Josoa
Toko faha-14
1 Ireto no zaratany izay nomena ny Israelita tao amin'ny tany Kanahana. I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin'i Nona ary ireo filohan-tarika teo amin'ny foko israelita no nizara azy.2 Antsapaka no nanaovana ny fizarana ho an'ireo foko sivy sy ilay antsasa-pokon'i Manase, araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.
3 I Mosesy manko efa nanome zara tany ho an'ireo foko anankiroa sy ho an'ny antsasa-pokon'i Manase tany am-pita atsinanan'i Jordana; fa ny Levita ihany tamin'izy rehetra no tsy mba nomeny,
4 satria ny taranak'i Josefa dia efa foko roa: ny fokon'i Manase sy ny fokon'i Efraima. Koa tsy nomena zaratany ny levita afa-tsy tanana honenana sy kijana manodidina azy ho an'ny biby fiompiny mbamin'ny fananany hafa.
5 Izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy no narahin'ny Israelita fony ireo nizara ny tany.
6 Indray andro dia nanatona an'i Josoa tany Gilgala ny olona sasany avy amin'ny fokon'i Joda; isan'ireny i Kaleba zanakalahin'i Jefone, avy amin'ny tarik'i Kenaza. Dia hoy i Kaleba tamin'i Josoa: Tsaroanao tsara ny teny izay nolazain'ny TOMPO tamin'i Mosesy lehilahin'Andriamanitra ny momba ahy sy ianao tany Kadesy-Barnea.
7 Efapolo taona aho tamin'izay no nirahin'Andriamanitra raha nirahin'i Mosesy, mpanompon'ny TOMPO, avy tao Kadesy-Barnea mba hisafo ity tany ity; ary nony niverina aho, dia nanao tatitra taminy araka izay tao am-poko,
8 Ireo namana izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon'ny vahoaka, fa izaho kosa nifikitra tanteraka tamin'ny TOMPO Andriamanitro.
9 Tamin'izay andro izay dia nianianan'i Mosesy aho fa ho anjara roa lova ho ahy sy ny taranako mandrakizay ny tany izay noteteziko, noho izaho nifikitra tanteraka tamin'ny TOMPO Andriamanitro.
10 Efa 45 taona izao no nanomezan'ny TOMPO izany baiko izany tamin'i Mosesy fony ny Israelita namakivaky ny taniefitra. Hatramin'izay aho mbola novelomin'ny TOMPO araka ny teniny, ka jereo ankehitriny fa efa 85 taona aho izao.
11 Kanefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin'ny andro nanirahan'i Mosesy ahy hisafo ny tany. Eny, mbola manana hery tahaka ny fahizany tokoa aho na hiady na hanao asa hafa.
12 Koa ankehitriny ary, omeo ahy iry tendrombohitra iry izay efa nampanantenain'ny TOMPO ahy tamin'izany fotoana izany; satria efa henonao tamin'izay fa ao ny Hanakita no mipetraka anaty tanana lehibe sady misy manda. Raha momba ahy ny TOMPO, dia horoahiko tao ireo, araka izay efa nolazain'Izy TOMPO.
13 Dia nitsodrano an'i Kaleba zanakalahin'i Jefone i Josoa ka nanome an'i Hebrona ho lovany.
14 Izany no nahatonga an'i Hebrona ho lovan'ny taranak'i Kaleba mandraka androany; satria i Kaleba, zanakalahin'i Jefone sady anisan'ny tarik'i Kenaza, dia nifikitra tanteraka tamin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely;
15 Fa ny anaran'i Hebrona, talohan'ny nahazoan'i Kaleba azy, dia Kiriata-Arba na hoe tananan'i Arba, satria i Arba no olo-malaza indrindra tamin'ny Hanakita. Dia nitsahatra ny ady ka nandry feizay ny tany.