Josoa
Toko faha-13
1 Nony efa tena antitra i Josoa, dia nitenenan'ny TOMPO hoe: Efa tena antitra ianao ity, nefa midadasika tokoa ny faritany sisa tsy mbola azo:2 dia ny faritany manontolo misy ny Filistinina sy ny Gesorita,
3 izany hoe ny faritra noheverina ho kanahanita manomboka hatreo amin'ny lohasahan-driaka Sihora izay sisin-tany atsinanan'i Ejipta ka hatrany amin'ny faritanin'i Hekrona any avaratra; ao no misy ireo fanjakana dimy tamin'ny Filistinina, dia i Gaza, i Asdoda, i Askelona, i Gata ary i Hekrona; ao koa no misy ny Havita
4 any atsimo. Tsy mbola azo koa ny tanin'ny Kanahanita, manomboka hatreo Hara izay an'ny Tsidonianina ka hatrany Afeka any amin'ny sisin-tanin'ny Amorita.
5 Ao ihany koa ny faritanin'i Gebala sy i Libano atsinanana manomboka hatreo Bahala-Gada eo am-pototry ny tendrombohitra Hermona ka hatrany Lebo-Hamata.
6 Anisany koa ny faritra be tendrombohitra eo anelanelan'i Libano sy i Misrefota-Maina izay Tsidonianina avokoa no monina ao. Izaho no handroaka ireny mponina ireny eo anoloan'ny Israelita; fa ianao kosa no hizara antsapaka ny taniny ho lovan'ny Israelita araka izay efa nandidiako anao.
7 Koa ankehitriny, zarao ireto tany efa azo ireto ho lovan'ny foko sivy sy antsasa-pokon'i Manase.
8 Ny Reobenita sy Gadita miaraka amin'ilay antsasa-pokon'i Manase manko dia efa nahazo ny zaratany nomen'i Mosesy teny atsinanan'i Jordana. Araka izay nomen'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO azy,
9 ny tanin'izy telo tonta dia manomboka eo amin'ny tanana Harohera amoron'ny lohasahan-driaka Arnona sy eo amin'ilay tanana antenatenan'io lohasaha io, any atsimo; dia mahafaoka ny lembalemba rehetra manodidina an'i Medeba ka hatrany Dibona;
10 dia mahazo ireo tananan'i Sihona, ilay mpanjaka amorita nanjaka tao Hesbona sy nanan-tany tafapaka hatrany amin'ny sisin-tanin'ny Hamonita;
11 ao anatiny koa i Gilehada, ny faritanin'i Gesora sy i Maheka, ny tendrombohitra Hermona, ary i Basana manontolo hatrany Salka;
12 mbola anisan'izany koa ny fanjakan'i Hoga, iray amin'ireo Refaita sisa tavela ary nanjaka tao Hastarota sy Edrehy tany Basana. Resin'i Mosesy avokoa ireo firenena ireo ka noroahiny.
13 Tsy noroahin'ny Israelita anefa ny mponina tao Gesora sy Maheka; koa miara-monina amin'ny Israelita ry zareo mandraka androany.
14 Ny fokon'i Levy kosa no hany tsy nomen'i Mosesy zaratany holovany. Ny anjarany dia alaina amin'ny sorona dorana amin'ny afo ho an'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely araka izay efa nampanantenain'ny Tompo azy.
15 Nomen'i Mosesy anjara ny fokon'ny Reobenita ho an'ireo tarika ao aminy.
16 Ny faritaniny dia manomboka eo amin'ny tanana Harohera amoron'ny lohasahan-driaka Arnona sy eo amin'ilay tanana antenatenan'io lohasaha io, any atsimo, dia mahafaoka ny lembalemba rehetra manodidina an'i Medeba;
17 isan'izany koa i Hesbona sy ny tanana rehetra eny amin'io lembalemba io, dia i Dibona, i Bamota-Bahala, i Bety-Bahala-Mehona,
18 i Jahatsa, i Kedemota, i Mefahata,
19 i Kiriataima, Sibma, i Tsereta-Sahary izay eo amin'ilay havoana mandondona ny lohasahan'i Jordana,
20 i Bety-Pehora, ny kisolosolon'i Pisga, ary i Bety-Jerimota.
21 Ankoatra ireo tanana rehetra teny amin'ny lembalemba ireo, dia ao anatiny koa ny fanjakana manontolo izay an'i Sikona, ilay mpanjaka amorita nanjaka tao Hesbona. Noresen'i Mosesy niaraka tamin'i Sihona ireo mpanjaka midianita izay nanoa an'i Sihona ka nonina tao amin'izany tany izany: dia ry i Evy, i Rekema, i Tsora, i Hora, ary i Reba.
22 I Balahama mpimasy, ilay zanakalahin'i Behora, dia isan'ireo novonoin'ny Israelita tamin'izay.
23 I Jordana sy ny morontsiraka no sisin-tanin'ny Reobenita, ao andrefana. Ireo tanan-dehibe voatanisa ireo, miampy ny tanana kely miankina aminy, no zaratany nolovan'ny Reobenita ho an'ireo tarika ao anatiny.
24 Nomen'i Mosesy anjara koa ny fokon'i Gada; nomena ny Gadita izany ho an'ireo tarika ao anatiny.
25 Ny faritaniny dia mahafaoka ny tanana Jahezera, ny tanana rehetra ao Gilehada, ary ny antsasaky ny tanin'ny Hamonita tafapaka hatrany Harohera akaikin'i Raba;
26 dia mitatra hatreo Hesbona ka hatrany Ramata-Mitsipe sy Betonima, ary hatreo Mahanaima ka hatrany amin'ny sisin-tanin'i Lo-Dabara. 27 Tany amin'ny lohasahan'i Jordana kosa dia nisy an'i Bety-Harama sy i Bety-Nimra ary i Sokota sy i Tsafona, izany hoe ny sisa amin'ny fanjakan'i Sihona izay nanjaka tao Hesbona: tao andafy atsinanan'i Jordana no misy izany faritany izany, ka mipaka hatrany amin'ny farihin'i Genesareta any avaratra.
28 Ireo tanan-dehibe voatanisa ireo miampy ny tanana kely miankina aminy no zaratany nolovan'ny Gadita ho an'ireo tarika ao anatiny.
29 Ary nomen'i Mosesy anjara koa ny antsasa-pokon'i Manase; azon'ilay antsasa-poko taranak'i Manase izany ho an'ireo tarika ao anatiny.
30 Ny faritaniny dia manomboka eo Mahanaima ao atsimo ary mahafaoka an'i Basana manontolo, izany hoe ny fanjakana manontolo izay an'i Hoga mpanjaka tao Basana, mbamin'ny fitambaran'i Havota-Jairo, izay tanana enimpolo tao Basana;
31 ao anatiny koa ny antsasak'i Gilehada, ary i Hastarota sy i Edrehy renivohitry ny fanjakan'i Hoga mpanjakan'i Basana. Izany no faritany azon'ny taranak'i Makira zanakalahin'i Manase; azon'ilay antsasaky ny taranak'i Makira izany ho an'ireo tarika ao anatiny.
32 Ireo tany ireo no voazaran'i Mosesy teny atsinanan'i Jerikao, ampita atsinanan'i Jordana, fony izy tao amin'ny lemak'i Moaba.
33 Tsy mba nomen'i Mosesy zaratany kosa ny fokon'i Levy; satria, araka ny nolazainy taminy, dia ny manompo ny TOMPO Andriamanitr'i Israely no anjarany.