Josoa
Toko faha-20
1 Ary ny TOMPO dia nandidy an'i Josoa,2 mba hilaza amin'ny Israelita hoe: Fidio ny tanana fialokalofana araka izay efa nampilazaiko an'i Mosesy taminareo.
3 Any no handosiran'izay mahafaty olona tsy nahy fa kisendrasendra, ka ho fialofana ho anareo izany mba tsy ho azon'ny mpamaly faty.
4 Ary rehefa mandositra amin'ireo tanana ireo ilay namono olona tsy nahy, dia hijanona eo anoloan'ny vavahadin'ny tanana, ka hanazava amin'ireo loholona ao an-tanana ny zava-niseho. Dia horaisin'ireo ho ao an-tananany izy ka homeny toerana mba hiara-monina aminy.
5 Raha tahiny manenjika azy ilay mpamaly faty, dia tsy hatolotr'ireo ho eo an-tanany ilay nahafaty olona satria kisendasendra no namelezany ilay namany fa tsy fankahalana azy mialoha.
6 Honina ao amin'io tanana io izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana israelita ary ambara-pahafatin'ny mpisorombe niasa tamin'izany andro izany. Dia hody ilay nahafaty olona ka hiverina an-tranony, any amin'ilay tanana izay nialany fony izy nandositra.
7 Dia natokan'ny Israelita ireto tanana ireto: i Kedesa any Galilea any amin'ny faritra havoan'i Naftaly; sy i Sekema, any amin'ny faritra havoan'i Efraima; ary i Kiriata-Arba (antsoina hoe koa Hebrona) any amin'ny faritra havoan'i Joda.
8 Teny ampita atsinanan'i Jordana tandrifin'i Jerikao kosa dia ireto tanana ireto no voafidy: i Betsera, any amin'ny taniefitra lembalemba, avy amin'ny fokon'i Reobena; sy i Ramota any Gilehada, avy amin'ny fokon'i Gada; ary i Golana any Basana, avy amin'ny fokon'i Manase.
9 Ireo tanana ireo no natokana ho fialofana ho an'ny Israelita rehetra sy ny vahiny valovotaka ao aminy; any no handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy hovonoin'ny mpamaly faty izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana israelita.