOMPO Andriamaniny izy ka nanorina toeram-panasinana teny an-tananany rehetra teny, manomboka amin'ny tilikambom-piambenana ka hatrany amin'ny tananamimanda.
10 Nananganany tsangambaton-tsampy sy tsatokazo fanajana an'i Asera teny an-tampon-kavoana nisy hazo midoroboka maitso rehetra teny;
11 dia nandoro sorona hanetona teny amin'ny toeram-panasinana rehetra koa izy tahaka ny nataon'ireo hafa firenena izay noroahin'ny TOMPO tsy ho eo anoloany. Nahavita zava-dratsy tokoa ny Israelita, hany ka nampahatezitra ny TOMPO:
12 nanompo sampy izy na dia efa noraran'ny TOMPO tsy hanao izany aza.
13 Nampitandrina ny vahoakan'i Israely sy i Joda tamin'ny alalan'ny mpaminany sy mpahita rehetra ny TOMPO nanao hoe: Ialao ny toe-dratsinareo ka tandremo ny didy sy baiko nataoko araka ny lalana manontolo izay nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ireo mpaminany mpanompoko ho anareo.
14 Nefa tsy nihaino izany izy roa tonta fa nanamafy hatoka tahaka ireo razany izay tsy nino ny TOMPO Andriamaniny.
15 Nolaviny ny lalanan'Andriamanitra sy ny fanekempihavanana izay nataony tamin'ny razany ary ny fampitandremana nananarany azy. Nanenjika zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa; ary nanaraka ny hafa firenena manodidina azy sady efa nandraran'ny TOMPO azy tsy hotahafina.
16 Nafoiny avokoa ny didin'ny TOMPO Andriamaniny, ka nanao sarivongan'ombilahikely anankiroa izy sy nanangana tsatokazo fanajana an'i Asera ary niankohoka teo anatrehan'ny planeta aman-kintana sady nanompo an'i Bahala.
17 Nanolotra ny zanany lahy sy vavy ho sorona dorana izy, sady nanao majika sy sikidy, ary nivarilavo nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO, ka nampahatezitra Azy.
18 Dia vinitra tamin'ny Israelita ny TOMPO ka nanaisotra azy tsy ho hitan'ny masony. Ny fokon'i Joda ihany no sisa tafajanona.
19 Na dia i Joda koa aza tsy nitandrina ny didin'ny TOMPO Andriamaniny, fa nanaraka ny fomba najoron'ny Israelita tavaratra.
20 Izany no nandavan'ny TOMPO ny taranak'i Israely rehetra ka nampahoriny azy sy nanolorany azy ho eo an-tanan'ny mpandroba ary farany hanesorany azy ho lavitra ny fanatrehany.
21 Rehefa nendahan'ny TOMPO tamin'ny fianakavian'i Davida i Israely, dia natsangany ho mpanjaka i Jerobohama zanakalahin'i Nebata izay nampiala an'i Israely avaratra tamin'ny TOMPO sy nitarika azy tamin'ny fahotana lehibe.
22 Ary nizoran'ny Israelita hatrany fa tsy nialany akory ny fahotana rehetra izay nataon'i Jerobohama.
23 Farany dia nesorin'ny TOMPO ho lavitra ny fanatrehany mihitsy ireo, araka ny nambarany tamin'ny alalan'ny mpaminany rehetra mpanompony; ka voababo lavitry ny taniny tokoa izy ho any Asiria izay mbola misy azy mandraka ankehitriny.
24 Fa nitondra olona avy tany Babilona sy Kota na avy tany Hava sy Hamata ary Sefarvaima ny mpanjakan'i Asiria mba hapetrany amin'ireo tananan'i Samaria hisolo ny Israelita izay voasesitany; ireo no nahazo ny faritr'i Samaria ho fananany ka nitoetra tamin'ny tananany.
25 Raha vao nanomboka nipetraka tamin'ireny toerana ireny izy, dia tsy nanaja ny TOMPO ka nandefasany liona izay nahafaty maro taminy.
26 Dia nilazana ny mpanjakan'i Asiria hoe: Ny olona izay nafindranao sy nampitoerinao teny amin'ny tananan'i Samaria dia tsy mahalala izay fomba fanao amin'ny Andriamanitry ny tany any ka dia nandefasany liona izay nahafaty maro taminy.
27 Koa nanome baiko ny mpanjakan'i Asiria nanao hoe: Maniraha mpisorona iray amin'ireo nataonareo sesitany mba handeha honina any, ka hampianatra azy ny fomba fanompoana ny Andriamanitry ny tany any.
28 Izany no nahatonga ny mpisorona voasesitany iray avy tany Samaria honina tao Betela ka nampianatra ny mponina ny fomba fanajana ny TOMPO.
29 Kanefa mbola samy nanao sarivongan'ny andriamaniny avy ny isam-pirenena ka nametraka izany tao amin'ireo tranon'ny toeram-panasinana, trano izay namboarin'ny mponina taloha tany Samaria; eny, samy nanao izany avokoa ny isam-pirenena tao amin'ny tanana nitoerany:
30 ny olona avy any Babilona dia nanao sarivongan'i Sokota-Benota; ny avy any Kota nanao sarivongan'i Nergala; ny avy any Hamata nanao sarivongan'i Asima;
31 ny Havita nanao sarivongan'i Nibihaza sy i Tartaka; ny olona avy any Sefarvaima aza nanolotra ny zanany ho sorona dorana tamin'i Adrameleka sy Hanameleka andriamaniny.
32 Nanaja ny TOMPO koa izy rehetra ka nanendry olona avy tamin'ny sarambabem-bahoaka ihany ho mpisorona amin'ireny tranon'ny toeram-panasinana ireny ary hitarika ny fombam-pivavahana amin'ny anaran'ny vahoaka.
33 Koa sady nanaja ny TOMPO izy no mbola nanompo ny andriamaniny avy ihany koa araka ny fomba fanaon'ny firenena niaviany avy.
34 Ny taranak'ireo vahiny ireo dia mbola manarakaraka izany fomba tranainy izany mandraka androany, fa tsy tena manaja marina ny TOMPO. Samy tsy tena arahiny na ny fomban-drazany, na ny lalana sy ny didy izay nandidian'ny TOMPO ny taranak'i Jakoba, dia ilay Jakoba nomeny anarana hoe Israely.
35 Rehefa nanao fanekempihavanana taminy manko ny TOMPO, dia nanome azy izao didy izao hoe: Aza manaja ny andriamani-kafa; aza miankohoka aminy ary aza manompo azy na manao sorona aminy.
36 Fa ny TOMPO Izay nitondra anao niala tany Ejipta tamin-kery lehibe sy tamim-pahefana tsy hay tohaina no hany hohajainareo sy hiankohofanareo ary hanoloranareo sorona.
37 Ary aoka hotandremanareo isan'andro ny didy sy ny lalana ary ny didy izay nosoratany ho anareo; aza manaja ny andriamani-kafa.
38 Aza hadinoina ny fanekempihavanana nataoko taminareo ary aza manaja ny andriamani-kafa.
39 Izaho TOMPO Andriamanitrareo no aoka hohajainareo, fa Izaho ihany no mahavonjy anareo amin'ny fahavalonareo rehetra.
40 Nefa ireo olona ireo tsy nety nihaino fa mbola nanohy ny fomba fanao taloha ihany.
41 Tetsy andaniny dia mba nanaja ny TOMPO ihany izy, fa tetsy ankilany kosa dia nanompo ny sampiny izy hatramin'ny zanaka aman-jafiny mandraka ankehitriny.