Josoa

Toko faha-6

1 Tamin'izay ny vavahadin'i Jerikao dia nihidy mafy tokoa teo anoloan'ny Israelita, ka tsy nisy olona afa-nivoaka ny tanana ary tsy nisy afa-niditra.

2 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa: Indro fa atolotro eo an-tananao i Jerikao sy ny mpanjakany ary ny maherifony.

3 Koa mandehana manodidina ny tanana indray mandeha isan'andro ianao sy ny mpiantafikao rehetra; mandritra ny enina andro no hanaovanao izany

4 ka mpisorona fito samy mitondra trompetra iray avy no hialoha ny Vatamasina. Amin'ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanana, ary mandritra izany aoka ny mpisorona hitsoka ny trompetrany.

5 Rehefa re manao feo lavareny ny trompetra, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra ka hirodana amin'izay ny mandan'ny tanana; ary hiakatra hamely samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita.

6 Dia niantso ny mpisorona i Josoa zanakalahin'i Nona ka nanao taminy hoe: Entonareo ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO, ary aoka hisy mpisorona fito mitondra trompetra eo alohany.

7 Avy teo dia nanome baiko ny vahoaka i Josoa mba hanodidina ny tanana, ka ny andian-tafika mpamaky lay no handeha mialoha ireo mpisorona fito mitondra trompetra eo alohan'ilay Vatamasin'ny TOMPO.

8 Dia araka izay baiko nomen'i Josoa no fizotran-javatra. Ny mpisorona fito mitondra trompetra no nandroso sady nitsoka trompetra teo alohan'ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO.

9 Ny andian-tafika mpamaky lay no nialoha ireo mpisorona ireo ary ny vodilalana kosa nanaraka ny Vatamasina. Teny am-pandehanana, dia notsofina hatrany ny trompetra.

10 Ary Josoa efa nandidy ny vahoaka hoe: Aza manakora na manao izay andrenesam-peo na mamoaka teny akory aza; fa amin'ny andro hilazako aminareo hoe manaova akoran'ady, vao hanao akoran'ady ianareo.

11 Dia nentina nanodidina ny tanana indray mandeha ny Vatamasin'ny TOMPO; ary niverina tany an-toby ny Israelita ka nandry tao.

12 Nifoha vao maraina be i Josoa ny ampitso ary nolanjain'ny mpisorona indray ny Vatamasin'ny TOMPO.

13 Ny mpisorona fito mpitondra trompetra no nandroso sady nitsoka trompetra teo alohan'ny Vatamasina. Ny andian-tafika mpamaky lay nialoha ireo mpisorona ireo ary ny vodilalana kosa nanaraka ny Vatamasina. Teny am-pandehanana dia notsofina hatrany ny trompetra.

14 Tamin'io andro faharoa io dia nanodidina ny tanana indray mandeha koa ry zareo, vao niverina tany an-toby. Enina andro no nanaovany toy izany.

15 Fa tamin'ny andro fahafito dia nifoha mbola maizimaizina ny Israelita ka nanodidina ny tanana toy ny fanaony, saingy impito misesy; tamin'izany andro izany ihany anefa ry zareo no nanodidina ny tanana impito misesy.

16 Ary tamin'ny fihodinana fahafito, rehefa nampaneno ny trompetra ireo mpisorona, dia hoy i Josoa tamin'ny vahoaka: Manaova akoran'ady fa efa natolotry ny TOMPO anareo ny tanana!

17 Ary ny tanana mbamin'izay rehetra ao aminy dia haringana hafoy ho an'ny TOMPO. Fa i Rahaba mpivaro-tena sy izay rehetra miaraka aminy ao an-tranony ihany no avelao ho velona, satria ravehivavy io no nanafina ireo mpitsikilontsika.

18 Kanefa mitandrema ianareo fandrao hitsiriritra ireo zavatra haringana hafoy ho an'ny Tompo ka maka amin'ireo, fa hitondra loza sy fandravana ho an'ny tobin'i Israely ianareo.

19 Ny volafotsy sy volamena rehetra ary ny fanaka rehetra halimo sy vy dia hatokana ho Azy TOMPO ka haiditra ao amin'ny firaketan'ny TOMPO.

20 Dia nitsoka trompetra ny mpisorona. Ka raha vao nandre ny feon-trompetra ny vahoaka, dia nanezaka mafy nanao akoran'ady; koa nirodana tamin'izay ny manda. Dia niakatra hamely tao an-tanana samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita ka naka ny tanana.

21 Ary naringany tamin'ny sabatra avokoa ny mponina rehetra tao na lehilahy na vehivavy na antitra na tanora, mbamin'ny omby sy ny ondry aman'osy ary ny boriky.

22 Ary hoy i Josoa tamin'ireo roa lahy nisafo ny tany: Mankanesa any an-tranon'i Rahaba mpivaro-tena, ka avoahy tao izy sy ny havany rehetra araka izay efa nianiananareo taminy.

23 Dia nandeha tany izy roa lahy ka namoaka an'i Rahaba sy ny ray aman-dreniny ary ny mpiray tampo aminy sy ireo havany sisa rehetra; ary toerana azo antoka teo ivelan'ilay tobin'ny Israelita no nametrahany azy.

24 Vita izay, dia nodorana tamin'ny afo ny tanana mbamin'izay rehetra tao aminy, afa-tsy ny volafotsy sy volamena ary ny fanaka halimo sy vy izay napetraka ho rakitra tao an-tranon'ny TOMPO.

25 Fa i Rahaba mpivaro-tena mbamin'ny fianakaviany manontolo kosa dia novelomin'i Josoa noho ny nanafenan-dravehivavy an'ireo mpitsikilo izay nalefany tany Jerikao. Nonina teo anivon'ny Israelita i Rahaba ary mbola ao mandraka androany ny taranany.

26 Tamin'izany fotoana izany koa dia nanambara izao fampitandremana momba an'i Jerikao izao i Josoa nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan'ny TOMPO anie izay olona mitsangana hanamboatra an'ity tanana ity ka ny ain'ny lahimatoany no ho sandan'ny hanorenany ny fototra ary ny ain'ny faralahiny no ho sandan'ny hananganany ny vavahady!

27 Ary nomban'ny TOMPO i Josoa ka niely laza eran'ny tany izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0729