2 Mpanjaka

Toko faha-23

1 Ary nandefa iraka ny mpanjaka hanainga tsy an-kanavaka ny loholon'i Joda sy i Jerosalema mba ho vory ao aminy.

2 Dia niaraka nankao an-tranon'ny TOMPO ireo mbamin'ny mponina rehetra tao Jerosalema sy Joda, izany hoe ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny sarambabem-bahoaka rehetra na kely na lehibe. Novakin'ny mpanjaka teo anatrehan'ny besinimaro ny teny rehetra tao anatin'ny bokin'ny fanekempihavanana, dia ilay boky izay hita tao an-tranon'ny TOMPO.

3 Ary niakatra teo ambonin'ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao ny fanekempihavanana teo anatrehan'ny TOMPO mba hanarahan'ny tsirairay ny TOMPO sy hitandremany ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalanany amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin'ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin'io boky io. Ary neken'ny vahoaka rehetra izany fanekempihavanana izany.

4 Dia nomen'ny mpanjaka baiko i Hilkia mpisorombe sy ireo mpisorona lefiny ary ny mpiambina varavarana mba hamoaka any ivelan'ny tempoly ireo kojakoja rehetra natao hivavahana tamin'i Bahala sy tamin'i Asera ary tamin'ireo planeta aman-kintana. Nodorany tany ivelan'i Jerosalema tao amin'ny sahan'i Kidrona ireny; ka nentiny nankany Betela ny lavenony.

5 Noroahin'i Josia ireo mpisorona sandoka izay notendren'ny mpanjakan'i Joda mba handoro sorona hanetona tamin'ireo toeram-panasinana tao an-tananan'i Joda sy manodidina an'i Jerosalema; noroahiny ireo satria nanao sorona ho an'i Bahala sy ho an'ny masoandro ary ho an'ny volana sy ny planeta aman-kintana.

6 Nalany tao an-tranon'ny TOMPO koa ny tsatokazo fanajana an'i Asera ka navoakany any ivelan'i Jerosalema mba hodorana ao amin'ny lohasahan'i Kidrona; ary ny lavenony dia nafafiny teny amin'ny fasam-bahoaka.

7 Noravany ireo efitrano teo akaikin'ny tranon'ny TOMPO, efitrano izay nijangajangana ho fanompoan-tsampy sy nanenoman'ny vehivavy akanjo ho fanajana an'i Asera.

8 Nasainy tonga tany Jerosalema ny mpisorona rehetra avy amin'ny tananan'i Joda; dia narodany ny toeram-panasinana izay fampiasan'ireo mpisorona sandoka ireo sy fandorany sorona hanetona, hatreo Geba ka hatrany Beera-Seba; ary noravany tao Jerosalema ireo toeram-panasinana teo akaikim-bavahady, indrindra ilay teo anoloan'ny vavahadin'i Josoa governoran'ny tanana ka teo ankavia raha miditra ny tanana.

9 Tsy navela hisorona teo amin'ny alitaran'ny TOMPO tao Jerosalema ireo mpisorona tamin'ny toeram-panasinana; fa ny mihinana ny mofo tsy misy leviora niaraka tamin'ny mpisorona hafa ihany no azony natao.

10 Nozimbain'i Josia koa ny Tofeta tao amin'ny lohasahan'i Bena-Hinoma mba tsy handoran'ny olona intsony ny zanany lahy na vavy ho sorona ho an'i Moloka.

11 Nesoriny ireo sarivongan-tsoavaly izay natokan'ny mpanjakan'i Joda ho an'ny fivavahana amin'ny masoandro; ireo soavaly ireo dia teo akaikin'ny fidirana mankao an-tranon'ny TOMPO tao amin'ny trano fanampiny anilan'ny efitr'i Natana-Meleka mpiandraikitra. Nodoran'i Josia ny kalesin'ny masoandro.

12 Noravan'ny mpanjaka ireo alitara natsangan'ny mpanjakan'i Joda teo an-tampon-tranon'i Ahaza ary koa ireo alitara natsangan'i Manase tao amin'ny kianja roan'ny tranon'ny TOMPO, ka nampamotehiny ary nasainy nafafy eran'ny lohasahan'i Kidrona ny vovoka taminy.

13 Nozimbain'ny mpanjaka ihany koa ireo toeram-panasinana tandrifin'i Jerosalema izay naorin'i Salomona mpanjakan'i Israely teo amin'ny ilany atsimon'ny tendrombohitra Analanoliva ho an'i Hastoreta sampin-dozan'ny Tsidonianina sy ho an'i Kemosy sampin-dozan'ny Moabita ary ho an'i Milkoma sampin-dozan'ny Hamonita.

14 Nomontsaniny ny tsangambaton-tsampy sady nokapainy ny tsatokazo fanajana an'i Asera ka nofenoiny taolam-patin'olona ny toerany. 15 Noravan'i Josia ihany koa ny alitara tao Betela, izay toeram-panasinana nataon'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata mba hitarihana an'i Israely hanota; eny, noravan'i Josia io alitara io sy ilay toeram-panasinana ka nodorany sy notorotoroiny ho vovoka; ary nodorany koa ny tsatokazo fanajana an'i Asera.

