Josoa

Toko faha-2

1 Ary i Josoa, zanakalahin'i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin'i Sitima ka niteny taminy hoe: Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tananan'i Jerikao. Nony tonga tao an-tanana izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon'ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.

2 Ary ren'ny mpanjakan'i Jerikao fa misy Israelita tonga io alina io mba hitsikilo ny tany.

3 Koa naniraka tany amin'i Rahaba izy hilaza hoe: Ireo lehilahy miantrano ao aminao ireo dia tonga mba hitsikilo ny tany manontolo. Koa atolory anay ireo!

4 Dia lasa i Rahaba nitondra azy roa lahy sy nanafina azy, vao namaly hoe: Nisy lehilahy tonga tokoa teto amiko, nefa tsy fantatro izay niaviany.

5 Saingy nony hariva ny andro ka hohidiana ny vavahadin'ny tanana, dia lasa ireo ka tsy fantatro izay nalehany. Enjeho faingana izy fa ho tratranareo!

6 Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy roa lahy ary nafeniny tao anaty tahon-drongony izay efa nalahany teo.

7 Dia niainga ireo iraky ny mpanjaka hanenjika ny mpitsikilo teny an-dalana mankany Jordana ka hatrany amin'ny fitana. Ary raha vao lasa ireto mpanenjika, dia nohidiana ny vavahady.

8 Fa talohan'ny hatorian'ny mpitsikilo no niakatra nankao aminy tao an-tampon-trano i Rahaba

9 ka niteny taminy hoe: Fantatro fa efa nomen'ny TOMPO anareo ity tany misy anay ity ka ny mponina rehetra dia raiki-tahotra anareo sady rera-po eo anoloanareo.

10 Efa renay ny fomba nataon'ny TOMPO hanamainana ny Ranomasin'ny Volotara teo anoloan'ny razanareo niala tany Ejipta. Efa renay koa fa novonoinareo i Sihona sy i Hoga izay mpanjaka amorita anankiroa tany andafy atsinanan'i Jordana ka nafoinareo ho an'ny TOMPO ny fananany rehetra.

11 Koa raha nandre izany izahay, dia ketraka ny fonay ary tsy nisy olona sahy nitsangana hanohitra anareo intsony. Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitra any an-danitra ambony sy ety an-tany ambany.

12 Ary ankehitriny, aoka hianiananareo amin'ny Tompo aho fa hamindranareo fo ny fianakaviako tahaka izay namindrako fo taminareo: koa mba omeo famantarana azo antoka aho

13 fa havelanareo ho velona ny ray aman-dreniko sy ireo mpiray tampo amiko mbamin'ny ankohonany tsirairay avy ka hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.

14 Dia novalian'izy roa lahy hoe: Raha tahiny tsy ambaranao olona izao fandalovanay mpisafo tany izao, dia hamindra fo sy hanao izay hitsiny aminao izahay, rehefa homen'ny TOMPO anay ity tany ity. Raha tsy izany no ataonay aminareo mianakavy, dia aoka ny ainay no ho faty hisolo ny anareo.

15 I Rahaba dia nipetraka tamina trano nanolotra ny mandan'ny tanana; koa naidiny tamin'ny tadimahazaka, avy teo am-baravarankely, izy roa lahy sady nilazany hoe:

16 Mandehana any an-tendrombohitra ianareo fandrao hifanena amin'ny mpanenjika, ary miafena any telo andro ambara-piveriny; aorian'izany, vao mandehana amin'ny lalanareo.

17 Dia hoy izy roa lahy tamin'i Rahaba: Ny amin'ny fianianana izay nasainao nataonay, dia izao no fomba hanatanterahany azy:

18 Rehefa tonga haka ny tany izahay, dia afatory eo amin'ny varavarankely izay nampidinanao anay ity kofehy mena ity; ary angony ao an-trano avokoa ny ray aman-dreninao sy mpiray tampo aminao mbamin'ny fianakavianao manontolo.

19 Raha misy olona mivoaka ho any ivelan'ny trano, dia izy ihany no tompon'andraikitra amin'ny fahafatesany fa tsy izahay. Ireo rehetra miaraka aminao ao an-tranonao kosa, raha misy olona mamely azy, dia izahay no tompon'andraikitra amin'ny fahafatesany.

20 Kanefa, raha tahiny ambaranao olona izao fandalovanay izao, dia afaka amin'ny fianianana izay nasainao nataonay izahay.

21 Dia nanaiky araka ny tenin'izy roa lahy i Rahaba, ka nandefa azy. Ary nony efa lasa ireo, dia nafatony teo amin'ny varavarankely ilay kofehy mena.

22 Izy roa lahy kosa nandeha nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany telo andro ambara-piverin'ireo mpanenjika. Ary nikaroka azy tany amin'ny lalana rehetra ireto mpanenjika nefa tsy nahita.

23 Dia niala ny fiereny izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia niampita an'i Jordana sy nankany amin'i Josoa, zanakalahin'i Nona.

24 Ary nitantarany ny zavatra rehetra nitranga i Josoa

25 sady nilazany hoe: Efa natolotry ny TOMPO antsika manontolo tokoa izany tany izany; ary rera-po eo anoloantsika mihitsy aza ny mponina rehetra ao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0564