Josoa
Toko faha-22
1 Dia novorin'i Josoa ny vatan-dehilahy tao amin'ny fokon'i Reobena sy fokon'i Gada ary antsasa-pokon'i Manase any atsinanana,2 ka nilazany hoe: Efa notandremanareo avokoa izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO anareo, ary nankatoavinareo aho tamin'izay rehetra nasaiko nataonareo.
3 Nandritra izay andro marobe izay ka mandraka ankehitriny dia tsy nilaozanareo ny mpiray firenena aminareo fa ny baikon'ny TOMPO Andriamanitrareo no tena notandremanareo.
4 Ankehitriny, araka izay efa nampanantenainy, dia nomen'ny TOMPO Andriamanitrareo fandriampahalemana ny mpiray firenena aminareo; koa mahazo miverina any an-dainareo ianareo ankehitriny, any amin'ny tany izay efa nomen'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO ho anareo eny ampita atsinanan'i Jordana.
5 Izao anefa: Imasoy tsara ny hanatanteraka ny didy aman-dalana rehetra izay nampitain'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO taminareo, ka hitiavanareo ny TOMPO Andriamanitrareo, hizoranareo amin'ny lalana rehetra nosoritany, hitandremanareo ny didiny, hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo.
6 Ary rehefa nitsodrano azy telo tonta i Josoa, dia nandefa azy hody any aminy sady nanafatra azy hoe: Modia any aminareo miaraka amin'ny harena be, dia ny andiam-biby fiompy maro, ny volafotsy sy volamena, ny varahina sy ny vy, ary ny fitafiana miavosa; ka zarao amin'ireo mpiray foko aminareo ny zavatra nobaboina tamin'ny fahavalonareo. Dia lasa nody tany aminy avy izy telo tonta. Ny antsasapokon'i Manase dia nomen'i Mosesy zaratany tao Basana, teny ampita atsinanan'i Jordana; ny antsasany kosa nomen'i Josoa zaratany teny ampita andrefan'i Jordana, niaraka tamin'ireo foko hafa.
9 Lasa nody tany aminy tokoa ny vatan-dehilahy taranak'i Reobena sy taranak'i Gada ary anisan'ny antsasa-pokon'i Manase. Tao Silao amin'ny tany Kanahana ry zareo no nandao ny Israelita hafa mba hankany amin'ny tany Gilehada izay zaratany azony araka ny baiko nampitain'ny Tompo tamin'ny alalan'i Mosesy.
10 Ary nony tonga tao Gelilota teo amoron'i Jordana sady mbola tao amin'ny tany Kanahana izy telo tonta, dia nanorina alitara lehibe mahatalanjona teo amoron'ny renirano.
11 Dia nampandrenesina ny Israelita sisa hoe: Indro ny vatan-dehilahy taranak'i Reobena sy taranak'i Gada ary anisan'ny antsasa-pokon'i Manase nanorina alitara ao Gelilota amoron'i Jordana amin'ny sisin'ny tany Kanahana, aty amin'ny lafiny misy antsika.
12 Rehefa nandre izany ny fiangonan'ny Israelita tandrefana tsivakivolo, dia nifamory tao Silao izy rehetra mba handeha hiady amin'ireo foko tatsinanana.
13 Dia naniraka an'i Pinehasa zanakalahin'i Elehazara mpisorona ry zareo hiresaka amin'ny taranak'i Reobena sy taranak'i Gada ary antsasa-pokon'i Manase any Gilehada.
14 Niaraka taminy koa ny loholona folo, iray isaky ny foko; izy rehetra ireo dia samy loham-pianakaviana tamin'ny isan'arivo israelita.
15 Dia tonga tany amin'ny taranak'i Reobena sy taranak'i Gada ary antsasa-pokon'i Manase tany Gilehada ireo iraka ireo ka niresaka taminy
16 sady nampita izay voalazan'ny fiangonan'ny TOMPO tsivakivolo hoe: Inona izao fahotana nataonareo tamin'Andriamanitr'i Israely izao? Nahoana ianareo no miala amin'ny fanarahana Azy TOMPO ankehitriny? Fa tamin'ny nanorenanareo alitara ho anareo, dia mikomy amin'ny TOMPO ianareo!
17 Moa mbola tsy ampy ho antsika ve ny heloka tao Pehora, izay tsy mbola nodiovina ho afaka amintsika mandraka androany na dia efa nisy aza ny aretina nahavoa antsika fiangonan'ny TOMPO?
18 Ankehitriny dia miala amin'ny fanarahana ny TOMPO ianareo. Koa raha mikomy amin'ny TOMPO ianareo anio, dia ho tezitra amin'ny fiangonan'ny Israelita tsivakivolo Izy rahampitso.
