2 Mpanjaka
Toko faha-6
1 Indray andro, dia hoy ny andia-mpaminany tamin'i Elisa tompony: Indro efa tena ety ho antsika ny toeram-pivoriana iarahanay aminao.2 Koa mba avelao izahay ho any amoron'i Jordana, samy haka hazo iray avy hanaovanay toeram-pivoriana vaovao any. Dia hoy i Elisa: Mandehana ary.
3 Fa hoy ny mpaminany iray: Maninona raha mba miaraka aminay any koa ianao, tompoko? Dia novalian'i Elisa hoe: Eny, fa handeha aho.
4 Ka dia nandeha niaraka tamin'ny andia-mpaminany izy. Ary rehefa mby teo amoron'i Jordana ireo, dia nikapa hazo.
5 Fa raha mbola nikapa ny hazony kosa ny iray tamin'ireo, dia nipitsika tany anaty rano ny lelam-pamakiny, ka nampiantsoantso azy hoe: Loza, tompoko, fa famakin'olona nindramina iny!
6 Dia hoy i Elisa taminy: Taiza no nahalatsahan'ny lelam-pamaky? Dia natorony azy ny toerana; ka nanapaka rantsan-kazo iray i Elisa ary natsipiny teo; dia nitsinkafona ilay lelam-pamaky.
7 Ary hoy i Elisa: Alaovy amin'izao. Dia natsotrany ny tanany mba hangalany azy.
8 Fony niady tamin'i Israely ny mpanjakan'i Siria ka nila hevitra tamin'ny manamboninahiny, dia nilaza izay toerana tiany hitobian'ny tafiny.
9 Fa i Elisa olon'Andriamanitra kosa naniraka olona nankany amin'ny mpanjakan'i Israely nanao hoe: Tandremo fandrao mandalo amin'izany toerana izany fa any no misy ny tafika sirianina.
10 Ary nandefa miaramila hiambina ny toerana voatondron'ilay olon'Andriamanitra ny mpanjakan'i Israely. Imbetsaka i Elisa no mampitandrina ny mpanjakan'i Israely, koa dia mailo aoka izany izy.
11 Nampanahy mafy ny mpanjakan'i Siria izany zavatra izany, ka niantso ny manamboninahiny izy ary nanao taminy hoe: Tsy ambaranareo amiko ve izay mpamadika amintsika ireto ka miasa ho an'ny mpanjakan'i Israely?
12 Dia hoy navalin'ny manamboninahitra iray azy: Tsy misy izany mpamadika izany aminay, ry andriamanjaka! Fa i Elisa mpaminany ao amin'i Israely ihany no manambara amin'ny mpanjakany na dia izay teny lazainao ao an'efitrano fandrianao aza.
13 Ary hoy ny mpanjakan'i Siria: Andeha tadiavo izay toerana misy azy mba hahazoako misambotra azy. Rehefa nilazana ny mpanjaka fa ao Dotana i Elisa,
14 dia nandefa antoko-miaramila matanjaka miaraka amin'ny soavaly sy kalesy izy; ka tonga alina ireo miaramila ary nanao fahirano ny tanana.
15 Ny ampitso, raha nifoha maraina ny mpanompon'i Elisa ka nivoaka ny tanana, dia nahita ireo miaramila mbamin'ny soavaly sy kalesy nanodidina ny tanana, ary niteny tamin'i Elisa hoe: Loza ity, tompoko! Ahoana no hataontsika?
16 Fa novaliany hoe: Aza matahotra fa be lavitra noho ny mpomba azy ny mpomba antsika.
17 Avy eo i Elisa dia nivavaka hoe: TOMPO o, sokafy re ny mason'ity mpanompoko ity mba hahitany. Dia nosokafan'ny TOMPO ny mason'ilay mpanompo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.
