Josoa
Toko faha-11
1 Nony ren'i Jabina mpanjakan'i Hatsora ny fandresen'i Josoa, dia nandefasany iraka i Jobaba mpanjakan'i Madona sy ny mpanjakan'i Simrona ary ny mpanjakan'i Aksafa.2 Nandefasany iraka ihany koa ireo mpanjaka izay any an-tendrombohitra any avaratra sy ireo mpanjaka tany amin'ny lohasahan'i Jordana eo atsimon'ny farihin'i Genesareta, ary ireo mpanjaka teny amin'ny lemak'i Sefela sy teny amoron-tsiraka akaikin'i Dora ao andrefana.
3 Nandefasan'i Jabina iraka ihany koa ny Kanahanita tany atsinanana sy andrefan'i Jordana, ny Amorita sy Hetita ary ny Perizita sy Jebosita tany an-tendrombohitra, ary ireo Hivita nonina tany am-pototr'i Hermona, tany amin'ny faritanin'i Mitsepa.
4 Dia niainga ireo mpanjaka rehetra ireo, niaraka tamina miaramila tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina ary soavaly sy kalesy maro dia maro.
5 Nifanaraka izy rehetra ka tonga niara-nitoby teo akaikin'ny loharanon'i Meroma mba hiady amin'ny Israelita.
6 Fa hoy ny TOMPO tamin'i Josoa: Aza matahotra an'ireo ianao; fa rahampitso amin'ny ora toy izao, dia hatolotro ho fatin-dratra eo anatrehan'ny Israelita izy rehetra ireo. Koa traingoy ny soavaliny ary dory amin'ny afo ny kalesiny.
7 Dia lasa i Josoa sy ny tafiny manontolo hamely tampoka ny fahavalo tao akaikin'ny loharanon'i Meroma, ka niantoraka taminy.
8 Natolotry ny TOMPO teo an-tanan'ny Israelita ireo ka resiny, nenjehiny nianavaratra hatrany Sidona tanan-dehibe sy hatrany Misrefota-Maima ary hatrany amin'ny lohasahan'i Mitsepa any atsinanana. Nasian'ny Israelita ireo ka tsy nisy niangana.
9 Araka izay nolazain'ny TOMPO no nataon'i Josoa taminy, ka notraingoiny ny soavalin'ireo ary nodorany tamin'ny afo ny kalesiny.
10 Rehefa niverina i Josoa, dia naka an'i Hatsora satria i Hatsora no renivohitr'ireo fanjakana tany avaratra. Novonoiny tamin'ny sabatra ny mpanjakany
11 ary nasainy naringana avokoa ny olona rehetra tao; tsy nisy zava-manana aina niangana mihitsy, sady nodorana ny tanana.
12 Ary nalain'i Josoa koa ny tananan'ireo mpanjaka hafa rehetra mbamin'ny fanjakany, ka naringany tamin'ny sabatra ireo mpanjaka sy ny mponina rehetra isan-tanana, araka izay efa nandidian'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO.
13 Kanefa ireo tanana rehetra niorina teny amin'ny havoana dia tsy mba nodoran'ny Israelita, afa-tsy i Hatsora irery izay nasain'i Josoa nodorana.
14 Ary norobain'ny Israelita ho azy avokoa ny zavatra rehetra tao amin'ireo tanana an-kavoana ireo mbamin'ny biby fiompy, fa ny olona rehetra ihany no naringany tanteraka tamin'ny sabatra ka tsy nisy niangana.
15 Izay baiko rehetra nomen'ny TOMPO an'i Mosesy mpanompony dia nampitainy tamin'i Josoa; ka izany no nataon'i Josoa tsy nisy namelany.
16 Dia azon'i Josoa avokoa ilay tany: dia ny faritra be tendrombohitra sy i Negeba manontolo any atsimo, ny faritr'i Gosena manontolo, ny lemak'i Sefela, ny lohasahan'i Jordana, ary ny faritra misy tendrombohitra sy lemaka any avaratra.
17 Resin'i Josoa ary novonoiny ireo mpanjaka nipetraka teo anelanelan'ilay tendrombohitra ngazana miakatra ho any Sehira ao atsimo sy i Bahala-Gada eo amin'ny lohasahan'i Libano am-pototry ny tendrombohitra Hermona any avaratra.
18 Naharitra ela ny ady nataon'i Josoa tamin'ireo mpanjaka rehetra ireo.
19 Tsy nisy tanana nanaovan'ny Israelita fanekempihavanana afa-tsy i Gibehona izay nonenan'ny Hivita; fa ireo tanana hafa rehetra dia nalainy tamin'ny ady avokoa.
20 Ny TOMPO manko no nahatonga azy ireny ho mafy fo ka hihantsy ady tamin'ny Israelita mba handringanana azy tanteraka tsy misy indrafo, satria tsy maintsy naringana ireny araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.
21 Tamin'izany fotoana izany koa i Josoa no nandeha niady tamin'ny Hanakita rehetra izay tany amin'ny faritra be tendrombohitra, dia tany Hebrona sy Debira ary Hanaba mbamin'ny havoan'i Joda sy i Israely manontolo. Nasain'i Josoa naringana avokoa izy sy ny tananany
22 ka tsy nisy Hanakita tavela intsony teo amin'i Israely, afa-tsy tao Gaza sy Gata ary Asdoda.
23 Dia azon'i Josoa avokoa ilay tany, araka izay rehetra efa nambaran'ny TOMPO tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho fananan'ny Israelita izany ka nozarazarainy araka ny fokony avy. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.