2 Mpanjaka

Toko faha-19

1 Raha vao nandre izany tatitra izany i Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany ka nitafy gony ary lasa niditra tao an-tranon'ny TOMPO.

2 Avy teo izy naniraka an'i Eliakima mpiandraikitra ny lapa sy i Sebna mpitantsoratra ary ireo mpisorona tranainy indrindra izay samy nitafy gony mba hankany amin'i Isaia mpaminany zanakalahin'i Amotsa

3 hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fahafaham-baraka ho antsika ity andro ity! Tonga amin'ny fitenenana hoe: 'Efa ho teraka ny zaza nefa tsy misy hery hiterahana azy ny reniny.'

4 Angamba ho ren'ny TOMPO Andriamanitrao ny teny rehetra nataon'ny deka asirianina izay nirahin'ny mpanjakan'i Asiria tompony hanevateva an'Andriamanitra velona, ka hofaizin'ny TOMPO Andriamanitrao izy noho izany! Koa manandrata vavaka ianao ho an'ireo sisa tavela amin'ny vahoakany.

5 Rehefa tonga tany amin'i Isaia ireo irak'i Hezekia mpanjaka,

6 dia nilazany hoe: Ambarao amin'ny tomponareo izao tenin'ny TOMPO izao: Aza matahotra eo anatrehan'ny teny renao nanevatevan'ireo manamboninahitry ny mpanjakan'i Asiria Ahy!

7 Fa indro Aho hanoro hevitra azy hiverina any amin'ny taniny, rehefa handre siosio izy; ary any no hampamonoako azy ho fatin'ny sabatra.

8 Dia niverina ilay deka, ka nankany Libna izay nataon'ny mpanjakan'i Asiria fahirano; satria reny fa efa nandao an'i Lakisy ny mpanjaka.

9 Kanjo rehefa henon'i Saneheriba fa efa an-dalana hamely azy i Tirihaka mpanjakan'i Etiopia, dia naniraka hankany amin'i Hezekia

10 mpanjakan'i Joda indray izy mba hitondra izao hafatra izao: Aoka tsy ho voafitaky ny Andriamanitra itokianao ianao amin'ny filazany fa i Jerosalema dia tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria.

11 Indro ianao mihitsy no efa nandre ny nanaovan'ireo mpanjakan'i Asiria ny tany hafa rehetra sy ny nandravany azy; ka dia ianao kosa ve no ho voavonjy?

12 Fony noravan'ireo razako i Gozana, sy i Harana ary i Retsefa mbamin'i Telasara renivohitry ny Hedenita, moa nahavonjy ireny firenena ireny ve ny andriamaniny.

13 Aiza izao ny mpanjakan'i Hamata sy i Arpada ary i Lahiray Aiza izao ny mpanjakan'i Sefarvaima sy i Hena ary i Hivay

14 Ary noraisin'i Hezekia ny taratasy nentin'ireo iraka asirianina ka novakiny; avy teo izy dia niakatra tao an-tranon'ny TOMPO ka namelatra izany taratasy izany teo anatrehan'ny TOMPO,

15 ary nivavaka tamin'ny TOMPO nanao hoe: Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely o, Ianao Izay mipetraka eo ambony kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany, satria Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.

16 TOMPO o, mba atongilano ny sofinao ka mihainoa; TOMPO o, mba ahirato ny masonao ka mijere; ary aoka ho renao ny teny izay nampitondrain'i Saneheriba hanevatevana Anao Andriamanitra velona.

17 TOMPO o, marina fa ireo mpanjakan'i Asiria dia nandringana ny hafa firenena sy nandrava ny taniny;

18 ary nodorany tamin'ny afo sy nosimbany aza ny andriamaniny satria tsy Andriamanitra ireny fa asan'ny tanan'olombelona, vato aman-kazo ihany.

19 Fa ankehitriny kosa ry TOMPO Andriamanitray o, vonjeo tsy ho azon'ny tanan'i Saneheriba izahay mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ety an-tany fa Ianao irery ihany, TOMPO o, no Andriamanitra.

20 Ary i Isaia, zanakalahin'i Amotsa, dia naniraka hankany amin'i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Ny vavaka nataonao tamiko ny amin'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria dia efa nohenoiko.

