Josoa

Toko faha-10

1 Ren'i Adony-Tsedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa azon'i Josoa ary nopotehiny tanteraka i Hay sady novonoiny ny mpanjakany; ka tahaka izay nataony tamin'i Jerikao sy ny mpanjakany no nataony tamin'i Hay. Reny koa fa ireo mponina tao Gibehona dia efa nanao fanekempihavanana tamin'ny Israelita ka miara-monina aminy.

2 Dia raiki-tahotra mafy ny mponina tao Jerosalema satria i Gibehona dia tanana lehibe noho i Hay sady tahaka ny anankiray amin'ireo tanana misy andriana, ary lehilahy mahery fo avokoa no tao aminy.

3 Noho izany, dia nandefasan'i Adony-Tsedeka iraka i Hokama mpanjakan'i Hebrona, i Pireama mpanjakan'i Jarmota, i Jafia mpanjakan'i Lakisy, ary i Debira mpanjakan'i Heglona, ka nilazany hoe:

4 Miakara hanampy ahy hamely an'i Gibehona satria ny mponina ao aminy efa nanao fanekempihavanana tamin'i Josoa sy ny Israelita.

5 Dia nivondrona ireo mpanjaka amorita dimy lahy, izany hoe ny mpanjaka tao Jerosalema sy Hebrona mbamin'ny mpanjaka tao Jarmota sy Lakisy ary Heglona, ka niakatra niaraka tamin'ny tafiny rehetra hitoby tandrifin'i Gibehona sy hanao fahirano azy.

6 Nandefa iraka ho any amin'i Josoa tany an-tobin'i Gilgala kosa ny Gibehonita ka nanao hoe: Aza arianao izahay mpanomponao, fa miakara faingana hanampy anay ka afaho izahay! Ireo mpanjaka amorita rehetra monina any an-tendrombohitra manko dia efa nivondrona hamely anay.

7 Dia niala tao Gilgala i Josoa sy ny tafika manontolo niaraka taminy, indrindra ny lehilahy mahery fo rehetra;

8 fa hoy ny TOMPO tamin'i Josoa: Aza atahoranao ny mpanjaka amorita satria hatolotro ho eo an-tananao ireo ka tsy hisy afaka hanohitra anao!

9 Dia nandeha nandritra ny alina avy tao Gilgala i Josoa sy ny tafiny ka namely tampoka an'ireo Amorita.

10 Nakorontan'ny TOMPO teo anoloan'ny Israelita ny Amorita, ka voan'ny faharesena lehibe teo akaikin'i Gibehona. Dia nenjehin'ny Israelita teny am-piakarana ho any Bety-Horona ireo, ka nasiany hatrany Hazeka sy hatrany Makeda.

11 Fa iny nandositra teo anoloan'ny Israelita iny ry zareo, ka tonga teo am-pidinana avy ao Bety-Horona, dia nandatsahan'ny TOMPO havandra vaventy avy tany an-danitra ambara-pahatongany tao Hazeka; ka be lavitra ny matin'ny havandra noho izay naripaky ny Israelita tamin'ny sabatra.

12 Tamin'ny andro nanomezan'ny TOMPO fandresena ho an'ny Israelita teo anoloan'ny Amorita, dia nivavaka tamin'ny TOMPO i Josoa ka niteny teo imason'ny Israelita hoe: Ry masoandro, mijanona eo ambonin'ny lohasahan'i Aialona!

13 Dia nijanona ny masoandro ary niato ny volana ambara-pandresin'ny firenena israelita ny fahavalony. Araka izay efa voasoratra tao amin'ny bokin'i Ilemahitsy, dia nijanona teo afovoan'ny lanitra tokoa ny masoandro, ka tsy nety hilentika indray andro manontolo.

14 Ary tsy nisy andro tahaka iny, na taloha na taoriana, izay nihainoan'ny TOMPO hatak'olona; fa niady ho an'i Israely ny TOMPO.

15 Avy eo dia niverina ho any an-toby tany Gilgala i Josoa sy ny Israelita rehetra tafaraka taminy.

16 Kanjo nandositra ireo mpanjaka amorita dimy ka niafina tao amin'ny zohy tao Makeda.

17 Hita fa niafina tao ireo ka nambara tamin'i Josoa izany.

18 Dia nanome baiko i Josoa hoe: Anakodiavo vato lehibe eo am-bavazohy ary asio olona hiambina azy.

19 Kanefa ianareo aza mijanona any, fa enjeho ny fahavalonareo ka asio avy ao ivohony; aza avela hiditra any an-tananany, satria efa natolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ao an-tananareo izy.

20 Rehefa nasian'i Josoa sy ny Israelita ireo Amorita, dia voan'ny faharesena lehibe tokoa tamin'ny farany, ary faharesena tanteraka; saingy nisy ihany afa-nandositra ka nitsofoka tao amin'ny tananany mimanda.

21 Avy teo dia niverina soa aman-tsara ho any amin'i Josoa tao an-toby tany Makeda ny tafiny manontolo. Ary tsy nisy olona sahy nanao vava ratsy tamin'ny Israelita intsony.

