Deoterônômy
Toko 1 Ireto avy no lahateny nataon'i Mosesy tamin'ny Israelita rehetra, fony ireo mbola tsy niampita ny ony Jordana. Tanatin'ny taniefitr'i Haraba, teo akaikin'i Sofa, ny Israelita tamin'izay, dia tanelanelan'i Parana an-kilany ary Tofela sy Labana mbamin'i Hatserota sy Dizahaba an-daniny.
Toko 2 Avy eo niverin-dia kely isika, ka nandeha an-taniefitra nizotra ny lalana mankany amin'ny Ranomasin'ny Volotara, araka izay nolazain'ny TOMPO tamiko; ary naharitra ela ihany isika teny amin'ny manodidina ny tendrombohitra Sehira.
Toko 3 Dia nihodina niakatra tamin'ny lalana mankany Basana isika; ary niainga hiady amintsika tao Edrehy i Hoga mpanjakan'i Basana, mbamin'ny tafiny manontolo.
Toko 4 Ary hoy indray i Mosesy hoe: Ankehitriny, ry Israelita, henoy ny lalana amam-pitsipika izay ampianariko anareo hotanterahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy hanana ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anareo.
Toko 5 Dia novorin'i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: Ry Israelita, henoy ny lalana amam-pitsipika izay ampitaiko ho renareo anio; ianaro ireo ary imasoy ny fanatanterahana azy.
Toko 6 Izao no didy sy lalana amam-pitsipika, nasain'ny TOMPO Andriamanitrareo hampianarina hotanterahinareo any amin'ny tany izay hiampitanareo mba halainareo ho fananana.
Toko 7 Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin'ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasita, ny Amorita sy ny Kanahanita, ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
Toko 8 Ny didy izay ampitaiko aminareo anio dia imasoy avokoa ny hanatanteraka azy, mba ho velona ianareo sy hihamaro ary hiditra haka ho fanananareo ny tany izay tamim-pianianana no nampanantenan'ny TOMPO azy ny razambenareo.
Toko 9 Mihainoa, ry vahoaka Israely o! Efa hiampita an'i Jordana ianareo izao, ary hiroso handroaka firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianareo, sady hahafaka tanana lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra.
Toko 10 Tamin'izany andro izany no nilazan'ny TOMPO tamiko hoe: <Manamboara takela-bato anankiroa tahaka ny teo, ary manaova koa vatahazo anankiray; dia miakara ho aty amiko aty an-tendrombohitra.
Toko 11 Tiava ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tandremo isan'andro izay asainy tandremana, dia ny lalanany sy ny fitsipiny ary ny didiny.
Toko 12 Ireto no lalana amam-pitsipika izay himasoanareo hotanterahina any amin'ny tany izay homen'ny TOMPO, Andriamanitry ny razambenareo, ho fanananareo; amin'ny andro rehetra hiainanareo eto an-tany no himasoanareo hotanterahina ireo lalana amam-pitsipika ireo.
Toko 13 Imasoy hotanterahina avokoa ny didy izay ampitaiko aminareo ka aza anampiana izany ary aza anesorana.
Toko 14 Zanak'ilay TOMPO Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo na manaratra ny volon-doha eo ambonin'ny handrinareo noho ny amin'ny maty.
Toko 15 Isaky ny fito taona dia hanao famoizan-trosa ianareo,
Toko 16 Tandremo fa amin'ny volana Abiba no hankalazanareo ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo. Volana Abiba manko no nitondran'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo niala tany Ejipta tamin'ny alina.
Toko 17 Aza atao sorona ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ny omby sy ondry aman'osy izay misy kilema maharatsy azy, satria fanimbazimbana an'ilay TOMPO Andriamanitrareo ny manao izany.
Toko 18 Ny Levita mpisorona sy ny hafa rehetra anisan'ny fokon'i Levy dia tsy mba hanana zaratany na anjara miaraka amin'ny Israelita namany; fa ny ho fihinany dia ny sorona sy anjara atolotra ho an'ny TOMPO.
Toko 19 Rahatrizay haringan'ny TOMPO Andriamanitrareo sady horesenareo ny firenena mpanana ny tany izay homen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia honenanareo ny tananany sy ny tranony.
Toko 20 Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo.
Toko 21 Eo amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia mety hisy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha saingy tsy fantatra izay namely nahafaty azy.
Toko 22 Raha hitanareo mania ny omby na osy na ondrin'ny mpiray firenena aminareo, dia tsy hialanareo fotsiny izany fa hoentinareo miverin-doha any amin'ny tompony mihitsy.
Toko 23 Tsy misy olona mahazo miray amin'ny vadin-drainy, fa mahavery zo aman-kasina an-drainy izany.
Toko 24 Mety misy lehilahy naka vady sy efa nampakatra azy; kanefa tafara tsy tia azy intsony ralehilahy noho ny ahitany zavatra azo kianina eo amin-dravehivavy. Dia hanoratra taratasy fanariam-bady ho an-dravehivavy izy sy hanolotra izany eo an-tanany ka hampiala azy ao an-tranony.
Toko 25 Mety misy olona anankiroa manana ady ka mankeo amin'ny fitsarana; dia tsaraina izy roroa ka homen-drariny izay manan-drariny ary hohelohina kosa izay meloka.
Toko 26 Rahatrizay ianareo tafiditra ao amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho anjaranareo ka hahazo azy ho fanananareo sy hiorim-ponenana eo,
Toko 27 Dia nandidy ny vahoaka i Mosesy sy ny loholon'i Israely ka nanao hoe: Tandremo avokoa ny didy izay ampitaiko aminareo anio.
Toko 28 Raha ekenareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia hasandrany ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo;
Toko 29 Novorin'i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: Tany Ejipta dia efa hitanareo izay rehetra nataon'ny TOMPO teo imasonareo tamin'ny Farao sy ny tandapany rehetra ary ny taniny manontolo.
Toko 30 Ho tonga aminareo izany zavatra rehetra izany, dia ny fampanantenam-pitahiana sy fanambaran-doza izay nataoko teo anoloanareo. Ary any amin'ny firenena rehetra handroahan'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hotsarovanareo ao am-ponareo izany,
Toko 31 Dia avy indray i Mosesy nampita ireto teny ireto tamin'ny Israelita ka nanao taminy hoe:
Toko 32 Mihainoa, ry lanitra fa hiteny aho; ny tany mandrenesa ny lazain'ny vavako.
Toko 33 Rehefa nadiva ho faty i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, dia izao no tsodrano nataony tamin'ny Israelita:
Toko 34 Dia niainga avy teo amin'ny lemak'i Moaba i Mosesy ka niakatra nankany amin'ny tendrombohitra Nebao, eo an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jerikao. Ary nasehon'ny TOMPO azy avokoa ilay tany: dia ny faritr'i Gilehada tafapaka hatrany Dana;