Josoa

Toko faha-21

1 Ary ny filoham-pianakaviana tamin'ny fokon'i Levy dia nanatona an'i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin'i Nona ary ny filoham-pianakaviana tamin'ny foko israelita;

2 tao Silao, tao amin'ny tany Kanahana, no nihaonana ka hoy ireo filoham-pianakaviana levita hoe: Ny TOMPO efa nanome baiko tamin'ny alalan'i Mosesy mba homena tanana maromaro honenanay izahay, ary koa homena ny kijana manodidina azy avy ho an'ny biby fiompinay.

3 Dia samy tamin'ny zarataniny avy no nanomezan'ny Israelita ireto tanana ireto mbamin'ny kijana manodidina azy mba ho an'ny Levita, araka ny baikon'ny TOMPO.

4 Ny anjara voatendrin'ny antsapaka voalohany dia ho an'ireo tarika taranak'i Kehata; anisan'ny levita kehatita ny taranak'i Aharona mpisorona ka ny azon'ireo tamin'ny antsapaka dia tanana 13 avy tamin'ny fokon'i Joda sy fokon'i Simehona ary fokon'i Benjamina.

5 Ny azon'ny taranak'i Kehata sisa kosa tamin'ny antsapaka dia tanana folo avy tamin'ny fokon'i Efraima sy fokon'i Dana ary antsasa-pokon'i Manase any andrefana.

6 Ny azon'ny taranak'i Geresona tamin'ny antsapaka dia tanana 13 avy tamin'ny fokon'i Jisakara sy fokon'i Asera ary fokon'i Naftaly sy antsasa-pokon'i Manase any Basana.

7 Ny azon'ny taranak'i Merary kosa dia tanana 12 avy tamin'ny fokon'i Reobena sy fokon'i Gada ary fokon'i Zebolona.

8 Ireo tanana ireo mbamin'ny kijana manodidina azy avy dia tamin'ny antsapaka no nanomezan'ny Israelita azy ny Levita, araka izay efa nandidian'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Mosesy.

9 Ireto no anaran'ireo tanana avy tamin'ny fokon'i Joda sy fokon'i Simehona,

10 tanana izay nomena ny taranak'i Aharona anisan'ny tarika levita kehatita satria ry zareo no nahazo ny antsapaka voalohany.

11 Nomena azy i Kiriata-Arba, na hoe tananan'i Arba araka ny anaran'ilay razamben'ny Hanakita. Io tanana io ankehitriny dia atao hoe Hebrona, any amin'ny faritra havoan'i Joda. Nomena miaraka aminy koa ny kijana manodidina azy.

12 Fa ny saha sy ireo tanana kely miankina amin'i Hebrona kosa dia efa natolotra an'i Kaleba zanakalahin'i Jefone.

13 Miaraka amin'i Hebrona, izay tanana fialofan'ny mpamono olona tsy nahy, dia natolotra ny taranak'i Aharona koa i Libna,

14 i Jatira, i Estemoa,

15 i Holona, i Debira,

16 i Hasana, i Jota, ary i Bety-Semesa: izany hoe, avy amin'ny fokon'i Joda sy fokon'i Simehona, tanana sivy mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

17 Avy tamin'ny fokon'i Benjamina koa ny nomena ny taranak'i Aharona dia i Gibehona, i Geba,

18 i Hanatota, ary i Halemeta: izany hoe tanana efatra mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

19 Ny tanana rehetra nomena ny mpisorona taranak'i Aharona dia tanana 13 mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

20 Ary ireo tarika sisa tamin'ny levita taranak'i Kehata kosa dia ireto tanana ireto no azony tamin'ny antsapaka.

21 Avy tamin'i fokon'i Efraima dia i Sekema, izay tanana fialofana ao anatin'ny faritra havoan'i Efraima, i Gezera,

22 i Kibetsaima, ary i Bety-Horona: izany hoe tanana efatra mbamin'ireo kijana samy manodidina azy.

23 Avy tamin'ny fokon'i Dana dia i Elteke, i Gibetona,

24 i Aialona, ary i Gata-Rimona: izany hoe tanana efatra mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

25 Avy tamin'ny antsasa-pokon'i Manase tany ampita andrefan'i Jordana dia i Tahenaka sy i Jiblehama: izany hoe tanana roa mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

26 Ny tanana rehetra azon'ireo tarika sisa taranak'i Kehata dia tanana folo mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

27 Ireo tarika tamin'ny levita taranak'i Geresona kosa dia ireto tanana ireto no azony. Avy tamin'ny antsasa-pokon'i Manase teny atsinanana dia i Golana any Basana, izay tanana fialofana, sy i Behestera: izany hoe tanana roa mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

28 Avy tamin'ny fokon'i Jisakara dia i Kisiona, i Daberata,

29 i Jarmota, ary i Haina-Genima: izany hoe tanana efatra mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

30 Avy tamin'ny fokon'i Asera dia i Misala, i Habdona,

31 i Helkata, ary i Rehoba: izany hoe tanana efatra mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

32 Avy tamin'ny fokon'i Naftaly dia i Kedesa any Galilea, izay tanana fialofana, i Hamota-Dora ary i Kartana: izany hoe tanana telo mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

33 Ny tanana rehetra azon'ny Geresonita ho an'ireo tarika tao anatiny dia tanana 13 mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

34 Ireo Levita hafa sisa dia ny tarika taranak'i Merary, ka ireto tanana ireto no azony. Avy tamin'ny fokon'i Zebolona dia i Joknehama, i Karta,

35 i Dimna, ary i Nahalala: izany hoe tanana efatra mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

36 Avy tamin'ny fokon'i Reobena any atsinanan'i Jordana, dia i Betsera izay tanana fialofana, i Jahatsa,

37 i Kedemota, ary i Mefahata: izany hoe tanana efatra mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

38 Avy tamin'ny fokon'i Gada dia i Ramota any Gilehada, izay tanana fialofana, i Mahanaima,

39 i Hesbona, ary i Jahezera: izany hoe tanana efatra mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

40 Koa 12 ny tanana rehetra azon'ny taranak'i Merary antsapaka ho an'ireo tarika ao anatiny, dia ireo hafa sisa anisan'ny tarika levita.

41 Ny tanana rehetra azon'ny Levita teo anivon'ny tanin'ny Israelita hafa dia 48 no isany.

42 Ireo tanana rehetra ireo dia samy manana ny kijana manodidina azy avy.

43 Nomen'ny TOMPO ho an'ny Israelita ny tany manontolo, izay efa nianianany homena ny razambeny: dia azony ho fananany tokoa izany ka nonenany.

44 Nampisy fandriam-pahalemana ho azy koa ny TOMPO tamin'ny sisin-tany manodidina azy, araka ny fianianana rehetra efa nataony tamin'ny razambeny. Nampandresen'ny TOMPO ireo fahavalony rehetra izy ka tsy nisy nahatohitra azy mihitsy ireny na iray aza.

45 Tanteraka avokoa ny zava-tsoa rehetra nambaran'ny TOMPO tamin'ny Israelita fa tsy nisy latsaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1003