Deoterônômy

Toko faha-12

1 Ireto no lalana amam-pitsipika izay himasoanareo hotanterahina any amin'ny tany izay homen'ny TOMPO, Andriamanitry ny razambenareo, ho fanananareo; amin'ny andro rehetra hiainanareo eto an-tany no himasoanareo hotanterahina ireo lalana amam-pitsipika ireo.

2 Hopotehinareo mihitsy ny toerana fanompoan-tsampy rehetra eny an-tendrombohitra sy eny an-tampon-kavoana ary eny am-bodihazo maitso rehetra eny; amin'ireny toerana ireny manko ireo firenena horoahinareo no manompo ny andriamaniny.

3 Dia horavanareo ny alitarany, hovakivakinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo ny tsato-kazo fanajany an'i Asera, ary hokapainareo ny sarin-tsampy voasokitra izay andriamaniny; ka hofoananareo ny fahatsiarovana ireny andriamanitra sampy ireny eo amin'izany toerana izany.

4 Aza anaovanareo fomba toy ireny ny TOMPO Andriamanitrareo;

5 satria ilay toerana hofidiny eo amin'ny fokonareo rehetra mba honenany sy hipetrahan'ny voninahiny no hitadiavanareo Azy, ao ihany no halehanareo.

6 Ao no hitondranareo ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny fanalam-boadinareo, ny fanati-tsitraponareo, ary ny voalohan-teraky ny omby sy ondry aman'osinareo.

7 Ao ianareo sy ny ankohonanareo no hanao sakafo sy hifaly eo anoloan'ny Toeramasin'ilay TOMPO Andriamanitrareo noho ny fiharian-karena rehetra nitahiany anareo.

8 Aza anaovanareo fomba toy izao ataontsika ankehitriny izao ny TOMPO, ka ny tsirairay no samy manao izay heveriny ho mety.

9 Ianareo manko tsy mbola tonga any amin'ny toeram-pitsaharana, izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.

10 Fa rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka honina any amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia homeny fitsaharana ianareo ka tsy hisotasotan'ny fahavalo manodidina anareo fa handry feizay.

11 Amin'izay, ilay toerana hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan'ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin'ny TOMPO.

12 Dia hifaly eo anoloan'ny Toeramasin'ilay TOMPO Andriamanitrareo ianareo mbamin'ny zanakareo sy ny mpanomponareo ary koa ny Levita izay ao an-tanananareo, satria tsy mba manana zaratany na anjara miaraka aminareo ny Levita.

13 Mitandrema mba tsy hanolotra sorona dorana manontolo eny amin'ny toeram-pivavahana rehetra hitanareo;

14 fa ilay toerana nofidin'ny TOMPO amin'ny fokonareo anankiray ihany no hanoloranareo ireny, sady hanaovanareo koa ny zavatra rehetra nandidiako anareo.

15 Kanefa, eny amin'ny tanana rehetra onenanareo, dia mahazo mamono biby amin'izay fotoana tianareo ianareo sy mihinana ny henany, arakaraka ny fitahiana nomen'ny TOMPO anareo; na ny olona maloto ara-pivavahana na ny madio, dia samy mahazo mihinana amin'izany, tahaka ny ahazoany mihinana gazela sy ombimanga.

16 Saingy ny ran'ilay biby no aza haninareo, fa araraho amin'ny tany toy ny rano.

17 Tsy azonareo hanina ao an-tanananareo ny ampahafolon'ny vary sy divay ary menaka novokarinareo, ny voalohan-teraky ny omby sy ondry aman'osinareo, ny zavatra rehetra nataonareo voady, ny fanati-tsitraponareo ary ny fitia tsy mba hetra foinareo.

18 Fa eo anoloan'ny Toeramasina, ao amin'ny faritra nofidian'ilay TOMPO Andriamanitrareo, no hihinana izany ianareo mbamin'ny zanakareo sy ny mpanomponareo ary koa ny Levita izay ao an-tanananareo; eny, hifaly eo anoloan'ny Toeramasin'ilay TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin'izay fiharian-karena rehetra nataonareo.

19 Mitandrema mba tsy hanao tsirambina ny Levita ianareo amin'ny andro rehetra hiainanareo amin'ny taninareo.

20 Rehefa hitarin'ny TOMPO Andriamanitrareo ny faritaninareo araka ny nampanantenainy taminareo, raha maniry mafy hihinan-kena ianareo, dia mahazo mihinana araka izay tianareo.

21 Raha lavitra anareo loatra ny toerana hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan'ny voninahiny, dia azonareo amonoana ny omby sy ondry aman'osy nomen'ny TOMPO anareo, araka izay efa nandidiako anareo, ary hohaninareo ao an-tanananareo araka izay tianareo izany.

22 Eny, tahaka ny ahazoana mihinana gazela sy ombimanga no hahazoanareo mihinana amin'izany; na ny olona maloto ara-pivavahana na madio, dia samy mahazo mihinana azy.

23 Kanefa tandremo mafy mba tsy hohaninareo ny ran'ilay biby, fa ny ra no aina; ary tsy azonareo hanina ny aina amin'ny tena.

24 Aza haninareo ny rany fa araraho amin'ny tany toy ny rano.

25 Eny, aza haninareo izany mba ho sambatra ianareo sy ny taranaka amam-paranareo, satria izay mahitsy eo imason'ny TOMPO no hataonareo.

26 Kanefa ny zava-masinareo sy ny zavatra nataonareo voady dia ento mankany amin'ny toerana hofidin'ny TOMPO.

27 Raha sorona dorana manontolo izany, dia atolory eo amin'ny alitaran'ilay TOMPO Andriamanitrareo ny henany sy ny rany; raha sorom-pihavanana kosa izany, dia araraho eo amin'ny alitaran'ilay TOMPO Andriamanitrareo ny rany, fa ny henany hohaninareo.

28 Henoy sy tandremo ireo didy rehetra izay ampitaiko aminareo ireo, mba ho sambatra lalandava ianareo sy ny taranaka amam-paranareo, satria izay tsara sy mahitsy eo imason'ny TOMPO Andriamanitrareo no hotanterahinareo.

29 Rahatrizay ny TOMPO Andriamanitrareo dia handringana eo anoloanareo ireny firenena natao horesenareo any amin'ny tany izay hidiranareo ireny; handresy azy ianareo ary honina eo amin'ny taniny.

30 Rehefa voaringana eo anoloanareo ireny, dia mitandrema fandrao ho voafandrika hanaraka ny fanaony ianareo; mitandrema fandrao hamotopototra ny amin'ny andriamaniny ianareo sy hanontany izay fomba nanompoany azy mba hanaovanareo toy izany koa.

31 Aza anaovanareo fomba toy izany ilay TOMPO Andriamanitrareo, satria zavatra mahatsiravina sy halan'ny TOMPO no nataon-dry zareo tamin'ny andriamaniny fa hatramin'ny zanany lahy sy vavy aza dia nodorany forehitra tao anaty afo hanajana ny andriamaniny!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0584