21 Koa izao no teny tononiko hamelezana azy: Manao tsinontsinona sy maneso anao ny tanana kanton'i Tsiona, ry Saneheriba; mihifikifi-doha ho fanamavoana anao ny tananan'i Jerosalema.

22 Fa iza moa no voatevatevanao sy nompanao? Ary iza no nanaovanao lela miakatra sy niandranandranan'ny masonao? Tsy iza fa Izaho Ilay Masin'i Israely!

23 Tamin'ny alalan'ny irakao no nanevatevanao Ahy Tompo. Hoy ianao hoe: 'Izaho Saneheriba dia ny kalesiko marobe no niakarako teny an-tampon-tendrombohitra hatreo afovoan-tanin'i Libano, mba hikapa ny sedera mijoalajoala sy ny kipreso voafantina ao aminy. Hiakarako ao ny tendrombohitra faran'izay avo sy ny tahirin'alany matevina indrindra.

24 Izaho no efa nihady vovo fantsakana sy nisotro ny ranon'ny firenen-kafa; Ary horitiko ny sakeli-drano rehetra any Ejipta raha vao migadona any ny faladiako!'

25 Moa tsy fantatrao va, ry Saneheriba, fa efa hatry ny ela no nanomanako an'izao zava-nitranga tato ho ato izao? Efa hatramin'ny elabe no namolavolako azy, ary ankehitriny dia manatanteraka azy Aho. Voatendriko handrava ireo tananamimanda ianao ka hahatonga azy ho korontam-bato.

26 Dia miraviravy tanana ny mponina eo aminy, sady raiki-tahotra no safo-kenatra; toy ny vilona any an-tsaha izy ireo sy tahaka ny ahi-maitso eny an-jaridaina ary tahaka ny zava-maniry eny an-tampon-trano, ka main'ny rivotra avy any atsinanana.

27 Fantatro avokoa ny momba anao na mipetraka ianao na mitsangana, na mivoaka ny trano ianao na miditra, sy rehefa tezitra misafoaka amiko.

28 Eny, efa tezitra nisafoaka tamiko tokoa ianao ary efa tafakatra an-tsofiko ny fireharehanao. Koa hasiako farango ny oronao ary hasiako lamboridy ny vavanao, dia hampivereniko lalana any an-taninao ianao amin'izay lalana niavianao ihany.

29 Izao kosa no famantarana ho anao, ry Hezekia: Amin'ity taona ity dia hihinana izay vary maniry ho azy ny olona; ary amin'ny taona manaraka dia mbola ho toy izany koa. Fa amin'ny taona fahatelo kosa dia hamafy vary sy hijinja ianareo ary hamboly voaloboka sy hihinana ny vokatra avy aminy.

30 Ary izay sisa velona amin'ny taranak'i Joda dia ho toy ny hazo hamaka lalina indray ary ho feno voa ny rantsany;

31 satria ao Jerosalema no hipoiran'ny sisa tavela, ary ao an-tendrombohitra Tsiona no hiarenan'ny sisa velona. Dia hoy i Isaia hoe: Izany no hataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao noho ny fitia miredareda manesika Azy.

32 Izao kosa no lazain'ny TOMPO ny amin'ny mpanjakan'i Asiria: Tsy hiditra amin'ity tanana ity izy, na handefa zana-tsipika hamelezana azy na hiady aminy omban'ny ampinga na hanangana tovon-tany hanafihana azy.

33 Ny lalana izay niaviany ihany no hiverenany, fa tsy hiditra amin'ity tanana ity izy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

34 Harovako i Jerosalema ary hovonjeko noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko.'

35 Ny alin'io ihany dia niainga hankao an-tobin'ny Asirianina ilay anjelin'ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin'ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.

36 Dia noravan'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria ny toby, ka lasa izy nankany Ninive ary nijanona tany.

37 Indray andro raha sendra nivavaka tamin'i Nisroka andriamaniny izy, dia matin'i Adrameleka sy i Saretsera zanany lahy tamin'ny sabatra; avy teo dia nandositra nankany amin'ny tany Ararata izy roa lahy. Ary i Hesara-Hadona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558