Deoterônômy

Toko faha-27

1 Dia nandidy ny vahoaka i Mosesy sy ny loholon'i Israely ka nanao hoe: Tandremo avokoa ny didy izay ampitaiko aminareo anio.

2 Amin'ny andro hitanareo ny ony Jordana ho any amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia vato lehibe no hatsanganareo ka holaloranareo sokay;

3 ary hosoratanareo eo amin'ireo vato ireo ny teny rehetra momba ity Lalana ity, vantany vao tafita ny ony ianareo. Izany no hidiranareo ao amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain'ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.

4 Any amin'ny tendrombohitra Hebala no hatsanganareo sy holaloranareo sokay ireo vato izay ameperako anareo anio ireo, rehefa tafita ny ony Jordana ianareo.

5 Eo koa no hanorenanareo alitara ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo, dia alitara vato tsy voapai-by.

6 Vato tsy voavoatra no hanorenanareo io alitara io, ary eo amboniny dia hanoloranareo sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo.

7 Hanolotra sorom-pihavanana koa ianareo, ka hihinana eo an-toerana sady hifaly eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo.

8 Amin'ireo vato voatsangana ireo kosa no hanoratanareo ny teny rehetra momba ity Lalana ity ka hataonareo velona tsara ny soratra.

9 Dia niteny tamin'ny Israelita rehetra indray i Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangina ka mihainoa, ry Israelita. Izao anio izao ianareo no efa tonga vahoakan'ny TOMPO Andriamanitrareo.

10 Koa henoy ny feon'ny TOMPO Andriamanitrareo ary tanteraho ny didy aman-dalany izay ampitaiko aminareo anio.

11 Androtrizay koa dia nandidy ny vahoaka i Mosesy ka nanao hoe:

12 Rehefa tafita ny ony Jordana ianareo, dia ireto foko ireto no ho eo amin'ny tendrombohitra Gerizima amin'ny fanononam-pitahiana ho an'ny vahoaka: dia i Simehona, i Levy, i Joda, i Jisakara, i Josefa ary i Benjamina.

13 Ireto foko ireto kosa no ho eo amin'ny tendrombohitra Hebala amin'ny fanononana ozona: dia i Reobena, i Gada, i Asera, i Zebolona, i Dana, ary i Naftaly.

14 Dia hiteny amin'ny Israelita rehetra ny Levita ka feo mahery no hilazany hoe:

15 Ho voaozona anie ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra ho sampiny na sarin-javatra amin'ny metaly nempoina ka mametraka azy hotsaohina an-takona, satria maharikoriko eo imason'ny TOMPO ny asan-tanan'ny mahay taozavatra toy ireny! Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amen!

16 Ho voaozona anie izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!

17 Ho voaozona anie izay mamindra ny orimbato faritry ny tanin'ny namany! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!

18 Ho voaozona anie izay mamery lalana ny jamba! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!

19 Ho voaozona anie izay manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!

20 Ho voaozona anie izay miray amin'ny vadin-drainy fa mahavery zo aman-kasina an-drainy izany! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe; Amen!

21 Ho voaozona anie izay miray amin'ny biby! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!

22 Ho voaozona anie izay miray amin'ny anabaviny, na zanakavavin-drainy izany na zanakavavin-dreniny! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!

23 Ho voaozona anie izay miray amin'ny rafozambaviny! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!

24 Ho voaozona anie izay mahafaty an-takona ny namany! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!

25 Ho voaozona anie izay mandray kolikoly hahafaty olona tsy manan-tsiny! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!

26 Ho voaozona anie izay tsy mankato ireo teny momba ity Lalana ity sy tsy manatanteraka azy! Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen!.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0758