Josoa

Toko faha-15

1 Izao no zaratany azon'ny foko taranak'i Joda tamin'ny antsapaka mba ho an'ireo tarika ao anatiny. Nitatra hatrany amin'ny sisin-tanin'i Edoma izany; ary ny taniefitr'i Tsina, any Negeba, no farany atsimo.

2 Ny sisin-tany ao atsimo dia manomboka eo amin'ny helodrano tendrony atsimo amin'ny Ranomasina Maty,

3 ka nivoaka eo atsimon'ny fiakaran'i Hakrabima ary mandalo an'i Tsina; dia miakatra eo atsimon'i Kadesy-Barnea, mihazo an'i Hetsirona, miakatra hatrany Adara, vao miolaka ho any Karka;

4 dia mandalo an'i Hatsimona, mandroso hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Ejipta, ary mihatra amin'ny Ranomasina Mediteranea. Izay ny amin'ny sisin-tanin'ny fokon'i Joda ao atsimo.

5 Ny sisin-tany ao atsinanana kosa dia ny Ranomasina Maty, tafapaka hatrany amin'ny vavaranon'i Jordana. Dia manomboka eo amin'io vinany io ny sisin-tany ao avaratra,

6 ka niakatra hatrany Bety-Hogla, mandalo eo avaratr'i Bety-Haraba, ary miakatra hatrany amin'ilay Vato atao hoe Vaton'i Bohana (i Bohana dia zanakalahin'i Reobena);

7 dia mbola miakatra mankany Debira izany sisin-tany izany, ka mandalo ny lohasaha Hakora, ary mihodina mianavaratra ho any Gilgala, dia ilay Gilgala manoloana ny fiakaran'i Adomima izay eo atsinanan'ny lohasahan-driaka; avy eo mandalo akaikin'ny loharano Haina-Semesa ary nihatra tany Haina-Rogela;

8 dia miakatra ny lohasahan'i Hinoma, amin'ny ilany atsimo manamorona ilay havoana misy ny Jebosita (dia i Jerosalema izany); dia mitohy miakatra ho any an-tampon'ilay tendrombohitra izay eo andrefan'ny lohasahan'i Hinoma sy eo amin'ny farany avaratry ny lohasahan'ny Refaita;

9 avy eo mihodina ho any amin'ny loharano Neftoa, mihazo ireo tanana any an-tendrombohitr'i Hefrona, vao mihodina ho any Bahala izay antsoina koa hoe Kiriata-Jeharima;

10 dia miolaka miankandrefana ho amin'ny tendrombohitra Sehira, mandalo ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jeharima izay antsoina koa hoe Kesalona, midina ho any Bety-Semesa, ary mandalo any Timna.

11 Avy eo dia mandroso hatrany amin'ny ilany avaratry ny tanana Hekrona, ka mihodina ho any Sikarona, mandalo ny tendrombohitra Bahala, dia mandroso hatrany Jabneela, ary mihatra amin'ny Ranomasina Mediteranea.

12 Ny sisin-tany ao andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea, izany hoe ny morontsiraka. Izay no faritra manodidina ny zaratany azon'ny taranak'i Joda ho an'ireo tarika ao anatiny.

13 I Kaleba, zanakalahin'i Jefone, dia nomena ampahany tao amin'ny tanin'ireo taranak'i Joda, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Josoa. Nomena azy i Kiriata-Arba, na hoe tananan'i Arba razamben'ny Hanakita; i Kiriata-Arba no natao hoe Hebrona taty aoriana.

14 Dia noroahin'i Kaleba hiala tao ireo tarika hanakita telo tonta, izany hoe ny tarik'i Sesay sy ny tarik'i Ahimana ary ny tarik'i Talmay, izay samy taranak'i Hanaka.

