Deoterônômy
Toko faha-25
1 Mety misy olona anankiroa manana ady ka mankeo amin'ny fitsarana; dia tsaraina izy roroa ka homen-drariny izay manan-drariny ary hohelohina kosa izay meloka.2 Raha tokony hokapohina ny meloka, dia hasain'ny mpitsara hivalandotra amin'ny tany izy ka hokapohina eo anatrehan'ilay mpitsara; ary arakaraka ny helony no isan'ny kapoka hatao aminy.
3 Hatramin'ny efapolo no kapoka azo amelezana azy, fa tsy hatao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany, dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonareo ny mpiray firenena aminareo.
4 Aza akombonareo ny vavan'ny omby mively vary.
5 Mety misy mpirahalahy miara-monina, ka maty momba ny anankiray. Amin'izay, dia aoka ny vadin'ny maty tsy hanambady vahiny any ivelam-pianakaviana; fa ny zaodahiny ihany no aoka handeha hanambady azy, ka hitondra loloha azy.
6 Ary ny lahimatoa izay haterany no haka ny anaran'ilay rahalahy efa maty, mba tsy hahafaty anarana azy eo amin'i Israely.
7 Raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hanatona ny loholona eo amin'ny fitsarana ravehivavy ka hanao hoe: Tsy mety mamelona ny anaran'ny rahalahiny eo amin'i Israely ny zaodahiko, fa tsy te hitondra loloha ahy.
8 Dia hantsoin'ireo loholon'ny tanana ralehilahy ka hohadininy. Ary raha miteny izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy!,
9 dia hanatona azy eo anatrehan'ireo loholona ity vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin'ny tongo-dralehilahy ary handrora amin'ny tavany sady hiteny hoe: Toy izany no hatao amin'ny lehilahy tsy mety manome taranaka ny rahalahiny!
10 Ary ny fianakavian'izany lehilahy izany eo amin'i Israely dia hampiana anarana hoe: Fianakavian'ilay nalan-kapa.
11 Mety misy olona roa lahy miady, ary ny vadin'ny anankiray kosa manatona hanafaka ny vadiny eo an-tanan'ilay mamely azy; raha maninji-tanana ravehivavy ka mandray ny ankasarotan'ilay lehilahy mifamely amin'ny vadiny,
12 dia tsy hanananareo antra izany vehivavy izany fa hotapahinareo ny tanany.
13 Aoka tsy hisy vatomizana mahery lanja sy latsa-danja ao an-kitaponareo.
14 Aoka tsy hisy famarana lehibebe sy kelikely.
15 Vatomizana sy famarana tonga ohatra sy ara-dalana no aoka hotananareo mba ho maro andro iainana ianareo, any amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.
16 Satria izay rehetra manao zavatra tsy an-drariny toy ireny dia maharikoriko eo imason'ny TOMPO Andriamanitrareo.
17 Tsarovy izay nataon'ny Hamalekita taminareo teny an-dalana, taorian'ny nialanareo tany Ejipta.
18 Tsy nanan-tahotra an'Andriamanitra ireo fa nanehatra anareo teny an-dalana sy namely izay trotraka teo amin'ny vodilaharanareo fony ianareo reraka sy sasatra.
19 Hataon'ny TOMPO Andriamanitrareo mahazo fitsaharana ianareo izao ka tsy ho voahelingelin'ny fahavalo rehetra manodidina anareo any amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho anjara fanananareo; dia hovonoinareo ho faty ny Hamalekita amin'izay mba tsy hisy olona hahatsiaro azy intsony eto amin'izao tontolo izao. Aza hadinoinareo izany!