Josoa
Toko faha-18
1 Taorian'ny nandresen'ny Israelita ilay tany, dia nivory tao Silao ny fiangonana israelita tsivakivolo ka tao no nananganany ny Tranolay fihaonana amin'Andriamanitra.2 Ary mbola nisy foko fito tsy mbola nahazo ny zarataniny.
3 Ka hoy i Josoa tamin'ireo Israelita ireo: Mandra-pahoviana no hiandrasanareo tsy handeha handray ny tany izay nomen'ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo anareo?
4 Koa manendre lehilahy telo isam-poko mba hirahiko hitety ny tany; avy eo dia hiverina hanao tatitra eo anatrehako ny amin'ny anjara tany noteteziny.
5 Dia hozarain'ireo ho fito toko ny tany. Ny taranak'i Joda dia hijanona amin'ny faritaniny ao atsimo, ary ny taranak'i Josefa kosa hijanona amin'ny azy ao avaratra.
6 Ataovinareo an-tsoratra ny toetoetr'ireo tany fito toko ireo ka ento aty amiko izany; dia hataoko antsapaka eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitsika izay ho anjara fokonareo avy.
7 Tsy hisy anjara ho an'ny Levita eo anivonareo satria ny fisoronana amin'ny TOMPO no lovany. Ny fokon'i Gada sy fokon'i Reobena ary antsasa-pokon'i Manase koa dia efa nahazo ny zaratany teny ampita atsinanan'i Jordana, ka i Mosesy mpanompon'ny TOMPO no nanome azy izany.
8 Dia nioman-kandeha ireo lehilahy voatendry hisafo ny tany, ka izao no baiko nataon'i Josoa taminy: Mandehana, tetezo ny tany, ataovy an-tsoratra ny toetoetrany, dia miverena aty amiko; fa eto Silao, eto anatrehan'ny TOMPO no hanaovako antsapaka izay ho anjaranareo avy.
9 Dia nandeha ireo lehilahy ireo ka nitety ny tany sy nanao an-tsoratra ny toetoetrany ary nizara azy ho fito toko miaraka amin'ny lisitry ny tanana; dia niverina ho any amin'i Josoa tao amin'ny toby tao Silao.
10 Ary nanao ny antsapaka teo anatrehan'ny TOMPO tao Silao i Josoa ka nizara ny tany ho an'ny Israelita araka ny anjara tandrifin'ny fokony avy.
11 Ny anjara voatendrin'ny antsapaka voalohany dia azon'ny foko benjaminita ho an'ireo tarika ao anatiny; ka ny velaran-taniny dia teo anelanelan'ny an'ny taranak'i Joda sy ny an'ny taranak'i Josefa.
12 Ny sisin-taniny, lafy avaratra, dia miainga hatreo Jordana ka miakatra ho any amin'ny ilany avaratr'i Jerikao, dia mahazo ny tendrombohitra any andrefana, ary miafara amin'ny taniefitr'i Bety-Avena;
13 avy eo dia mankany Lozy ka mandalo amin'ny ilany atsimon'i Lozy izay antsoina koa hoe Betela, ary midina ho any Hatarota-Adara, rehefa avy mandalo ny tendrombohitra eo atsimon'i Bety-Horona ambany.
14 Ao andrefan'io tendrombohitra io no miolaka ny sisin-tany ka mihodina mianatsimo ary miafara ao Kiriata-Bahala (antsoina koa hoe Kiriata-Jeharima), izay tananan'ny taranak'i Joda. Izany no sisin-tany lafy andrefana.
15 Ny sisin-tanin'i Benjamina, lafy atsimo kosa, dia miainga hatreo Kiriata-Jeharima, ka miankandrefana ary miafara any amin'ny loharanon'i Neftoa.
16 Avy eo midina hatrany am-pototr'ilay tendrombohitra manoloana ny lohasahan'i Hinoma ao avaratry ny lohasahan'ny Refaita, dia manaraka ny lohasahan'i Hinoma amin'ny ilany atsimo manamorona ny havoanan'ny Jebosita, ary midina hatrany Haina-Rogela.
17 Avy eo mihodina mianavaratra ka mandroso hatrany Haina-Semesa sy hatrany Gilelota izay manoloana ny fiakaran'i Adomima, ary midina ho any amin'ilay vato atao hoe vaton'i Bohana (I Bohana dia zanakalahin'i Reobena).
18 Avy eo mihazo ny ilany avaratr'ilay havoana mandondona ny lohasahan'i Jordana, dia midina amin'io lohasaha io,
19 ary mitohy any avaratr'i Bety-Hogla ka miafara any amin'ny tendrony avaratry ny Ranomasina Maty, eo am-bavaranon'i Jordana. Izany no sisin-tany, lafy atsimo.
20 I Jordana kosa no sisin-tany, lafy atsinanana. Izany no zaratany nolovan'ny Benjaminita ho an'ireo tarika ao anatiny, araka ny sisin-tany manodidina azy.
21 Ireto avy ny tanana azon'ny foko benjaminita ho an'ny tarika ao anatiny: i Jerikao, i Bety-Hogla, i Hemeke-Ketsitsa,
22 i Bety-Haraba, i Tsemaraima, i Betela,
23 i Havima, i Para, i Hofra,
24 i Kefara-Hamona, i Hofny, ary i Geba; izany hoe tanana 12 miampy ireo tanana kely miankina aminy.
25 Tao koa i Gibehona, i Rama, i Beerota.
26 i Mitsipe, i Kefira, i Motsa,
27 i Rekema, i Jirpeela, i Tarala,
28 i Tsela, i Elefa, ny tananan'ny Jebosita (izany hoe i Jerosalema), i Gibehata, ary i Kiriata; izany hoe tanan-dehibe 14 samy miampy ireo tanana kely miankina aminy. Izany no zaratany nolovan'ny Benjaminita ho an'ireo tarika ao anatiny.