18 Fa raha nidinan'ny miaramila sirianina i Elisa, dia nivavaka indray ka nanao hoe: Tompo o, mba tampeno ny mason'ireo miaramila rehetra ireo. Dia nohajambain'ny TOMPO araka ny tenin'i Elisa ny masony;
19 ary hoy i Elisa tamin'ny miaramila: Tsy ity no lalana; ary tsy ity koa ny tanana; fa manaraha ahy ianareo, dia hoentiko any amin'ny olona tadiavinareo ianareo. Kanjo nentin'i Elisa nankany Samaria ireo.
20 Ary nony tonga tao Samaria avokoa izy, dia mbola nivavaka i Elisa hoe: TOMPO o, sokafy re ny mason'ireto mba hahitany ankehitriny. Koa rehefa nosokafan'ny TOMPO ny masony, dia hitany fa indreo izy teo afovoan'i Samaria.
21 Nony nahita ireo miaramila rehetra ireo ny mpanjakan'i Israely, dia niteny tamin'i Elisa hoe: Ry ikaky, hasiako ho faty ve ireo?
22 Hoy kosa ny navalin'i Elisa: Tsia! Aza mamely azy. Fanaonao angaha ny mamono ho faty izay nobaboinao tamin'ny sabatra na tamin'ny tsipika? Koa rosoy mofo sy rano ireo hohaniny sy hosotroiny; ary avelao izy hiverina any amin'ny tompony.
23 Dia nanaovan'ny mpanjaka fanasam-be izy rehetra, ka rehefa avy nihinana sy nisotro, dia nasainy niverina any amin'ny tompony. Natsahatr'ireo Sirianina mpandroba kosa ny fitsofohana amin'ny tanin'i Israely.
24 Taorian'izany dia novorin'i Bena-Hadada mpanjakan'i Siria ny tafiny manontolo mba handeha hanao fahirano an'i Samaria.
25 Nisy mosary lehibe tao Samaria noho izany, ka dia nahatratra sekela valopolo ny vidin'ny loham-boriky iray ary sekela dimy ny taim-boromahailala roanjato grama.
26 Indray andro raha nandehandeha teo ambonin'ny manda ny mpanjakan'i Israely, dia nisy vehivavy iray niantsoantso nitaraina taminy hoe: Mba vonjeo aho, ry andriamanjaka o!
27 Fa hoy ny navalin'ny mpanjaka: Raha tsy mamonjy anao ny TOMPO, ahoana kosa no hamonjeko anao? Fa tsy misy intsony tahirim-bary na tahirin-divay.
28 Kanefa avy eo ny mpanjaka dia niteny taminy hoe: Inona no manahirana anao? Ary novalian-dravehivavy hoe: Hoy io vehivavy io tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika amin'ity andro ity, fa rahampitso dia ny ahy indray no hohanintsika.
29 Dia nahandroinay ny zanako ka nohaninay; kanjo nony ampitso, rehefa nilazako kosa izy mba hitondra ny zanany hohaninay, dia nafeniny ny azy.
30 Raha nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nandehandeha teny ambonin'ny manda izy mba ho hitan'ny olona fa mitafy akanjo gony manolo-koditra.
31 Dia hoy izy: Hampiharin'Andriamanitra amiko anie ny famaizana mafy indrindra, raha tahiny tsy voatapaka anio ny lohan'i Elisa zanakalahin'i Safata.
32 Novorin'i Elisa tao an-tranony tamin'izay ny loholon'ny tanana, ary naniraka olona hankeo aminy kosa ny mpanjaka. Kanjo raha tsy mbola tonga akory ilay iraka, dia hoy i Elisa tamin'ny loholona: Jereonareo fa naniraka olona hanapaka ny lohako ilay mpamono olona iny. Koa mitandrema ianareo fa raha avy ilay iraka, dia hidio ny varavarana ary aza avela hiditra izy. Tsy efa renareo koa ve ny famindran'ny tompony izay manara-dia azy
33 Raha mbola niteny i Elisa dia tonga ny mpanjaka nanao hoe: Ny TOMPO no mandefa amintsika izao loza rehetra izao! Ka inona intsony no azoko antenaina aminy?