Josoa
Toko faha-17
1 Izao no zaratany navoakan'ny antsapaka ho an'ny fokon'i Manase izay lahimatoan'i Josefa. Teny atsinanan'i Jordana, ny tarik'i Makira, lahimatoan'i Manase sady rain'i Gilehada, dia nomena ny faritany Gilehada sy Basana, satria miaramila mahery fo i Makira.2 Ny tany teny andrefan'i Jordana kosa dia nomena ny Manasita sisa ho an'ireo tarika ao anatiny: dia ny tarik'i Abihezera, ny tarik'i Heleka, ny tarik'i Asriela, ny tarik'i Sekema, ny tarik'i Hefera, ny tarik'i Semida. Tera-dehilahy taranak'i Manase izay zanakalahin'i Josefa ireo, samy araka ny tarika misy azy avy.
3 Fa i Tselofehada, zanakalahin'i Hefera sy zafikelin'i Gilehada ary zafiafin'i Makira sy zafin-dohalik'i Manase, dia tsy mba niteraka zazalahy fa zazavavy ihany. Ka ireto avy no anarany: i Mahala, i Noha, i Hogla, i Milka ary i Tiritsa.
4 Nanatona an'i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin'i Nona ary ireo loholom-bahoaka izy dimy mirahavavy ka nanao hoe: Ny TOMPO efa nandidy an'i Mosesy mba hanome anay zaratany eo anivon'ireo lehilahy mpiray foko aminay. Dia nisy zaratany nomena azy teo anivon'ireo lehilahy mpiray foko aminy araka ny didin'ny TOMPO.
5 Koa nanana tsinjara folo ny fokon'i Manase ankoatry ny faritany Gilehada sy Basana izay eny ampita atsinanan'i Jordana,
6 satria ny vehivavy taranak'i Manase dia nomena zaratany koa fa tsy ny lehilahy ihany. (Ny faritany Gilehada dia an'ireo Manasita hafa).
7 Ny velaran-tanin'i Manase dia mahafaoka hatreo Asera ka hatrany Mikmetata, any atsinanan'i Sekema; avy eo dia midina mianatsimo any amin'ny mponin'i Haina-Tapoa.
8 Ny faritanin'i Tapoa dia an'i Manase; fa ny tananan'i Tapao izay eo amin'ny sisintany kosa dia an'ny Efraimita.
9 Avy eo ny sisin-tany dia midina atsimon'ny lohasahan-driakan'i Kana, kanefa an'ny Efraimita ireo tanana eo atsimon'ny lohasahan-driaka na dia ao anatin'ny faritanin'i Manase aza. Dia mandalo any avaratry ny lohasahan-driaka indray ny sisin-tanin'i Manase ary mipaka amin'ny Ranomasina Mediteranea.
10 Ny tanin'i Efraima dia mitomandavana mianatsimo fa ny an'i Manase kosa mianavaratra; ary ny Ranomasina Mediteranea no samy sisiny andrefana. Ny fokon'i Asera no eo avaratra andrefan'ny fokon'i Manase ary ny an'i Jisakara no eo avaratra atsinanana.
11 Tao amin'ny faritanin'i Jisakara sy i Asera dia nahazoan'ny fokon'i Manase an'ireto tanana ireto: i Bety-Seana sy i Iblehama mbamin'ireo tanana kely miankina aminy; i Dora sy i Haina-Dora ary i Tahenaka sy i Megidao mbamin'ny mponina ao aminy avy sy ny tanana kely samy miankina aminy, izany hoe ny faritanin'i Dora.
12 Tsy naharoaka an'ireo Kanahanita hiala tamin'ireo tanana ireo anefa ny taranak'i Manase; koa mbola nipetrahan'ny Kanahanita ihany izany faritany izany.
13 Ary na dia efa nihanatanjaka aza ny Israelita, dia tsy naharoaka ny Kanahanita mihitsy saingy nampanao azy asa fanompoana.
14 Ary nitaraina tamin'i Josoa ny taranak'i Josefa nanao hoe: Nahoana no anjara iray ihany tamin'ny antsapaka no mba nomenao anay, kanefa izahay efa tonga vahoaka marobe araka izay nitahian'ny TOMPO anay?
15 Dia novalian'i Josoa hoe: Raha tahiny vahoaka marobe ianareo ka tery ho anareo ny havoanan'i Efraima, dia mandehana any amin'ny tanin'ny Perizita sy ny Refaita ka tevezo ny ala any hipetrahanareo.
16 Hoy kosa ny taranak'i Josefa hoe: Tsy ampy ho anay tokoa ny havoana, kanefa manana kalesy vy ireo Kanahanita rehetra monina ao amin'ny tany lemaka, na izay any Bety-Seana sy amin'ireo tanana kely miankina aminy na izay any amin'ny lohasahan'i Jizrehela.
17 Fa hoy i Josoa tamin'ny taranak'i Josefa, dia ny fokon'i Efraima sy ny antsasa-pokon'i Manase tany andrefana: Vahoaka marobe sady matanjaka tokoa ianareo, ka tsy anjara iray ihany no ho anareo.
18 Ho anareo koa ny havoana rakotra ala, dia hotevenareo ny ala ka halainareo ny vava ala; fa ho voaroakanareo ny Kanahanita na dia matanjaka sy manana kalesy vy aza ry zareo.