Deoterônômy

Toko faha-16

1 Tandremo fa amin'ny volana Abiba no hankalazanareo ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo. Volana Abiba manko no nitondran'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo niala tany Ejipta tamin'ny alina.

2 Koa hatolotrareo ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ny sorom-pihavanana fanao amin'ny Paska, dia ondry aman'osy na omby, eo amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO mba hipetrahan'ny voninahiny.

3 Aza mofo misy leviora no haninareo amin'ny sakafo Paska; fa mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo mba hahatsiahivanareo fa an-kamehana no nialanareo tany Ejipta; eny, mofo tsizarizary no hohaninareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nialanareo tany Ejipta, mandritra ny andro rehetra iainanareo.

4 Aoka tsy hisy leviora eo aminareo, manerana ny taninareo, mandritra izany herinandro izany; ary aoka tsy hisy tavela ho tra-maraina ny henan'ilay sorom-pihavanana novonoinareo tamin'ny harivan'ny andro voalohany.

5 Tsy ho azonareo anaovana ny soron'ny Paska avokoa tsy akory ny tanana rehetra izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo;

6 fa amin'ny toerana izay hofidiny hipetrahan'ny voninahiny ihany no hanaovanareo ny soron'ny Paska, rehefa hariva maty masoandro iny, izany hoe amin'ilay fotoana nialanareo tany Ejipta

7 Dia handrahoinareo izany ka hohaninareo eo amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo; ary rehefa maraina ny andro, dia hody any an-dainareo ianareo.

8 Mandritra ny enina andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora; fa amin'ny andro fahafito, dia hisy fivoriana famaranana manetriketrika ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hanao raharaha ianareo amin'izany.

9 Hanisa fito herinandro ianareo, ka miantomboka amin'ny andro hiandohan'ny fijinjam-bary no hanisanareo izany.

10 Dia hankalaza ny fetin'ny Pentekosta ianareo, ka hanavaka fanati-tsitrapo homenareo araka izay itahian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.

11 Hankany amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan'ny voninahiny ianareo, ary hifaly eo anatrehan'ilay Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitrareo ny tenanareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin'ny Levita izay ao an-tanananareo ary koa ny vahiny sy kamboty ary mpitondratena izay eo anivonareo.

12 Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ka imasoy hotanterahina ireo didy ireo.

13 Rehefa voaangonareo ny avy amin'ny famoloanareo sy famiazanareo, dia hankalaza ny fetin'ny Tranotomboka ianareo.

14 Ary hifaly am-piravoravoana ianareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin'ny Levita ary koa ny vahiny sy kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanananareo.

15 Mandritra ny fito andro no hanaovanareo izany fankalazana izany ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo eo amin'ny toerana izay hofidiny; ary dia hifaly tokoa ianareo satria notahin'ny TOMPO Andriamanitrareo avokoa ny vokatrareo sy ny asan-tananareo.

16 Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra aminareo no hiseho eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo any amin'ny toerana izay hofidiny, dia amin'ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora sy ny fankalazana ny Pentekosta ary ny fankalazana ny Tranotomboka. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan'ny Toeramasin'ny TOMPO;

17 fa aoka samy hitondra izay fanatitra zakany avy, araka ny fitahiana omen'ny TOMPO Andriamanitrareo azy.

18 Mifidiana mpitsara sy mpifehy ao an-tanana rehetra izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo araka ny fokonareo avy; ary dia ho ara-drariny no aoka hitsaran'ireo ny vahoaka.

19 Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan'olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny hendry ka mampamadika ny raharahan'ny manan-drariny.

20 Ny ara-drariny mihitsy no harahinareo mba ho velona ianareo ka hahazo ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.

21 Aza anangananareo tsato-kazo fanajana an'i Asera eo anilan'ny alitara izay hamboarinareo ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo;

22 ary aza ampijoroanareo tsangambaton-tsampy koa eo, fa halan'ny TOMPO Andriamanitrareo izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559