15 Avy tao Hebrona i Kaleba no niainga hamely ny mponina tao Debira izay nantsoina taloha hoe Kiriata-Sefera.

16 Ary hoy i Kaleba hoe: Izay olona mamely ka mahafaka an'i Kiriata-Sefera dia homeko azy i Haksa zanako vavy ho vadiny.

17 I Hotniela, ilay zanakalahin'i Kenaza rahalahin'i Kaleba, no nahafaka ny tanana; koa nomen'i Kaleba azy i Haksa zanany vavy ho vadiny.

18 Ary nony tonga teo amin'i Hotniela razazavavy, dia nampirisika azy mba hangataka saha amin'i Kaleba rainy; avy eo i Haksa dia nidina niala tamin'ny borikiny. Nanontanian'i Kaleba an-drazazavavy kosa ny zavatra ilainy,

19 ka novaliany hoe: Mba anaovy fanomezana aho! Ary satria ngazana ny tany nomenao ahy, dia mba omeo vovon-drano aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano teny ambony sy loharano teny ambany.

20 Izany no zaratany nolovan'ny foko taranak'i Joda ho an'ireo tarika ao anatiny.

21 Teo amin'ny foko taranak'i Joda dia ireto avy ireo tanana tamin'ny ilany atsimo nanakaiky ny sisin-tanin'i Edoma: i Kabitseela, i Hedera, i Jagora,

22 i Kina, i Dimona, i Hadihada,

23 i Kedesa, i Hatsora, i Jitnana,

24 i Zifa, i Telema, i Behalota,

25 i Hatsora-Hadata, i Keriota, i Hetsirona izay nantsoina koa hoe Hatsora,

26 i Amama, i Sema, i Molada,

27 i Hatsora-Gada, i Hesmona, i Bety-Peleta,

28 i Hatsara-Sohala, i Beera-Seba sy ireo tanana kely mifanila aminy,

29 i Bahala, i Hijima, i Hatsema,

30 i Eltolada, i Kenila, i Horma,

31 i Tsiklaga, i Madmana, i Sanesana,

32 i Lebaota, i Silehima, i Haina, ary i Rimona; izany hoe tanana 29 samy miampy ny tanana kely miankina aminy.

33 Ireto avy kosa ireo tanana teo amin'ny lemak'i Sefela: i Estaola, i Tsoreha, i Adena,

34 i Zanoa, i Haina-Ganima, i Tapoa, i Henama,

35 i Jarmota, i Hadolama, i Sokao, i Hazeka,

36 i Saharaima, i Haditaima, i Gedera, ary i Gederotaima; izany hoe tanana 11 samy miampy ny tanana kely miankina aminy.

37 Ao koa i Tsenana, i Hadasa, i Migdala-Gada,

38 i Dilehana, i Mitsepa, i Jokteela,

39 i Lakisy, i Botsekata, i Heglona,

40 i Kabona, i Lahemasa, i Kitlisa,

41 i Gederota, i Bety-Dagona, i Nahama, ary i Makeda; izany hoe tanana 16 samy miampy ny tanana kely miankina aminy.

42 Ankoatra ireo i Libna, i Hetera, i Hasana,

43 i Jifta, i Asena, i Netsiba,

44 i Kehila, i Akziba, ary i Maresa; izany hoe tanana sivy samy miampy ireo tanana kely miankina aminy.

45 Ao koa i Hekrona miampy ny tanana kely sy zana-bohitra miankina aminy;

46 ireo tanana kely sy zana-bohitra rehetra mifanila amin'i Asdola ka eo anelanelan'i Hekrona sy ny Ranomasina Mediteranea;

47 i Asdoda sy i Gaza samy miampy ireo tanana kely sy zana-bohitra miankina aminy, hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Ejipta sy hatrany amoron'ny Ranomasina Mediteranea.

48 Ireo tanana teny amin'ny faritra havoana kosa dia i Samira, i Jatira, i Sokao,

49 i Dana, i Kiriata-Sana izay nantsoina koa hoe Debira,

50 i Hanaba, i Estemao, i Hanima,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0564