Josoa

Toko faha-12

1 Mpanjaka roa no efa noresen'ny Israelita tany atsinanan'i Jordana ka nobodoiny ny taniny, nanomboka hatreo amin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatrany amin'ny tendrombohitra Hermona, ary mahafaoka ny lohasahan'i Jordana ilany atsinanana.

2 Ny voalohany dia i Sihona, mpanjaka amorita izay nonina tao Hesbona: izy no nanjaka tamin'ny antsasaky ny lohasahan-driaka Arnona hatreo Harohera no midina, sy tamin'ny antsasaky ny faritany Gilehada tafapaka hatrany amin'ny renirano Jaboka izay sisintanin'ny Hamonita;

3 azy koa ny lohasahan'i Jordana ilay atsinanana, manomboka hatreo amin'ny farihin'i Genesareta any avaratra, ka hatrany amin'ny Ranomasina Maty eo akaikin'i Bety-Jesimota; ary tao atsimo kokoa dia azy ny faritany eo am-pototry ny havoana Pisga.

4 Ny faharoa dia i Hoga, iray amin'ireo Refaita sisa tavela; mpanjakan'i Basana izy ary nipetraka tao Hastarota na Edrehy.

5 Ny faritra nanjakan'i Hoga dia ireto avy: ny tendrombohitra Hermona; i Sala, i Basana manontolo tafapaka hatrany amin'ny sisin-tanin'ny Gesorita sy Mahekatita; ary farany ny antsasaky ny faritrany Gilehada tafapaka hatrany amin'ny sisin-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona.

6 Resin'i Mosesy sy ny Israelita ry i Sihona sy i Hoga; ka ny taniny dia nomen'i Mosesy, mpanompon'ny TOMPO, ho lovan'ny fokon'i Reobena sy ny fokon'i Gada ary ny antsasa-pokon'i Manase.

7 Avy eo i Josoa sy ny Israelita dia nandresy ireo mpanjaka teny an-dafy andrefan'i Jordana, manomboka hatreo Bahala-Gada ao amin'ny lohasahan'i Libano any avaratra ka hatrany amin'ilay tendrombohitra ngazana miakatra ho any Sehira any atsimo. Nozarazarain'i Josoa izany tany izany ho fananan'ireo foko israelita sisa.

8 Isan'izany ny faritra be tendrombohitra, ny lemak'i Sefela, ny lohasahan'i Jordana, ny kisolosolo, ary ny taniefitra sy i Negeba any atsimo: ireo faritra ireo dia an'ny Hetita sy Amorita, an'ny Kanahanita sy Perizita, ary an'ny Hivita sy Jebosita.

9 Ireto kosa ireo tanana nisy mpanjaka resy: i Jerikao, i Hay akaikin'i Betela,

10 i Jerosalema, i Hebrona,

11 i Jarmota, i Lakisy,

12 i Heglona, i Gezera,

13 i Debira, i Gedera,

14 i Horma, i Harada,

15 i Libna, i Hadolama,

16 i Makeda, i Betela,

17 i Tapoa, i Hefera,

18 i Afeka, i Sarona,

19 i Madona, i Hatsora,

20 i Simrona-Merona, i Aksafa,

21 i Tahenaka, i Megidao,

22 i Kedesa, i Joknehama any Karmela,

23 i Dora eo amoron-tsiraka, i Goima any Galilea,

24 ary i Tiritsa; ka 31 izany no isan'ireo mpanjaka rehetra ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1065