Josoa

Toko faha-8

1 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao. Ento miaraka aminao ny tafikao manontolo ka miainga hamely an'i Hay. Indro fa hatolotro ho eo an-tananao ny mpanjakan'i Hay sy ny vahoaka ary ny tananany sy ny taniny.

2 Tahaka izay nataonao tamin'i Jerikao sy ny mpanjakany no hataonao amin'i Hay sy ny mpanjakany, saingy azonareo baboina avokoa ny fananany sy ny biby fiompiny. Ametraho miaramila mamitsaka hamely ny tanana avy ao ivoho.

3 Dia niainga hamely an'i Hay i Josoa sy ny tafiny. Ary i Josoa nifidy lehilahy mahery fo miisa telo alina, dia naniraka azy nony alina

4 sady nanome baiko azy hoe: Mandehana mamitsaka ao ivohon'ny tanana ianareo ka aza manalavitra azy loatra fa samia vonombonona.

5 Izaho sy ny olona rehetra miaraka amiko kosa hanatona ny tanana; ary rehefa mivoaka hifanehatra aminay toy ny tamin'ny voalohany ny mponin'i Hay, dia handositra eo anoloany izahay.

6 Hivoaka hanenjika anay ireo ka hotarihinay ho lavitra ny tanana. Hoheveriny manko fa mandositra eo anoloany toy ny tamin'ny voalohany izahay.

7 Amin'izay ianareo no hipoitra avy ao amin'ny famitsahana ka haka ny tanana, satria hatolotry ny TOMPO ho eo an-tananareo i Hay.

8 Ary raha vao azonareo ny tanana, dia dory amin'ny afo araka ny tenin'ny TOMPO. Izany no baiko omeko anareo.

9 Dia nalefan'i Josoa ireo lehilahy mahery fo ireo ho any amin'ny faritra hamitsahany ka lasa naka toerana teo andrefan'i Hay, teo anelanelan'i Betela sy i Hay; fa i Josoa nijanona teo anivon'ny tafika sisa ihany tamin'io alina io.

10 Nony ampitso dia nifoha vao maraina be i Josoa ka nisafo ny tafika; avy eo dia nitarika azy hiakatra hamely an'i Hay izy sy ny loholon'i Israely.

11 Ny miaramila rehetra izay niaraka tamin'i Josoa dia niakatra ka tonga teo amin'ny tandrifin'ny tanana; ary nitoby teo avaratr'i Hay ireo ka lohasaha no nanelanelana azy amin'ny tanana.

12 Efa nifantina tokony ho dimy arivo lahy moa i Josoa ka nametraka azy hamitsaka teo andrefan'ny tanana, teo anelanelan'i Betela sy i Hay.

13 Ny tafika ankapobeny dia nitoby tao avaratry ny tanana ary ny andiany sasany kosa tao andrefana, fa i Josoa nandany ny alina tao an-dohasaha.

14 Raha nahita izany ny mpanjakan'i Hay, dia nampamoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanana; ary nivoaka faingana hifanehatra amin'ny Israelita izy mbamin'ny miaramilany rehetra, ka niroso nankany amin'ny toerana efa nifamotoanany teo aloha, any amin'ny lohasahan'i Jordana; nefa tsy fantatry ny mpanjaka fa misy miaramila namitsaka hamely azy tao ivohon'ny tanana.

15 Nody resy teo anatrehany kosa i Josoa sy ny Israelita rehetra ka nandositra tamin'ny lalana mankany an-taniefitra.

16 Dia nifampiantso hanenjika azy ny lehilahy rehetra tao an-tanana, ary nanenjika an-dry i Josoa ka voatarika ho lasa lavitry ny tanana.

17 Tsy nisy lehilahy tavela intsony tao Hay fa samy nivoaka hanenjika ny Israelita avokoa, ary namela ny tanana hidanadana teo.

18 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa: Ambano amin'ny lefona eny an-tananao i Hay satria hatolotro eo an-tananao izy. Dia nanambanan'i Josoa ny tanana ilay lefona teny an-tanany.