19 Kanefa raha heverinareo ho tsy mendrika ny TOMPO ireto zarataninareo, dia mankanesa any amin'ny tanin'ny TOMPO izay misy ny tranolay fonenany, ka mangala zaratany eo afovoan'ny anay; fa aza mikomy amin'ny TOMPO ianareo ary aza mikomy aminay amin'ny fanangananareo alitara, ankoatra ilay alitaran'ny TOMPO Andriamanitsika.
20 Moa tsy i Hakana zanakalahin'i Zera ve no nandika ny fepetra momba ny zavatra natao hafoy ho an'ny TOMPO, kanefa dia ny fiangonan'ny Israelita tsivakivolo no niharan'ny fahatezeran'ny TOMPO? Ary tsy i Hakana irery ihany no maty tamin'ny fahadisoany.
21 Dia namaly ny taranak'i Reobena sy taranak'i Gada ary antsasa-pokon'i Manase ka nanambara tamin'iretsy iraka israelita mpifehy arivo hoe:
22 Ny TOMPO no Andriamanitry ny andriamanitra, eny, ny TOMPO no Andriamanitry ny andriamanitra! Izy dia mahalala ary ny Israelita rehetra koa hahalala ny anton'ny nanorenanay io alitara io. Raha ho fikomiana na ho fivadihana amin'ny TOMPO izany, dia aoka tsy hovonjeny izahay anio!
23 Raha tahiny hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina na sorom-pihavanana izany, dia aoka ny TOMPO mihitsy no hanafay anay.
24 Tsia, fa raha nanao izao zavatra izao izahay, dia natahotra fandrao any aoriana any ny taranakareo hiteny amin'ny taranakay hoe: Inona moa no ifandraisanareo sy ny TOMPO Andriamanitr'i Israely?
25 Ny TOMPO mihitsy manko no nametraka an'i Jordana ho faritra mampisaraka anay aminareo taranak'i Reobena sy taranak'i Gada, ka tsy misy anjaranareo amin'ny TOMPO! Dia mety hampitsahatra ny taranakay tsy hanaja ny TOMPO intsony ny taranakareo.
26 Izany no nahatonga anay hanapa-kevitra hanao io alitara io, saingy tsy hanaterana sorona dorana manontolo na sorona hafa;
27 ho vavolombelona aminay sy aminareo ary amin'ny taranatsika mifandimby kosa io alitara io fa zonay ny hanao fanompoana eo anatrehan'ny TOMPO amin'ny fanolorana sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina ary sorom-pihavanana. Amin'izay ny taranakareo, any aoriana any, dia tsy ho afa-milaza amin'ny taranakay hoe: Tsy misy anjaranareo amin'ny TOMPO.
28 Raha sendra ka hambarany aminay na amin'ny taranakay izany rahatrizay, dia hovaliana hoe: Jereo io alitara nataon'ny razanay io fa mitovy amin'ny alitaran'ny TOMPO; saingy tsy natao hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina izany, fa ho vavolombelona aminay sy aminareo.
29 Sanatria aminay mihitsy ny hikomy amin'ny TOMPO na hiala amin'ny fanarahana AZY ankehitriny, ka hanorina alitara mba hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina na sorona hafa. Eo amin'ny alitaran'ny TOMPO Andriamanitray, dia ilay alitara manoloana ny fonena-masiny ihany, no hanoloranay ireny.
30 Rehefa ren'i Pinehasa mpisorona sy ireo loholom-piangonana (izany hoe ireo Israelita mpifehy arivo tafaraka taminy) ny teny izay nambaran'ny Reobenita sy Gadita ary Manasita, dia nahafa-po azy.
31 Koa hoy i Pinehasa, zanakalahin'i Elehazara mpisorona, tamin'izy telo tonta: Ankehitriny dia fantatray fa eto afovoantsika ny TOMPO satria tsy nahavita izany fahadisoana izany taminy ianareo. Koa dia efa nanafaka ny Israelita tsy hiharan'ny famaizan'ny TOMPO ianareo.
32 Taorian'izany, dia nandao ny Reobenita sy Gadita tao Gilehada i Pinehasa zanakalahin'i Elehazara mpisorona sy ireo loholona ka niverina ho any amin'ny Israelita hafa tany Kanahana ary nanao tatitra taminy.
33 Dia nahafa-po ny Israelita izany sady nisaorany an'Andriamanitra. Tsy noheveriny intsony ny handeha hiady amin'ny Reobenita sy Gadita ka handrava ny tany izay nonenany.
34 Ary hoy kosa ny Reobenita sy Gadita hoe: Ity alitara ity no vavolombelona aminay sy aminareo fa ny TOMPO no Andriamanitra. Dia nataony hoe Vavolombelona no anaran'izany alitara izany.