Josoa

Toko faha-19

1 Ny anjara navoakan'ny antsapaka faharoa dia azon'ny foko simehonita ho an'ireo tarika ao anatiny. Ny zarataniny dia tao anivon'ny an'ireo taranak'i Joda.

2 Anisan'izany i Beera-Seba, i Seba, i Molada,

3 i Hatsara-Sohala, i Bala, i Hetsema,

4 i Eltolada, i Betola, i Horma,

5 i Tsiklaga, i Bety-Markabota, i Hatsara-Sosa,

6 i Bety-Lebaota ary i Saroheny: izany hoe tanan-dehibe 13 samy miampy ireo tanana kely miankina aminy.

7 Tao koa i Haina, i Rimona, i Hetera ary i Hasana: izany hoe tanan-dehibe efatra miampy ireo tanana kely miankina aminy,

8 dia ireo tanana kely rehetra hatrany Bahalato-Beera sy hatrany Ramata-Negeba. Izany no zaratany nolovan'ny foko simehonita ho an'ireo tarika ao anatiny.

9 Ny zaratany azon'ny Simehonita dia nalaina tamin'ny anjaran'ireo taranak'i Joda satria nalalaka ho an'ny taranak'i Joda ny zaratany azony. Izany no nahazoan'ny taranak'i Simehona anjara teo anivon'ny lovan'i Joda.

10 Ny anjara voatendrin'ny antsapaka fahatelo dia azon'ny Zebolonita ho an'ireo tarika ao anatiny. Ny velaran'ny zarataniny dia mitatra hatrany Sarida.

11 Avy eo ny sisin-taniny dia miankandrefana hatrany Marehala, ka mahazo an'i Dabeseta ary koa ny lohasahan-driaka izay eo atsinanan'i Joknehama.

12 Raha hatreo Sarida kosa no miantsinanana, ny sisin-tany dia mipaka any amin'ny faritanin'i Kislota-Jabora, sy mandroso hatrany Daberata ary miakatra hatrany Jafia.

13 Avy eo miampita miantsinanana any Gata-Hefera sy Heta-Katsima, dia mandroso hatrany Rimona ary mipaka any Neha.

14 Any avaratra dia mihodidina an'i Hanatona ny sisin-tany ka miafara ao amin'ny lohasahan'i Jiftahela.

15 Ny velaran-tanin'i Zebolona dia nisy tanan-dehibe 12 samy miampy ireo tanana kely miankina aminy; ka anisan'ireo tanana 12 ireo i Katata, i Nahalala, i Simrona, i Jidala, ary i Betlehema.

16 Ireo tanan-dehibe rehetra ireo miampy ny tanana kely miankina aminy no zaratanin'ny Zebolonita ho an'ireo tarika ao anatiny.

17 Ny anjara navoakan'ny antsapaka fahefatra dia azon'ny taranak'i Jisakara ho an'ireo tarika ao anatiny.

18 Ka ny velaran-taniny dia mahafaoka an'ireto tanan-dehibe ireto: i Jizrehela, i Kesolota, i Sonema,

19 i Hafaraima, i Siony, i Anaharata,

20 i Rabita, i Kisiona, i Ebetsy,

21 i Remeta, i Haina-Ganima, i Haina-Hada, ary i Bety-Patsetsa.

22 Ny sisin-tany dia mihazo an'i Jabora sy i Sahatsaima ary i Bety-Semesa, ka miafara any Jordana. Ny velaran-tanin'i Jisakara dia nisy tanan-dehibe 16 samy miampy ireo tanana kely miankina aminy.

23 Ireo tanan-dehibe rehetra ireo miampy ny tanana kely miankina aminy no zaratany nolovan'ny foko taranak'i Jisakara ho an'ireo tarika ao anatiny.

24 Ny anjara navoakan'ny antsapaka fahadimy dia azon'ny foko aserita ho an'ireo tarika ao anatiny.

25 Ka ny velaran-taniny dia mahafaoka an'ireto tanan-dehibe ireto: I Helkata, i Haly, i Betena, i Aksafa,

26 i Alameleka, i Hamehada ary i Misala. Ny sisin-tany, lafy andrefana dia mipaka amin'ny tendrombohitra Karmela sy amin'ny lohasahan-driaka Sihora-Libnata.

