Josoa

Toko 1 Taorian'ny nahafatesan'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO, dia nitenenan'ny TOMPO i Josoa zanakalahin'i Nona sady mpanampy an'i Mosesy nataony hoe:
Toko 2 Ary i Josoa, zanakalahin'i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin'i Sitima ka niteny taminy hoe: Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tananan'i Jerikao. Nony tonga tao an-tanana izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon'ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.
Toko 3 Ny ampitso dia nifoha vao maraina i Josoa mbamin'ireo Israelita rehetra ka nandao ny tobin'i Sitima ary nankany amoron'i Jordana, dia nijanona teo alohan'ny hiampitany.
Toko 4 Rehefa tafita an'i Jordana avokoa ny firenena manontolo, dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa:
Toko 5 Ny mpanjaka rehetra, tamin'ny Amorita nonina teny andafy andrefan'i Jordana sy tamin'ny Kanahanita nonina tany amoron'ny Ranomasina Mediteranea, dia nahare fa nataon'ny TOMPO maina ny falehan'ny ranon'i Jordana teo anoloan'ny Israelita mandra-pitany; noho izany dia ketraka ny fon'ireo mpanjaka ireo ka tsy nanam-pahasahiana intsony ry zareo hanoherana ny Israelita.
Toko 6 Tamin'izay ny vavahadin'i Jerikao dia nihidy mafy tokoa teo anoloan'ny Israelita, ka tsy nisy olona afa-nivoaka ny tanana ary tsy nisy afa-niditra.
Toko 7 Nanao fahadisoana bevava ny Israelita tamin'ny fandikana didy momba ireo zavatra voatokana hafoy ho an'ny TOMPO; fa naka zavatra sasany tamin'ireo i Hakana, zanakalahin'i Karmy sy zafin'i Zabdia ary zafiafin'i Zera sady anisan'ny fokon'i Joda, koa tezitra tamin'ny Israelita ny Tompo.
Toko 8 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao. Ento miaraka aminao ny tafikao manontolo ka miainga hamely an'i Hay. Indro fa hatolotro ho eo an-tananao ny mpanjakan'i Hay sy ny vahoaka ary ny tananany sy ny taniny.
Toko 9 Ary ny vaovao momba ny faharavan'i Hay dia ren'ireo mpanjaka izay teny amin'ny faritra rehetra andafy andrefan'i Jordana; teny amin'ny havoana sy teny amin'ny lemak'i Sefela ary teny amin'ny tany rehetra amoron'ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany Libano. Koa nifamory ny mpanjaka hetita sy amorita mbamin'ny mpanjaka kanahanita sy perizita ary ny mpanjaka hivita sy jebosita
Toko 10 Ren'i Adony-Tsedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa azon'i Josoa ary nopotehiny tanteraka i Hay sady novonoiny ny mpanjakany; ka tahaka izay nataony tamin'i Jerikao sy ny mpanjakany no nataony tamin'i Hay. Reny koa fa ireo mponina tao Gibehona dia efa nanao fanekempihavanana tamin'ny Israelita ka miara-monina aminy.
Toko 11 Nony ren'i Jabina mpanjakan'i Hatsora ny fandresen'i Josoa, dia nandefasany iraka i Jobaba mpanjakan'i Madona sy ny mpanjakan'i Simrona ary ny mpanjakan'i Aksafa.
Toko 12 Mpanjaka roa no efa noresen'ny Israelita tany atsinanan'i Jordana ka nobodoiny ny taniny, nanomboka hatreo amin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatrany amin'ny tendrombohitra Hermona, ary mahafaoka ny lohasahan'i Jordana ilany atsinanana.
Toko 13 Nony efa tena antitra i Josoa, dia nitenenan'ny TOMPO hoe: Efa tena antitra ianao ity, nefa midadasika tokoa ny faritany sisa tsy mbola azo:
Toko 14 Ireto no zaratany izay nomena ny Israelita tao amin'ny tany Kanahana. I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin'i Nona ary ireo filohan-tarika teo amin'ny foko israelita no nizara azy.
Toko 15 Izao no zaratany azon'ny foko taranak'i Joda tamin'ny antsapaka mba ho an'ireo tarika ao anatiny. Nitatra hatrany amin'ny sisin-tanin'i Edoma izany; ary ny taniefitr'i Tsina, any Negeba, no farany atsimo.
Toko 16 Izao no zaratany navoakan'ny antsapaka ho an'ny taranak'i Josefa. Ny sisiny atsimo dia manomboka hatreo Jordana akaikin'i Jerikao, eo atsinanan'ny loharanon'ny tanana. Avy eo Jerikao dia mihazo ilay taniefitra miakatra ho any amin'ny tendrombohitr'i Betela.
Toko 17 Izao no zaratany navoakan'ny antsapaka ho an'ny fokon'i Manase izay lahimatoan'i Josefa. Teny atsinanan'i Jordana, ny tarik'i Makira, lahimatoan'i Manase sady rain'i Gilehada, dia nomena ny faritany Gilehada sy Basana, satria miaramila mahery fo i Makira.
Toko 18 Taorian'ny nandresen'ny Israelita ilay tany, dia nivory tao Silao ny fiangonana israelita tsivakivolo ka tao no nananganany ny Tranolay fihaonana amin'Andriamanitra.
Toko 19 Ny anjara navoakan'ny antsapaka faharoa dia azon'ny foko simehonita ho an'ireo tarika ao anatiny. Ny zarataniny dia tao anivon'ny an'ireo taranak'i Joda.
Toko 20 Ary ny TOMPO dia nandidy an'i Josoa,
Toko 21 Ary ny filoham-pianakaviana tamin'ny fokon'i Levy dia nanatona an'i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin'i Nona ary ny filoham-pianakaviana tamin'ny foko israelita;
Toko 22 Dia novorin'i Josoa ny vatan-dehilahy tao amin'ny fokon'i Reobena sy fokon'i Gada ary antsasa-pokon'i Manase any atsinanana,
Toko 23 Fotoana ela taorian'ny nanomezan'ny TOMPO fandriampahalemana ho an'i Israely ka nanafahany azy tamin'ireo fahavalo rehetra nanodidina azy, dia efa antitra be i Josoa.
Toko 24 Namory ny fokon'i Israely rehetra tao Sekema i Josoa. Nantsoiny avokoa ireo loholony sy lehilahy ary mpitsarany sy manamboninahiny, ka tonga niseho teo anatrehan'Andriamanitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0415