16 Dia niherika i Josia ka nahita ireo fasana tery an-tendrombohitra, ary naniraka olona izy haka ny taolana tao am-pasana hodorana eo amin'ny alitara mba hanazimbana azy araka ny tenin'ny TOMPO nambaran'ilay olon'Andriamanitra fony i Jerobohama nitsangana teo anoloan'ny alitara nandritra ny fety. Niherika indray i Josia tamin'izay ka nahita ny fasan'io olon'Andriamanitra io

17 ary nanontany hoe: Inona iry tsangambato hitako iry? Dia novalian'ny mponina tao an-tanana hoe: Io no fasan'ilay olon'Andriamanitra avy any Joda, dia ilay nanambara izao nataonao tamin'ny alitaran'i Betela izao.

18 Ka hoy i Josia hoe: Avelao io fasana io! Ary aoka tsy hisy hanetsika ny taolambalony! Izany no tsy nikitihana ny taolambalony sy ny an'ilay mpaminany avy any Samaria.

19 Nampahatezitra ny TOMPO ny nanaovan'ny mpanjakan'i Israely trano fivavahana teny amin'ny toeram-panasinan'ireo tananan'i Samaria; ka dia noravan'i Josia koa ireny tahaka izay efa nataony tany Betela.

20 Ary novonoiny ho faty teo ambonin'ny alitara avokoa ny mpisorona izay teo amin'ireny toeram-panasinana ireny sady nandoroany taolam-patin'olona hanazimbana azy. Avy teo i Josia dia niverina tany Jerosalema.

21 Nomen'ny mpanjaka baiko ny vahoaka rehetra mba hankalaza ny fetin'ny Paska ho voninahitry ny TOMPO Andriamaniny, araka ny voasoratra amin'ity bokin'ny fanekempihavana ity.

22 Fa tsy nisy Paska nankalazaina toy izany hatramin'ny andro nanapahan'ny mpitsara an'i Israely na tamin'ny andro rehetra nitondran'ny mpanjakan'i Israely sy ny mpanjakan'i Joda.

23 Fa tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Josia no nankalazana izany Paska izany tany Jerosalema ho voninahitry ny TOMPO.

24 Ho fanatanterahana ny tenin'ny lalana voasoratra ao amin'ilay boky hitan'i Hilkia mpisorona tao an-tranon'ny TOMPO, dia nofoanan'i Josia tamin'ny tanin'i Joda sy tao Jerosalema ireo olona mpanontany ny fanahin'ny maty sy mpamoha angatra, ary nopotehiny ny sarivongan-tsampy sy ny zava-maharikoriko rehetra momba azy.

25 Ho fehin'izany, talohan'i Josia dia tsy nisy mpanjaka tahaka azy izay ny TOMPO no nifikirany tamin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo ary ny heriny manontolo, araka ny Lalan'i Mosesy manontolo. Ary tsy nisy tahaka azy intsony koa taty aoriany.

26 Kanefa tsy nitony ny firehetam-pahaviniran'ny TOMPO tamin'ny fanjakan'i Joda satria zavatra isan-karazany no nampahatezeran'i Manase mpanjaka Azy.

27 Izany no nilazan'ny TOMPO hoe: Hoesoriko tsy ho eo anatrehako tahaka ny nanesorako an'i Israely koa i Joda, ary hailiko ity tananan'i Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko fa hipetrahan'ny voninahitro.

28 Ny sisa amin'ny tantaran'i Josia ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.

29 Tamin'ny andro nanjakany no nitondran'ny Farao Nekao mpanjakan'i Ejipta ny tafiny ho any amoron'i Eofrata mba hanampy ny mpanjakan'i Asiria. Ary nandeha i Josia mba hifanehatra aminy; kanjo vantany vao hitan'ny Farao izy, dia novonoiny ho faty tao Megidao. 30 Dia napetraky ny manamboninahiny tao anaty kalesy ny fatin'i Josia ka nentina niala tao Megidao hankany Jerosalema ary nalevina tao amin'ny fasany. Nalain'ny mponin'i Joda kosa i Joahaza zanakalahin'i Josia ka natokany ho mpanjaka handimby an-drainy.

31 Feno 23 taona i Joahaza fony tonga mpanjaka, ary telo volana ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin'i Jeremia avy any Libna.

32 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO tahaka izay rehetra nataon'ireo razany izy.

33 Nogadrain'ny Farao Nekao tany Ribla any amin'ny tanin'i Hamata izy mba tsy ho afa-manjaka any Jerosalema intsony; ary nampandoavin'io Farao io sazy volafotsy telo taonina sy volamena telopolo kilao ny fanjakan'i Joda.

34 Dia i Eliakima zanakalahin'i Josia no voatendren'i Nekao ho mpanjaka handimby an-drainy, ary novany anarana hoe Joiakima. Fa i Joahaza kosa nentin'i Nekao ho any Ejipta ka maty tany.

35 Noteren'i Joiakima handoa hetra volafotsy sy volamena araka ny ananany avy ny vahoaka mba hanomezana izay notakin'ny Farao Nekao.

36 Feno 25 taona i Joiakima fony tonga mpanjaka, ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Zeboda zanakavavin'i Pedaia avy any Roma.

37 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO tahaka izay nataon'ireo razany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559