2 Mpanjaka

Toko voalohany

1 Taorian'ny nahafatesan'i Ahaba dia nikomy tamin'i Israely i Moaba.

2 Indray andro i Ahazia mpanjakan'i Israely dia nianjera avy teny an-davarangan'ny efitrano ambony amin'ny lapany tao Samaria ka naratra mafy. Dia naniraka olona izy hanontany an'i Bahala-Zeboba andriamanitry ny tananan'i Hekrona, raha toa ka ho sitrana amin'izao ratra nahazo azy izao na tsia.

3 Fa hoy kosa ny anjelin'ny TOMPO tamin'i Elia avy any Tisbe: Mandehana mihaona amin'ny iraky ny mpanjakan'i Samaria ka lazao izy hoe: Moa tsy misy Andriamanitra ve any Israely no mandeha hanontany an'i Bahala-Zeboba andriamanitr'i Hekrona ianareo?

4 Dia ampio koa hoe: Izao no tenin'ny TOMPO ho an'ny mpanjakan'i Israely: 'Tsy hiala eo am-parafara izay nandrianao intsony ianao, fa ho faty tokoa.' Ary lasa i Elia nampita hafatra.

5 Dia niverina tany amin'ny mpanjaka ireto iraka. Rehefa nanontany ny anton'ny niverenany kosa i Ahazia, dia novaliany hoe:

6 Nisy lehilahy iray nanatona anay sady nanome baiko anay mba hiverina aty aminao ka hilaza aminao izao tenin'ny TOMPO izao: Moa tsy misy Andriamanitra ve any Israely no maniraka hanontany an'i Bahala-Zeboba andriamanitr'i Hekrona ianareo? Noho izany, dia tsy hiala eo am-parafara izay nandrianao intsony ianao, fa ho faty tokoa!

7 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ireo: Fa manao ahoana izay lehilahy tonga nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?

8 Dia novaliany hoe: Manao akanjo volom-biby sy fehikibo hoditra izy. Dia hoy ny mpanjaka: I Elia avy any Tisbe izay!

9 Dia nandefa manamboninahitra iray miaraka amin'ny miaramila dimampolo ny mpanjaka mba hisambotra an'i Elia. Ary ireo niakatra tery an-tampon-tendrombohitra izay nipetrahan'i Elia. Dia nitenenan'ilay manamboninahitra izy hoe: Ry olon'Andriamanitra o, midina ianao, hoy ny mpanjaka!

10 Fa novalian'i Elia hoe: Raha olon'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramila dimampolo fehezinao! Dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ilay manamboninahitra sy ny miaramilany dimampolo.

11 Ary nalefan'ny mpanjaka indray ny manamboninahitra iray hafa miaraka amin'ny miaramila dimampolo hankany amin'i Elia. Dia nitenenan'ilay manamboninahitra izy hoe: Ry olon'Andriamanitra, midina faingana ianao, hoy ny mpanjaka!

12 Fa novalian'i Elia hoe: Raha olon'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramila dimampolo fehezinao! Dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ilay manamboninahitra sy ny miaramilany dimampolo.

13 Mbola nalefan'ny mpanjaka koa ny manamboninahitra iray hafa miaraka amin'ny miaramila dimampolo. Dia niakatra ny tendrombohitra ilay manamboninahitra; rehefa tonga izy, dia nandohalika teo anatrehan'i Elia ka nitalaho taminy nanao hoe: Ry olon'Andriamanitra o, mba tsimbino re ny aiko sy ny an'ireto miaramilako dimampolo ireto!

14 Fantatro fa efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra izay nandevona ireo manamboninahitra roa talohako mbamin'ny miaramila feheziny avy. Ankehitriny kosa mba tsimbino re ny aiko!

15 Ary hoy ny anjelin'ny TOMPO tamin'i Elia: Midina miaraka aminy, fa aza matahotra azy. Dia nidina niaraka tamin'ilay manamboninahitra ho any amin'ny mpanjaka i Elia,

16 ka nilaza tamin'i Ahazia ny tenin'ny TOMPO hoe: Satria naniraka olona hanontany an'i Bahala-Zeboba andriamanitr'i Hekrona ianao, hoatra ny hoe tsy misy Andriamanitra mba azo anontaniana eto amin'i Israely, dia tsy ho tafala eo am-parafara izay nandrianao intsony ianao fa ho faty tokoa.

17 Dia maty tokoa araka ny tenin'ny TOMPO voalazan'i Elia i Ahazia; ary satria tsy mba niteraka izy, dia i Jorama rahalahiny no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jorama zanakalahin'i Josafata sady mpanjakan'i Joda.

18 Ny sisa amin'ny tantaran'i Ahazia ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0566