Josoa
Toko faha-3
1 Ny ampitso dia nifoha vao maraina i Josoa mbamin'ireo Israelita rehetra ka nandao ny tobin'i Sitima ary nankany amoron'i Jordana, dia nijanona teo alohan'ny hiampitany.2 Nony afaka telo andro, dia nitety ny toby ireo mpifehy vahoaka
3 ary nandidy azy hoe: Raha vao hitanareo fa entin'ny Levita mpisorona ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO Andriamanitrareo, dia ialao ity toerana misy anareo ity ka mandehana manaraka azy.
4 Izany no hahafantaranareo ny lalana halehanareo satria tsy mbola nandalovanareo mihitsy io lalana io talohan'izao. Kanefa aza manatona akaikin'ny Vatamasina ianareo fa aoka hisy tokony ho iray kilaometatra ny elanelanareo aminy.
5 Ary hoy i Josoa tamin'ny vahoaka: Diovy ny tenanareo fa rahampitso dia hanao zava-mahagaga eo anivonareo ny TOMPO.
6 Tamin'ny andro manaraka, dia nibaiko ny mpisorona i Josoa hoe: Entonareo ny Vatamasina mirakitra ny fankempihavanana ka miampita eo alohan'ny vahoaka. Dia nitondra ilay Vatamasina ireo ka nandeha teo alohan'ny vahoaka.
7 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Josoa hoe: Anio no hanamafisako ny fahefanao eo imason'ny Israelita rehetra mba hahafantarany fa tahaka izay nombako an'i Mosesy no hombako anao koa.
8 Ianao kosa mandidia ireo mpisorona mitondra ny Vatamasina mba hijanona ao anaty ranon'i Jordana raha vao tafaroboka.
9 Ary i Josoa nanao tamin'ny Israelita hoe: Manatona ety ka mihainoa izay lazain'ny TOMPO Andriamanitrareo.
10 Ho fantatrareo amin'izao fa Andriamanitra velona no eo afovoanareo, ka horoahiny tanteraka eo anoloanareo ny Kanahanita sy Hetita, ny Hivita sy Perizita, ny Girgasita sy Amorita ary Jebosita.
11 Indro ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ilay Tompon'ny tany rehetra handroso eo alohanareo ao Jordana.
12 Koa ankehitriny, mifidiana 12 lahy eo aminareo. iray avy isaky ny foko israelita.
13 Raha vao mandroboka tongotra ao anaty rano ireo mpisorona mitondra ny Vatamasin'ny TOMPO, dia ho tapaka ny ranon'i Jordana: hijanona ny rano avy any ambony ka hisavovona toy ny antontan-javatra.
14 Dia nandao ny toby mba hiampita an'i Jordana ny vahoaka; ary ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana no teo alohany.
15 Fotoan'ny fararano tamin'izay ka tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jordana. Raha vao tonga teo ny mpisorona nitondra ny Vatamasina ka nandroboka tongotra tao anaty renirano,
16 dia nijanona ny rano avy any ambony ka nisavovona toy ny antontan-javatra tery lavitra tery, dia tery amin'ny tanana Adama izay takaikin'ny tanana Tsaratana; ary ny rano ambany izay nikoriana ho any amin'ny Ranomasina Maty kosa dia ritra tanteraka, hany ka afaka niampita tandrifin'i Jerikao ny vahoaka.
17 Ny mpisorona izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO dia nijoro tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, mandra-pahatafita ny Israelita rehetra izay nandia tany maina ho eny ampita.