2 Mpanjaka
Toko faha-14
1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasy zanakalahin'i Joahaza sady mpanjakan'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Amatsia zanakalahin'i Joasy;2 feno 25 taona izy tamin'izay, ary naharitra 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Johadana, izay avy ao Jerosalema ihany.
3 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida razambeny, fa nanahaka an'i Joasy rainy.
4 Tsy mba nofoanany ireo toeram-panasinana ka mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona.
5 Rehefa nohamafisin'i Amatsia ny fahefam-panjakany, dia nasainy novonoina ho faty ireo manamboninahitra izay nahafaty an'i Joasy mpanjaka rainy.
6 Kanefa ny zanakalahin'ireto mpamono an'i Joasy dia tsy mba novonoin'i Amatsia ho faty, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalanan'i Mosesy; ao manko no nandidian'ny TOMPO hoe: Ny ray aman-dreny tsy hatao maty noho ny fahotan-janany, na ny zanaka noho ny fahotan'ny ray aman-dreny, fa ny olona dia hatao maty noho ny fahotan'ny tenany ihany.
7 I Amatsia koa no nahafaty miaramila edomita antokony folo tao amin'ny Lohasahan-Tsira tamin'ny ady nandrombahany ny tananan'i Sela, izay lasa hoe Jokteela, anarany mandraka ankehitriny.
8 Tamin'izay i Amatsia dia nandefa iraka tany amin'i Joasy zanakalahin'i Joahaza sady zafikelin'i Jeho mba hilaza aminy hoe: Avia hifanandrina an'ady isika
9 Fa i Joasy mpanjakan'i Israely dia nandefa iraka tany amin'i Amatsia mpanjakan'i Joda hamaly azy hoe: Ny kirihitra tsilo izay tany Libano, hono, dia nandefa iraka tany amin'ny sedera izay tany Libano mba hiangavy azy hoe: 'Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy'; kanjo nisy bibidian'i Libano namaky teo ka nanosihosy ny kirihitra tsilo.
10 Ary hoy ihany i Joasy: Satria efa resinao ny Edomita, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao izany voninahitra izany ka mitoera ao an-tranonao ihany! Fa nahoana ianao no mitady loza izay hahavoa ny tenanao sy ny tafik'i Joda manontoloy
11 Kanefa tsy nanaiky i Amatsia. Koa dia niakatra hiady i Joasy mpanjakan'i Israely avaratra; ka ny tafiny sy ny an'i Amatsia mpanjakan'i Joda dia nifanandrina tao Bety-Semesy tananan'i Joda.
12 Resin'ny tafik'i Israely ny tafik'i Joda; ka samy nandositra ho any an-tranony avy ny miaramila jodeanina.
13 Tao Bety-Semesy no voasambotr'i Joasy mpanjakan'i Israely i Amatsia mpanjakan'i Joda sy zanakalahin'i Joasy ary zafikelin'i Ahazia; ary dia nankany Jerosalema i Joasy ka nandravany tokony ho roanjato metatra ny mandan'ny tanana teo anelanelan'ny vavahadin'i Efraima sy ny vavahadin'ny Zoro.
14 Dia nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy izay hita tao an-tranon'ny TOMPO sy tao amin'ny raki-tsoan'ny lapan'ny mpanjaka; ary nisy ihany koa olona nalainy ho takalon'aina. Izay izy vao niverina nankany Samaria.
15 Ny sisa tamin'ny tantaran'i Joasy ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony ary ny ady nifanaovany tamin'i Amatsia mpanjakan'i Joda, dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.
16 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Joasy, dia nalevina tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'i Israely tao Samaria; ary i Jerobohama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
17 Taorian'ny nahafatesan'i Joasy mpanjakan'i Israely, dia mbola naharitra 15 taona i Amatsia mpanjakan'i Joda.
18 Ny sisa amin'ny tantaran'i Amatsia dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.
19 Ary tao Jerosalema dia nisy olona nikomy tamin'i Amatsia, ka nahatonga azy nandositra tany Lakisy; fa nampanaraka azy anefa ireto mpikomy ka nampamono azy ho faty tany an-toerana.
20 Dia nampodina an-kalesy tarihin-tsoavaly tany Jerosalema ny fatiny ka nalevina tao amin'ny fasam-pianakaviana tao an-Tananan'i Davida.
21 Vao 16 taona i Hazaria no nalain'ny vahoaka Jodeanina rehetra ka notendreny ho mpanjaka handimby an'i Amatsia rainy.
22 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany kosa ity rainy, dia i Hazaria no namerina ny seranana Elata ho an'ny fanjakan'i Joda sy nanamboatra azy indray.
23 Tamin'ny taona faha-15 nanjakan'i Amatsia, zanakalahin'i Joasy sady mpanjakan'i Joda, no tonga mpanjakan'i Israely tao Samaria i Jerobohama zanakalahin'i Joasy, ary naharitra 41 taona no nanjakany tao.
24 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy, satria tsy nialany ny fahotana rehetra izay nitarihan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata ireo Israelita.
25 Izy no namerina indray ny tanin'i Israely hatreo Lebo-Hamata any avaratra ka hatrany amin'ny Ranomasina Maty any atsimo araka ny nambaran'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely tamin'ny alalan'i Jona mpaminany zanakalahin'i Amitahy avy any Gata-Hefera.
26 Fa hitan'ny TOMPO ny havesatry ny fahorian'i Israely satria tsy nisy olona afa-namonjy azy na andevo izany na olona afaka.
27 Tsy mbola nilaza ny hamono ny anaran'i Israely tsy ho eo ambanin'ny lanitra anefa ny TOMPO; koa dia tamin'ny alalan'i Jerobohama zanakalahin'i Joasy no namonjeny azy.
28 Ny sisa tamin'ny tantaran'i Jerobohama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony tamin'ny ady namerenany indray tamin'i Israely ny tananan'i Damasy sy i Hamata izay an'i Joda fahiny, dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.
29 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Jerobohama, dia nalevina tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'i Israely tao Samaria; ary i Zakaria zanany lahy no nanjaka nandimby azy.