2 Mpanjaka

Toko faha-12

1 Tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Jeho tamin'i Israely no tonga ho mpanjakan'i Joda i Joasy; vao fito taona izy tamin'izay, ary naharitra efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Tsibia avy any Beera-Seba.

3 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO tamin'ny androny rehetra i Joasy, satria nampianatra azy tsara i Joiada mpisorona.

4 Saingy tsy nofoanany ny toeram-panasinana, ka mbola tonga nitondra sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona.

5 Indray andro dia hoy i Joasy tamin'ireo mpisorona: Angoninareo izay vola rehetra entina ato an-tranon'ny TOMPO, dia ny vola nandoavan'ny olona ny hetrany na ny vola natolotra an-tsitrapo. Asaivo hangonin'ireo mpandray vola voatendry izany ka hampiasainareo hanamboarana izay hitanareo fa simba amin'ny tempoly.

7 Kanjo tamin'ny taona faha-23 nanjakan'i Joasy dia tsy mbola voavoatr'ireo mpisorona ihany ny simba tamin'ny tempoly.

8 Koa nampiantso an'i Joiada sy ny mpisorona hafa i Joasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy namboarinareo ny simba tamin'ny tempoly? Noho izany dia tsy mahazo maka vola amin'ny mpandray volanareo intsony ianareo, fa avelao kosa izany hanamboarana ny tempoly.

9 Dia nanaiky tsy handray vola amin'ny olona intsony sy tsy hiandraikitra ny fanamboarana ny tempoly ny mpisorona.

10 Fa naka vata iray i Joiada mpisorona, dia noloahiny ny sarony ka napetrany teo akaikin'ny alitara teo ankavanan'ny fidirana amin'ny tranon'ny TOMPO; dia nalatsaky ny mpisorona mpiandry varavarana tao ny vola rehetra nentina tao an-tranon'ny TOMPO.

11 Rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia nangonin'ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny mpisorombe ny vola tao an-tranon'ny TOMPO ka nisainy.

12 Rehefa voaisa ny vola, dia natolony ny mpiandraikitra ny tranon'ny TOMPO izay nampiasa izany hanakaramana ny mpandrafitra sy ny mpanao mari-trano niasa tao an-tranon'ny Tompo

13 mbamin'ny mpandatsa-biriky sy ny mpipai-bato ary koa hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin'ny tranon'ny TOMPO sy hiantohana izay fandaniana hafa rehetra ilaina amin'izany.

14 Nefa tsy mba nanaovana koveta na antsy na tsatokaty famafazana, na trompetra na zavatra hafa vita volamena na volafotsy ireny fanomezana nentina tao an-tranon'ny TOMPO ireny.

15 Dia nomena ny mpanao raharaha izany hanamboarana ny tranon'ny TOMPO.

16 Tsy nampamoahina ny mpanome karama ny mpiasa satria nahatoky tamin'ny fiasany.

17 Ny vola narotsaky ny olona ho solon'ny sorom-panonerana na sorona fanalana ny ota dia tsy mba natolotra ho an'ny tranon'ny TOMPO, fa an'ny mpisorona kosa izany.

18 Tamin'izany dia niakatra nanafika ny tananan'i Gata i Hazaela mpanjakan'i Siria, ka nahazo azy; rehefa izany, dia niomana hanafika an'i Jerosalema ihany koa izy.

19 Fa nangonin'i Joasy mpanjakan'i Joda avokoa ny zava-tsarobidy rehetra izay natolony na natolotr'ireo razany mpanjakan'i Joda, dia i Josafata sy i Jorama ary i Ahazia ho an'ny TOMPO, mbamin'ireo volamena napetraka tao amin'ny efitrano firaketan'ny tempoly sy tao an-dapan'ny mpanjaka; ka nampanateriny ho an'i Hazaela izay nisinda tsy nanafika an'i Jerosalema.

20 Ny sisa amin'ny tantaran'i Joasy ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.

21 Ary nioko hanohitra an'i Joasy ny manamboninahiny; ka ny anankiroa taminy, dia i Jozabada zanakalahin'i Simehata sy i Jehozabada zanakalahin'i Somera no namono azy ho faty tao Bety-Milao iny Joasy nidina hankany Sila iny. Dia nalevina tao amin'ny fasam-pianakaviany tao an-Tananan'i Davida izy; ary i Amatsia zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.056