Josoa

Toko faha-7

1 Nanao fahadisoana bevava ny Israelita tamin'ny fandikana didy momba ireo zavatra voatokana hafoy ho an'ny TOMPO; fa naka zavatra sasany tamin'ireo i Hakana, zanakalahin'i Karmy sy zafin'i Zabdia ary zafiafin'i Zera sady anisan'ny fokon'i Joda, koa tezitra tamin'ny Israelita ny Tompo.

2 I Josoa kosa naniraka vatan-dehilahy avy tao Jerikao ho any Hay, izay tanana ao atsinanan'i Betela eo akaikin'i Bety-Avena, ka nanome baiko azy mba hiakatra hisafo iny faritra iny. Dia niakatra nisafo an'i Hay ireo lehilahy ireo

3 ary niverina tany amin'i Josoa ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny tafika manontolo; fa roa arivo na telo arivo lahy ihany no aoka hiakatra hamely an'i Hay. Aza manasatra ny tafika manontolo any fa vitsy ihany ry zareo.

4 Koa tokony ho lehilahy telo arivo no niakatra tany. Kanjo voatery nandositra teo anatrehan'ny mponina tao Hay ireo;

5 fa nahafatesany olona 36 ny Israelita sady nenjehiny nanomboka hatreo ambavahadin'ny tanana ka hatrany Sebarima ary nasiany teny am-pidinana. Dia ketraka ny fon'ny vahoaka fa hoatra ny voatapo-drano.

6 Dia nandriatra fitafiana i Josoa sy ireo loholon'i Israely ka nanosom-bovoka ny lohany sady niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny Vatamasin'ny TOMPO mandra-paharivan'ny andro.

7 Ary hoy i Josoa hoe: Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY o! Nahoana moa izahay vahoakanao izao no nentinao nita an'i Jordana? Mba hanoloranao anay ho eo an-tanan'ny Amorita ka handringanana anay ve? Naleonay ihany nijanona tany an-dafin'i Jordana!

8 Inona moa no azoko lazaina, ry Tompo, fa ny Israelita efa nandositra teo anoloan'ny fahavalony?

9 Ho henon'ny Kanahanita sy ny mponina rehetra amin'ity tany ity izany, dia hikambana hamely anay ireo ka handringana anay; koa inona ary no hataonay mba hiekena ny lazanao lehibe?

10 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa: Mitsangana fa nahoana ianao no miankohoka toy izao?

11 Nanota ny Israelita ka nivadika tamin'ny fanekempihavanana nodidiako hotandremany; fa ny zavatra nasaiko nolevonina dia nakany sy nangalany ary nanafenany ka nataony tanaty entany.

12 Izany no tsy hahazoan'ny Israelita hanohitra ny fahavalony; fa handositra eo anoloan'ireo ny Israelita, satria efa voaozona ho ringana. Tsy homba anareo intsony Aho raha tsy fongotra teo aminareo izay nasaiko nolevonina.

13 Mandehana omany ny vahoaka mba hihaona amiko rahampitso ka ilazao izy mba samy hanadio ny tenany; fa Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely no milaza amin'ny Israelita hoe: Mbola manana zavatra nasaiko nolevonina ianareo; noho izany, tsy afaka hanohitra ny fahavalonareo ianareo raha tsy foana teo aminareo ireny zavatra ireny.

14 Rahampitso maraina dia hiseho eo anatrehako araka ny fokony avy ianareo. Ny foko izay voatondroko dia hiseho eo anatrehako isan-tarika; ary ny tarika izay voatondroko dia hiseho isam-pianakaviana; ary ny lehilahy ao amin'izay fianakaviana voatondroko dia hiseho tsirairay eo anatrehako.

15 Ary hotondroiko ilay lehilahy mitana zavatra tokony holevonina, ka hodorana amin'ny afo izy mbamin'izay rehetra azy satria nivadika tamin'ny fanekempihavanako izy ka nanao izay tsy fanao teo amin'i Israely.

16 Dia nifoha vao maraina i Josoa ny ampitso ary nampanatona ny Israelita isam-pokony, ka ny fokon'i Joda no voatondro.

17 Ary nampanatoniny isan-tarika ny fokon'i Joda ka ny tarik'i Zera no voatondro. Dia narosony isam-pianakaviana ny tarik'i Zera ka ny fianakavian'i Zabdy no voatondro.

18 Dia narosony tsirairay ny lehilahy tao amin'ny fianakavian'i Zabdy ka i Hakana, zanakalahin'i Karmy sy zafin'i Zabdy ary zafiafin'i Zera sady anisan'ny fokon'i Joda, no voatondro.

19 Dia hoy i Josoa taminy: Anaka, omeo voninahitra sy haja ny TOMPO Andriamanitr'i Israely; lazao amiko izay nataonao fa aza misy afenina ahy.

20 Dia novalian'i Hakana hoe: Marina tokoa fa izaho no nanota tamin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ary ireto avy no nataoko:

21 Tamin'ny zavatra babo dia nahitako kapaoty tsara tarehy iray avy any Babilona sy volafotsy roa kilao ary anja-bolamena antsasa-kilao. Notsiriritiko fatratra ireo ka nalaiko. Ho hitanareo milevina anaty tany ao an-daiko ireny ka ny volafotsy no any ambany indrindra.

22 Dia nandefa iraka vitsivitsy ho any amin'ny lain'i Hakana i Josoa. Nirohotra ho any faingana ireo, ary dia nahita ny zavatra nalevina ka ny volafotsy no tao ambany indrindra.

23 Navoakan'ireo avy tao an-day ireny ka nentiny tany amin'i Josoa sy ny Israelita rehetra, ary napetrany teo anatrehan'ny TOMPO.

24 Dia noraofin'i Josoa sy ny Israelita rehetra i Hakana zafiafin'i Zera, noraofiny niaraka tamin'ny volafotsy sy ny akanjobeny ary ny anja-bolamena. Nalain'ireo koa ny zanakalahin'i Hakana sy ny zanakavaviny, mbamin'ny ombiny sy ny borikiny, ondry aman'osiny, ary ny lainy mbamin'izay rehetra azy ka nentiny ho any amin'ny lohasaha Hakora.

25 Dia hoy i Josoa tamin'i Hakana: Nampidi-doza anay loatra ianao! Koa hahatonga loza aminao kosa ny Tompo anio! Dia novonoin'ny Israelita rehetra tamin'ny tora-bato i Hakana. (Novonoiny toy izany koa ny ankohonany, ary indray nodorany tamin'ny afo ny fananany rehetra).

26 Avy eo dia nananganany antontam-bato lehibe teo ambonin'i Hakana, ary mbola eo mandraka androany ilay antontam-bato. Izany no niantsoana io toerana io hoe lohasaha Hakora mandraka ankehitriny. Taorian'izany vao nitony ny hatezeran'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0661