2 Mpanjaka
Toko faha-25
1 Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin'ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanana ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an'i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan'i Tsedekia tamin'izay, ary andro fahafolon'ny volana fahafolo.2 Naharitra hatramin'ny taona faha-11 nanjakan'i Tsedekia ny fanaovana fahirano.
3 Mafy dia mafy ny mosary tao an-tanana ka tsy nanan-kohanina ny mponina; ary tamin'ny andro fahasivin'ny volana fahefatra
4 dia nisy noloahan'ireo Babilonianina ny mandan'ny tanana. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ireo miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin'ny Babilonianina aza ny tanana, dia niala tao Jerosalema ireo ka nandalo ny vavahady tanelanelan'ny manda roa sady takaikin'ny zaridainan'ny mpanjaka; ary nihazo ny lalana mankany amin'ny lohasahan'i Jordana i Tsedekia mpanjaka.
5 Kanjo nenjehin'ny miaramila babilonianina izy ary tratrany teo amin'ny lemak'i Jerikao; dia nihahaka nandao an'i Tsedekia ny tafiny manontolo.
6 Rehefa voasambotra ny mpanjaka, dia nentina tany amin'ny mpanjakan'i Babilona izay tao Ribla, ary namoahana didim-pitsarana.
7 Novonoina ho faty teo imason-drainy ireo zanakalahin'i Tsedekia. Avy teo dia nasain'i Nebokadnetsara nopotsirina ny mason'i Tsedekia; ary nasainy nafatotra gadra halimo izy ka nentina nankany Babilona.
8 Tamin'ny taona faha-19 nanjakan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona, nony andro fahafiton'ny volana fahadimy, dia tafiditra tao Jerosalema i Nebozaradana filohan'ny mpiambina sady manamboninahitry ny mpanjakan'i Babilona.
9 Izy no nandoro ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'ny mpanjaka ary ireo trano tao an-tanana, indrindra ny an'ny olona ambony rehetra.
10 Ny manda manodidina an'i Jerosalema dia narodan'ny miaramila babilonianina rehetra izay niaraka tamin'ny filohan'ny mpiambina.
11 Dia nentin'i Nebozaradana ho babo ireo mponina sisa tao an-tanana sy ireo olona nitolo-batana tamin'ny mpanjakan'i Babilona ary ny sisa tamin'ireo mpahay taozavatra.
12 Kanefa dia nisy ampahan'ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.
13 Nopotehin'ny Babilonianina ireo andry halimo tao an-tranon'ny TOMPO mbamin'ireo kalesy ary ilay fitobian-drano halimo goavana teo an-kianja; dia nentiny nankany Babilona avokoa ny halimo tamin'izany.
14 Nalainy koa ny fanaka halimo rehetra fampiasa amin'ny fanompoam-pivavahana, dia ny vilany fasian-davenona sy ny sotron'afo mbamin'ny antsy sy ny lovia.
15 Nentin'ny filohan'ny mpiambina koa ny fitaovana volamena sy volafotsy rehetra toy ny fandoroana zava-manitra sy ny tsatokaty famafazana.
16 Tsy hita lanja ny halimo tamin'ireo fanaka rehetra nataon'i Salomona ho an'ny tranon'ny TOMPO, dia ireo andry anankiroa sy ilay fitobian-drano goavana ary ireo kalesy.
17 Ny andry tsirairay dia sivy metatra ny haavony ary misy lohany halimo izay mahatratra iray metatra sy sasany ny haavony sady voaravaka harato sy ampongabendanitra halimo ny manodidina azy. Mitovy ireo andry roa sy ny ravaka natao taminy.
18 Dia nosamborin'ny filohan'ny mpiambina i Seraia mpisorombe sy i Tsefania lefiny ary ireo mpisorona telo lahy mpiandry varavarana.
19 Nosamboriny koa ny mpiasam-panjakana mpiandraikitra ny miaramila sy ny olona dimy lahy mpanolotsainan'ny mpanjaka, sy ny mpitantsoratr'ilay manamboninahitra misahana ny fiantsoana ho miaramila, ary ny teratany jodeanina miisa enimpolo lahy; fa samy hitany tao Jerosalema avokoa ireo.
20 Nentin'i Nebozaradana ho any amin'ny mpanjakan'i Babilona tao Ribla anatin'ny faritr'i Hamata izy rehetra,
21 ary nasain'ny mpanjaka hovonoina ho faty tao ihany. Toy izany no nitondrana ny vahoaka Jodeanina ho babo lavitry ny taniny.
22 Namela ampahan'ny vahoaka tao amin'ny tanin'i Joda ihany i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona; ka notendreny hifehy ireo olona ireo i Gedalia zanakalahin'i Ahikama sady zafikelin'i Safana.
23 Rehefa fantatry ny manamboninahitra sy ny miaramila jodeanina izay tsy nitolo-batana tamin'ny Babilonianina izany fanapahan-kevitr'i Nebokadnetsara izany, dia nankany amin'i Gedalia tany Mitsepa izy. Ireo manamboninahitra ireo dia i Jismahela zanakalahin'i Netania, i Johanana zanakalahin'i Karea, i Seraia zanakalahin'i Tanehometa avy any Netofa, ary i Jaazania avy any Maheka.
24 Dia nanizingizina tamin'ireo sy tamin'ny olom-peheziny i Gedalia nanao hoe: Aza matahotra ho anisan'ny mpanompon'ny Babilonianina ianareo; monena amin'ny tany ary maneke ny mpanjakan'i Babilona, fa hahasoa anareo izany.
25 Kanjo tamin'ny volana fahafiton'io taona io ihany dia tonga tao Mitsepa niaraka tamin'ny olona folo lahy i Jismahela zanakalahin'i Netania, ka namono nahafaty an'i Gedalia mbamin'ny Jodeanina sy ny Babilonianina izay tao aminy.
26 Dia niainga nankany Ejipta ny olon-drehetra na kely na lehibe mbamin'ny manamboninahitra noho ireo natahotra ny Babilonianina.
27 Fony 37 taona taorian'ny fanaovana sesitany an'i Joiakina mpanjakan'i Joda, dia i Evila-Merodaky no tonga mpanjakan'i Babilona; koa tamin'ny volana faha-12, dia nomeny famotsoran-keloka i Joiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina.
28 Dia nanaovany teny mamy izy ary nomeny toerana ambony kokoa noho ny an'ireo mpanjaka hafa niaraka taminy tany Babilona.
29 Tsy navela hanao ny fitafian'ny mpigadra intsony izy, ary niara-nisakafo tamin'ny mpanjakan'i Babilona nandritra ny andro sisa rehetra niainany.
30 Izany koa no nahazoan'i Joiakina tamin'ny mpanjakan'i Babilona ny zavatra nilainy araka ny sahaza azy isan'andro mandra-pahafatiny.