19 Fa raha vao naninji-tanana i Josoa, dia niroatra avy tao amin'ny fiafenany faingana ireo Israelita namitsaka, ary nihazakazaka niditra ny tanana ka naka azy sady nandoro azy avy hatrany.

20 Nony nitodika ireo lehilahin'i Hay, dia nahita fa niakatra ho any an-danitra ny setroky ny tananany. Tsy nisy toerana handosirany intsony na ho aiza na ho aiza, fa ny Israelita izay nandositra ho any an-taniefitra dia nifotitra hamely ny mpanenjika azy.

21 I Josoa sy ny Israelita rehetra manko, rehefa nahita fa azon'ireo miaramila avy tao ivoho ny tanana ary niakatra ny setroky ny fandoroana azy, dia nifotitra ka namely ny lehilahin'i Hay.

22 Ny Israelita tafiditra tao an-tanana moa nivoaka hamely azy koa, hany ka latsaka teo afovoan'ny Israelita roa tonta ireo lehilahin'i Hay; nasian'ny Israelita ry zareo ka tsy nisy afa-nandositra, ary tsy nisy niangana velona

23 afa-tsy ny mpanjakan'i Hay izay natao sambo-belona ary natolotra an'i Josoa.

24 Novonoin'ny Israelita teny an-kodahoda avokoa ireo lehilahin'i Hay nanenjika azy. Ary rehefa matin'ny sabatra avokoa ireo, dia niverina tao Hay ny Israelita rehetra namely an-tsabatra ny mponina sisa tao.

25 Maty tamin'izany andro izany avokoa ny mponina rehetra tao Hay, dia lehilahy sy vehivavy miisa 12000.

26 Tsy nampidinin'i Josoa ny tanany nanambana lefona ambara-paharingan'ny mponina rehetra tao Hay.

27 Araka ny baiko nomen'ny TOMPO an'i Josoa dia ny biby fiompy sy ny fananana izay tao an-tanana ihany no azon'ny Israelita baboina.

28 Nodoran'i Josoa i Hay ary nataony antontan-trano rava sy haolo mandrakizay, ka dia toy izany mandraka androany.

29 Ny mpanjakan'i Hay kosa nahantona tamin'ny hazo; ka teo ihany mandra-paharivan'ny andro. Nony nilentika ny masoandro, dia nasain'i Josoa naidina ny faty, ka natsipy teo akaikin'ny vavahadin'ny tanana ary notsindrina antontan-bato miavoavo izay mbola ao mandraka androany.

30 Tamin'izany, teo an-tendrombohitra Hebala, dia nanorenan'i Josoa alitara ho an'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely.

31 Araka ny didy nampitain'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO tamin'ny Israelita, eny, araka izany didy voasoratra tao amin'ilay bokin'ny lalanan'i Mosesy izany, no nanaovany azy: dia alitara natao tamin'ny vato tsy namboarina, tsy voapaikam-by. Teo ambonin'ireo no nanolorana sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ho an'ny TOMPO.

32 Teo amin'ny vaton'io alitara io no nanoratan'i Josoa ny kopian'ny lalana izay nosoratan'i Mosesy.

33 Ny Israelita rehetra mbamin'ny loholony sy lehibeny ama-mpitsarany, ary koa ireo hafa firenena niara-nonina taminy, dia nitsangana teo andaniny sy ankilan'ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO ka nanatrika ny levita mpisorona izay nitondra azy. Teo akaikin'ny tendrombohitra Gerizima ny antsasak'ireo olona ireo, ary teo akaikin'ny tendrombohitr'i Hebala kosa ny antsasany, araka izay didy efa nomen'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO mba hitsofan-drano ny vahoaka Israely.

34 Taorian'izany, dia novakin'i Josoa avokoa ny teny raketin'ny bokin'ny lalana mbamin'ny fitahiana sy ozona, araka izay rehetra voasoratra tao.

35 Tsy nisy teny na dia iray aza tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy ka tsy novakin'i Josoa teo anatrehan'ny fiangonan'ny Israelita tsivakivolo izay nahafaoka ny zaza amam-behivavy ary koa ny vahiny niara-nonina taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554