Josoa
Toko faha-16
1 Izao no zaratany navoakan'ny antsapaka ho an'ny taranak'i Josefa. Ny sisiny atsimo dia manomboka hatreo Jordana akaikin'i Jerikao, eo atsinanan'ny loharanon'ny tanana. Avy eo Jerikao dia mihazo ilay taniefitra miakatra ho any amin'ny tendrombohitr'i Betela.2 Dia mankany Lozy, mandalo an'i Hatarota izay sisin-tanin'ny Arkita,
3 midina miankandrefana ho any amin'ny sisin-tanin'ny Jafletita, mandalo an'i Bety-Horona ambany sy i Gezera, ary mipaka amin'ny Ranomasina Mediteranea.
4 Ireo taranak'i Josefa, izany hoe ny fokon-dry i Manase sy i Efraima, no nandova izany.
5 Izao kosa no velaran-tanin'ny Efraimita ho an'ireo tarika ao anatiny: ny sisiny atsimo dia manomboka hatreo Hatarota-Adara any atsinanana, tonga hatrany Bety-Horona ambony
6 ary mipaka amin'ny Ranomasina Mediteranea. Ny sisin-tany tendrony avaratra kosa dia eo Mikmetata. Eo atsinanan'i Mikmetata dia mihodina mankany Taanata-Silao ary mizotra miantsinanana ho any Janoha;
7 avy eo dia midina ho any Hatarota sy Nahara, dia mihazo an'i Jerikao ary mipaka any Jordana.
8 Eo andrefan'i Mikmetata kosa dia mihodina mankany Tapoa, manaraka ny reniranon'i Kana, ary mipaka amin'ny Ranomasina Mediteranea. Izany no zaratany nomena ireo tarika ao anatin'ny fokon'i Efraima,
9 miampy ireo tanana sy zana-bohitra notsongaina teo anivon'ny zara tanin'ny fokon'i Manase.
10 Ary ny taranak'i Efraima dia tsy nandroaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera. Koa mbola miara-monina aminy ihany ireny kanahanita ireny mandraka androany, ary nampanaoviny asa fanompoana.