22 Taorian'izany, dia nasain'i Josoa novohana ny vavazohy ka havoaka tao ireo mpanjaka dimy mba hoentina eo aminy.

23 Notanterahina izany ka nentina teo amin'i Josoa ireo mpanjakan'i Jerosalema sy i Hebrona mbamin'ireo mpanjakan'i Jarmota sy i Lakisy ary i Heglona.

24 Ary nony naseho teo anatrehan'i Josoa ireo mpanjaka ireo, dia namory ny lehilahy israelita rehetra i Josoa ka niteny tamin'ny mpitari-tafika niara-nikatroka taminy nanao hoe: Manatona ianareo, ka hitsaho ny vozon'ireo mpanjaka ireo. Dia nanatona izy ka nanitsaka ny vozon'ireo mpanjaka ireo.

25 Ary hoy i Josoa tamin'ny mpitari-tafika: Aza matahotra na mivadi-po! Aoka ho sahy sy hahery ianareo fa tahaka izao no hataon'ny TOMPO amin'ny fahavalo rehetra izay hiadianareo.

26 Taorian'izany, dia novonoin'i Josoa ho faty ireo mpanjaka ary nahantony tamin'ny hazo dimy ny fatiny sady navelany teo ambara-paharivan'ny andro.

27 Tamin'ny filentehan'ny masoandro dia nasain'i Josoa nampidinina ny faty, ka natsipy tao amin'ilay zohy efa nieren'ireo mpanjaka ireo ihany ny fatiny; ary vato vaventy mifanongoa no nanentsenana ny vavazohy, ka mbola ao ireny vato ireny mandraka androany.

28 Azon'i Josoa tamin'izany andro izany koa ny tanana Makeda, ka nasainy novonoina tamin'ny sabatra ny mpanjakany sady nasainy naringana avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon'i Josoa tamin'ny mpanjakan'i Jerikao no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda.

29 Dia niala tao Makeda i Josoa sy ny Israelita rehetra niaraka taminy ka nankany Libna sy nanafika azy.

30 Natolotry ny TOMPO teo an-tanan'ny Israelita koa ny tanana; dia novonoin'ireo tamin'ny sabatra ny mpanjakany sy ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon'ny Israelita tamin'ny mpanjakan'i Jerikao no nataony tamin'ny mpanjakan'i Libna.

31 Dia niala tao Libna i Josoa sy ny Israelita rehetra niaraka taminy ka nankany Lakisy ary nanao fahirano azy sy nanafika azy.

32 Natolotry ny TOMPO teo an-tanan'ny Israelita i Lakisy ka azony tamin'ny andro faharoa. Novonoin'ireo tamin'ny sabatra ny olona rehetra tao, tahaka izay nataony tamin'i Libna.

33 Tamin'izay dia tonga i Horama mpanjakan'i Gezera mba hanampy an'i Lakisy, nefa resin'i Josoa izay mbamin'ny tafiny ka tsy nisy niangana.

34 Dia niala tao Lakisy i Josoa sy ny Israelita rehetra niaraka taminy, ka nankany Heglona ary dia nanao fahirano azy sy nanafika azy.

35 Azony androtr'io ihany ny tanana ka naringany sabatra avokoa ny olona rehetra tao; tahaka izay nataony tamin'i Lakisy ihany izany.

36 Dia niala tao Heglona i Josoa sy ny Israelita niaraka taminy ka niakatra ho any Hebrona, ary nanafika azy.

37 Azony ny tanana ka novonoiny tamin'ny sabatra ny mpanjakany sy ny olona rehetra tao. Azony koa ireo tanana rehetra manodidina an'i Hebrona, ary naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana; tahaka izay nataony tamin'i Heglona mihitsy izany.

38 Avy teo dia niverina ho any Debira i Josoa sy ny Israelita rehetra niaraka taminy ka nanafika azy.

39 Azony ny tanana sy ny mpanjakany mbamin'ireo tanana manodidina an'i Debira. Naringany tamin'ny sabatra ny mponina rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon'i Josoa tamin'i Hebrona sy i Libna mbamin'ny mpanjakany no nataon'i Josoa tamin'i Debira sy ny mpanjakany.

40 Nalain'i Josoa ny tany manontolo; noreseny avokoa ireo mpanjaka rehetra tany an-tendrombohitra sy ny faritra atsimo ary ny teny amin'ny lemak'i Sefela sy ny kisolosolo, ka tsy nisy niangana; naringany avokoa izay rehetra manana aina, araka ny didy nomen'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely.

41 Eny, nalain'i Josoa avokoa, nanomboka teo Kadesy-Barnea sy Gaza any atsimo, ka hatrany amin'ny faritanin'i Gosena sy hatrany Gibehona kosa any avaratra.

42 Koa ny mpanjaka rehetra mbamin'ny taniny manontolo dia nalain'i Josoa tamin'ny famelezana indray mandeha ihany, satria ny TOMPO Andriamanitr'i Israely mihitsy no niady ho an'ny Israelita.

43 Avy teo dia niverina ho an-toby tany Gilgala i Josoa sy ny Israelita rehetra niaraka taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562