2 Mpanjaka
Toko faha-15
1 Tamin'ny taona faha-27 nanjakan'i Jerobohama tamin'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Hazaria zanakalahin'i Amatsia;2 feno 16 taona izy fony vao nanjaka, ary naharitra 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jekolia izay avy ao Jerosalema ihany.
3 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Hazaria, tahaka izay rehetra nataon'i Amatsia rainy;
4 nefa tsy mba nofoanany ny toeram-panasinana, ka mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona.
5 Namely ny mpanjaka tamin'ny aretina ny TOMPO; ka tonga boka mandra-pahafatiny izy ary voatery nitoka-monina tao amin'ny trano anankiray. Ka dia i Jotama, zanany lahy sady efa mpifehy ny tao an-dapa no nitondra ny tany sy ny fanjakana.
6 Ny sisa amin'ny tantaran'i Hazaria ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.
7 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Hazaria, dia nalevina tao amin'ny fasam-pianakaviany tao an-Tananan'i Davida; ary i Jotama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
8 Tamin'ny taona faha-38 nanjakan'i Hazaria tamin'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely tao Samaria i Zakaria zanakalahin'i Jerobohama; ary enim-bolana ihany no nanjakany tao.
9 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO tahaka ny nataon'ireo razany izy, satria tsy nialany ny fahotana izay nitarihan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata ireo Israelita.
10 Fa nikomy taminy kosa i Saloma zanakalahin'i Jabesa ka nahafaty azy tao Jiblehama ary nanjaka nandimby azy.
11 Ny sisa amin'ny tantaran'i Zakaria dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.
12 Izany ilay nolazain'ny TOMPO tamin'i Jeho hoe: Hitoetra eo amin'ny sezafiandrianan'i Israely hatramin'ny taranaka fahefatra ny taranakao, ka dia tanteraka.
13 Tamin'ny taona faha-39 nanjakan'i Hazaria tamin'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely i Saloma zanakalahin'i Jabesa; ary iray volana ihany no nanjakany tao Samaria.
14 Fa tonga tao Samaria avy any Tiritsa kosa i Menahema zanakalahin'i Gady ka nahafaty an'i Saloma tao, ary dia nandrombaka ny fahefana.
15 Ny sisa amin'ny tantaran'i Saloma ary koa ny fiokoany nanohitra an'i Zakaria dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.
16 Tamin'izay no niala tao Tiritsa i Menahema ka nanafika ny tananan'i Tifsa, ary nandringana ny mponina tao sy nandrava ny faritaniny manontolo. Rehefa misy tanana tsy amohana vavahady an'i Menahema, dia tafihiny; ary tatahany koa ny kibon'ny vehivavy bevohoka rehetra ao.
17 Tamin'ny taona faha-39 nanjakan'i Hazaria tamin'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely i Menahema zanakalahin'i Gady; ary naharitra folo taona no nanjakany tao Samaria.
18 Nandritra ny androm-piainany rehetra, dia nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy, fa tsy nialany ny fahotana izay nitarihan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata ireo Israelita.
19 Niditra an-keriny tao amin'ny tanin'i Israely i Pola mpanjakan'i Asiria; ka nomen'i Menahema volafotsy telopolo taonina izy mba hanampiany azy hanamafy orina ny fahefam-panjakany.
20 Mba hahazoana izany volafotsy izany, dia nampandoavin'i Menahema hetra ny mpanankarena rehetra tany Israely, dia sekela volafotsy dimampolo avy mba homena ny mpanjakan'i Asiria. Rehefa nandray izany izy, dia niverina nody fa tsy nijanona teo amin'ny tany.
21 Ny sisa amin'ny tantaran'i Menahema ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.
22 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia i Pekahia zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
23 Tamin'ny taona fahadimampolo nanjakan'i Hazaria tamin'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely tao Samaria i Pekahia zanakalahin'i Menahema; ary roa taona ihany no nanjakany tao.
24 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy, satria tsy nialany ny fahotana izay nitarihan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata ireo Israelita.
25 Ary nikomy tamin'i Pekahia i Peka dekany sady zanakalahin'i Remalia, ka nanafika azy mbamin'i Argoba sy Aria tao amin'ny tilikambon'ny tranon'ny mpanjaka; tamin'izay i Peka dia nomban'ny vatan-dehilahy dimampolo taranaky ny Gilehadita; rehefa avy namono an'i Pekahia ho faty izy, dia nanjaka nandimby azy.
26 Ny sisa amin'ny tantaran'i Pekahia ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.
27 Tamin'ny taona faha-52 nanjakan'i Hazaria tamin'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely i Peka zanakalahin'i Remalia; ary naharitra roapolo taona no nanjakany tao Samaria.
28 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy, satria tsy nialany ny fahotana izay nitarihan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata ireo Israelita.
29 Tamin'ny andro nanjakan'i Peka tamin'i Israely no nahatongavan'i Tiglata-Pilesera mpanjakan'i Asiria haka ny tananan'i Hiona sy i Abela-Bety-Mahaka mbamin'i Janoka sy i Kedesa ary i Hatsora; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin'ny tanin'i Naftaly manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin'ireo.
30 Fa nikomy tamin'i Peka zanakalahin'i Remalia i Hosea zanakalahin'i Ela ka nahafaty azy; ary nanjaka nandimby azy izy tamin'ny taona faharoapolo nanjakan'i Jotama zanakalahin'i Hozia.
31 Ny sisa amin'ny tantaran'i Peka ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.
32 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka zanakalahin'i Remalia tamin'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Jotama zanakalahin'i Hazaria.
33 Feno 25 taona izy fony nanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jerosa zanakavavin'i Tsadoka.
34 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Jotama, tahaka izay rehetra nataon'i Hozia rainy.
35 Kanefa ny toeram-panasinana tsy noravany ka mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona. I Jotama no nanamboatra ny vavahady ambony tamin'ny tranon'ny TOMPO.
36 Ny sisa amin'ny tantaran'i Jotama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.
37 Tamin'ny andro nanjakan'i Jotama no nanombohan'ny TOMPO nandefa an'i Retsina mpanjakan'i Siria sy i Peka mpanjakan'i Israely hanafika an'i Joda.
38 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Jotama, dia nalevina tao amin'ny fasam-pianakaviany tao an-Tananan'i Davida; ary i Ahaza zanany lahy no nanjaka nandimby azy.