27 Ny sisin-tany, lafy atsinanana, dia mitodika ho any Bety-Dagona ka mifandray amin'ny tanin'i Zebolona sy mihazo ny lohasahan'i Jiftahela ary mianavaratra mankany Bety-Hemeka sy Nohiela. Avy eo mandalo amin'ireto tanan-dehibe ireto: dia i Kabela, i Misala,

28 i Habdona, i Rehoba, i Hamona, ary i Kana; ka miafara any Tsidona, tanana lehibe.

29 Avy eo ny sisin-tany dia mihodina hatrany Rama sy hatrany Tiro tanana mimanda, dia mihodina ho any Hosa ary mihatra amin'ny Ranomasina Mediteranea ka mahafaoka an'ireto tanan-dehibe ireto: i Mehaleba, i Akziba,

30 i Homa, i Afeka ary i Rehoba. Ny velaran-tanin'i Jisakara dia nisy tanan-dehibe 22 samy miampy ny tanana kely miankina aminy.

31 Ireo tanan-dehibe ireo miampy ny tanana kely miankina aminy no zaratany nolovan'ny fokon'i Asera ho an'ireo tarika ao anatiny.

32 Ny anjara navoakan'ny antsapaka fahenina dia azon'ny taranak'i Naftaly ho an'ireo tarika ao anatiny.

33 Ny sisin-taniny, lafy avaratra, dia miainga hatreo Helefa, hatreo amin'ilay oaka akaikin'i Tsahananima, dia mandalo an'i Adamy-Nekeba sy i Jabneela, ka tonga hatrany Lakoma ary miafara eo Jordana.

34 Eo andrefan'i Helefa kosa dia mihodina mankany Aznota-Jabora ilay sisin-tany ary mandroso hatrany Hakola. Miolotra amin'ny tanin'i Zebolona kosa ny sisin-tany, lafy atsimo; miolotra amin'ny tanin'i Asera ny sisin-tany, lafy andrefana; ary i Jordana no sisin-tany, lafy atsinanana.

35 Ireo tanana mimanda kosa dia i Tsidima, i Tsera, i Hamata, i Kinereta,

36 i Adama, i Rama, i Hatsora,

37 i Kedesa, i Edrehy, i Haina-Hatsora,

38 i Jirona, i Migdaliela, i Horema, i Bety-Hanata ary i Bety-Semesa; izany hoe tanan-dehibe 19 samy miampy ny tanana kely miankina aminy.

39 Ireo tanan-dehibe ireo miampy ny tanana kely miankina aminy no zaratany nolovan'ny foko taranak'i Naftaly ho an'ireo tarika ao anatiny.

40 Ny anjara navoakan'ny antsapaka fahafito dia azon'ny foko danita ho an'ireo tarika ao anatiny.

41 Ny velaran-taniny dia mahafaoka an'ireto tanana ireto: i Tsoreha, i Estaola, i Hira-Semesy,

42 i Sahalabina, i Aialona, i Jitla,

43 i Elona, i Timna, i Hekrona,

44 i Elteke, i Gibetona, i Bahalato,

45 i Jehoda, i Bene-Beraka, i Gata-Rimona,

46 ary i Rakona; ao koa ny ranon'i Jarkona sy ny tany manodidina an'i Jafao.

47 Nony tsy voatanan'ny Danita io faritany io, dia nianavaratra ireo ka niady tamin'i Lesema. Nalainy ny tanana ary naringany tamin'ny sabatra ny mponina tao; lasany tanteraka i Lesema ka nipetrahany. Ary i Lesema dia nantsoiny hoe Dana, araka ny anaran'i Dana razambeny.

48 Ireo tanan-dehibe ireo samy miampy ny tanana kely miankina aminy no zaratany nolovan'ny foko danita ho an'ireo tarika ao anatiny.

49 Ary rehefa vitan'ny Israelita ny fizarana ny tany araka ny sisin-taniny avy, dia nomeny zaratany kosa i Josoa, zanakalahin'i Nona.

50 Araka ny baikon'ny TOMPO, dia nomena an'i Josoa ny tanana izay nangatahiny, izany hoe i Timnata-Sera ao amin'ny tendrombohitr'i Efraima. Dia namboarin'i Josoa ilay tanana ka nonenany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0586